Hery Mifanandrina

40/44

Toko 38—Ny fampitandremana farany

«Hitako fa, indro, nisy anjely iray koa nidina avy tany an-danitra, nanana fahefana lehibe : ary ny tany nohazavain’ ny voninahiny. Ary niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao hoe : Rava! Rava!Babylona lehibe ! ka tonga fonenan’ ny demonia sy fieren’ ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina». «Ary nahare feo iray koa avy tany an-danitra aho nanao hoe : Mialà aminy ianareo, ry oloko, mba tsy hiombonanareo ota aminy, ary mba tsy hisy hahazo anareo ny loza manjo azy» 1. HM 629.1

Io teny io dia manondro mialoha ny fotoana izay hamerenana ny filazana ny amin’ ny faharavan’ i Babylona, araka izay ataon’ ny anjely faharoa ao amin’ ny Apokaiypsy faha 14 (andininy faha 8), miampy ny filazana ireo faharatsiana izay tafiditra miandalana ao amin’ ireo antoko samihafa izay mitambatra ho Babylona, hatramin’ ny nanomezana voalohany io hafatra io tamin’ ny fahavaratry ny taona 1844. Mahatsiravina ny toetran’ izao tontolo izao ara-pivavahana ambara eto. Mihamaizina isaka ny mandà ny fahamarinana ny sain’ ny olona, mihamafy ny fony mandra-pahatonga azy hamahatra amin’ ny mandan’ ny tsy finoana. Tsy miraharaha ny fampitandremana izay nataon’ Andriamanitra izy, fa mikiry hanitsakitsaka ny anankiray amin’ ny Didy folo, ka amin’ ny farany dia tonga mpanenjika ireo izay manaiky izany ho masina. Fanaovana an’ i Kristy ho tsinontsinona ny fanamavoana ny teniny sy ny vahoakany. Rehefa eken’ ny fiangonana ny fampianarana entin’ ny filalaovana angatra, dia miala ny fameperana atao amin’ ny fo ara-nofo, ka hanjary lamba isalorana fotsiny anakonana ny faharatsiana ambany indrindra ny filazana fa mivavaka. Ny finoana ny fisehoan’ ny angatra dia mampidanadana ny varavarana hidiran’ ny fanahy mamitaka sy fampianaran’ ny demonia, ary amin’ izany fomba izany no hahatsapana ny hery miasa mangina avy amin’ ny anjely ratsy ao amin’ ny fiangonana. HM 629.2

Izao no voalaza momba an’ i Babylona amin’ ny fotoana asehon’ io faminaniana io : «Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ ny lanitra, ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony» 2.Efa nofenoiny ny kapoaky ny heloka nataony, koa efa madiva hianjady aminy ny fandringanana. Mbola manana olona ao Babylona anefa Andriamanitra ; ka alohan’ ny handatsahany ny fitsarany dia tsy maintsy antsoina hivoaka ireo, mba tsý handraisany anjara amin’ ny fahotany ka «tsy hahazo azy ireo ny loza hanjo azy». Izany no mahatonga ny fihetsiketsehana aseho ara-tandindona amin’ ilay anjely avy any an-danitra, manazava ny tany amin’ ny voninahiny, miantso mafy amin’ ny feo mahery, ka manambara ny fahotan’ i Babylona. Mifandray amin’ io hafatra io ilay feo re manao hoe : «Mialà aminy ianareo, ry oloko». Ireo fanambarana ireo, miaraka amin’ ny hafatry ny anjely fahatelo, no fampitandremana farany hatao amin’ ny mponina etý an-tany. HM 630.1

Hanoloana safidy mahatsiravina izao tontolo izao. Ireo fahefana eto an-tany izay miray hina mba hiady amin’ ny didin’ Andriamanitra, dia hamoaka lalàna milaza fa «ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manankarena na ny malahelo, na ny andevo na ny tsy andevo» (Apokalypsy 13 : 16), dia tsy maintsy hanaraka ny fomba amam-panaon’ ny fiangonana ka hitandrina ny sabata sandoka. Izay rehetra mandà tsy hilefitra dia hiharan’ ny sazy ahatran’ ny fanjakana, ary amin’ ny farany dia holazaina fa mendrika ny ho faty izy ireo. Etsy andaniny anefa, ny lalàn’ Andriamanitra dia mandidy ny hitandremana ny andro fitsaharan’ ny Mpamorona ka mampitandrina izay rehetra mandika ny fitsipika ny amin’ ny fahatezeran’ Andriamanitra. HM 630.2

Koa satria mazava tsara toy izany ny ho vokatr’ izay hatao, na iza na iza minia hanitsakitsaka ny lalàn’ Andriamanitra mba hankatoavana ny didin’ olombelona dia handray ny manky ny bibidia ; manaiky ny famantarana ny fanekeny ny fahefana nofidiny hankatoavina ho solon’ Andriamanitra izy Toy izao ny fampitandremana avy any an-danitra : «Raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na eo amin’ ny tanany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra, izay naidiny tao anatin’ ny kapoaky ny fahatezerany tsy miharoharo zavatra» 3. HM 630.3

Nefa tsy nisy olona na dia iray aza natao hiharan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra raha tsy efa nabaribary tsara tamin’ ny saina amampieritreretany ny fahamarinana, kanefa notsipahiny. Betsaka ny tsy mbola nanam-potoana mihitsy handrenesany ireo fahamarinana manokana ho amin’ izao andro izao. Tsy mbola naseho teo anatrehany mihitsy araka ny tena toetrany ny maha-tsy maintsy hankatoavana ny didy fahefatra. Ilay mamaky ny ao am-po tsy miloaka ao amin’ ny tsirairay sy misedra ny toe-tsaina manetsika antsika dia tsy hamela na olona iray aza maniry hahalala ny fahamarinana, ho voafitaka ny amin’ ny hiafaran’ ny ady. Tsy hampiharina an-jamba amin’ ny olona tsy akory ny didy. Tsy maintsy samy hahazo fahazavana ampy ny tsirairay mba hanapahany hevitra amin’ ny saina mahiratra. HM 631.1

Ny Sabata no ho fisedrana lehibe momba ny fahatokiana, satria io no fahamarinana anankiray isehoan’ ny fifanolanana amin’ ny fomba manokana. Rehefa hampiarina amin’ ny olona ny fisedrana farany, dia hisy tsipika mazava hampisaraka izay manompo an’ Andriamanitra sy izay tsy manompo Azy. Raha ny fitandremana ny sabata sandoka no fanekena ny lalàm-panjakana, izay manohitra ny didy fahefatra, ary fiaikena ny fiandaniana amin’ ny fahefana manohitra an’ Andriamanitra, ny fitandremana ny Sabata marina kosa dia fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, sy porofo mazavan’ ny toetra mahatoky amin’ ny Mpamorona. Ny antokon’ olona iray izay manaiky ny famantarana amin’ ny fileferana amin’ ny fahefana eto an-tany, dia mandray ny mariky ny bibidia, ny anankiray kosa, izay mifidy ny famantarana ny fiandaniana amin’ ny fahefan’ Andriamanitra, dia nandray ny tombon-kasen’ Andriamanitra. HM 631.2

Teo aloha dia matetika no noheverina ho mpilaza loza fotsiny ireo izay nitory ny fahamarinana raketin’ ny hafatry ny anjely fahatelo. Ny fanambarana mialoha nataony fa hahazo vahana any Etazonia ny tsy fandeferana eo amin’ ny ara-pivavahana, fa hiray hina ny fiangonana sy ny fanjakana hanenjika izay mitandrina ny didin Andriamanitra, dia nolazaina fa tsy marim-pototra sady rediredy foana. Nohizingizinina tamim-pahatokisana fa tsy hiova fenitra na oviana na oviana amin’ izay efa toetrany hatrizay io tany io, dia ny maha-mpiaro ny fahafahana ara-pivavahana azy. Nefa kosa rehefa mitatra ny fihetsiketsehana mafy mikasika ny fanamafisana ny fitandremana ny Alahady, dia hita fa manakaiky ny toe-javatra izay nampisalasala tsy ninoana hatry ny ela, ka hisy vokatra tsy araka izay nisy teo aloha ny hafatry ny anjely fahatelo. HM 631.3

Isan-taranaka nifandimby dia naniraka ny mpanompony Andriamanitra hanameloka ny fahotana, na teo amin’ izao tontolo izao na tao amin’ ny fiangonana. Nefa zavatra malefadefaka no irin’ ny olona holazaina aminy, ka tsy azony ekena ny fahamarinana madio, tsy misy hosokosoka. Betsaka ireo mpanavao fivavahana no nanapa-kevitra, raha nanomboka ny asany, fa hitandrina fatratra amin’ ny famelezana ireo fahotan’ ny fiangonana sy ny firenena. Nanantena izy ireo, fa, amin’ ny alalan’ ny ohatry ny fiainana Kristiana madio asehony no hampiverina ny vahoaka ho amin’ ny fampianaran’ ny Baiboly. Nanindry azy ireny anefa ny Fanahin’ Andriamanitra, tahaka ny tamin’ i Elia, izay nanetsika azy hanameloka ny fahotan’ ilay mpanjaka ratsy fanahy sy ny vahoaka nivadika ; koa tsy azony natao ny tsy hitory ireo teny mazava ao amin’ ny Baiboly dia ireo foto-pinoana izay nampisalasala azy ny haneho azy. Voatery izy hanambara tamin-kafanam-po ny fahamarinana sy ny loza izay nananontanona ny fanahy. Ny teny izay nolazain’ ny Tompo no nambarany, ka tsy natahorany izay ho vokatr’ izany, ary dia voatery nihaino ny fampitandremana ny vahoaka. HM 632.1

Toy izany koa no hitoriana ny hafatry ny anjely fahatelo. Rehefa tonga ny fotoana hanaovana izany amin-kery lehibe indrindra, dia hiasa amin’ ny alalan’ ny fitaovana feno fanetren-tena ny Tompo, ka hitarika ny sain’ ireo izay manolo-tena ho amin’ ny fanompoana Azy. Ny hosotry ny fanahiny no hahamendrika ny mpiasa mihoatra noho ny fianarana noratoviny tany amin’ ny sekoly ambony. Hisy olona manam-pinoana sy tia vavaka ho voasesy hiroso amin’ ny hafanam-po masina, ka hanambara ny teny omen’ Andriamanitra azy. Haharihary ny fahotan’ i Babylona. Haseho masoandro avokoa ny vokatra mahatahotra avy amin’ ny fanamafisan’ ny fanjakana ny lalàm-piangonana, ny fitsofohan’ ny filalaovana angatra, ny fandrosoan’ ny fahefana papaly mangina nefa haingana. Hifoha amin’ ny alalan’ ireo fampitandremana miezinezina ireo vahoaka. An’ arivoarivony ny olona hihaino ny teny izay tsy mbola reny na oviana na oviana. Gaga izy raha mandre ny fanambarana fa i Babylona dia ny fiangonana izay lavo noho ny hevi-disony sy ny fahotany, noho ny fandavany ny fahamarinana nalefa ho azy avy tany andanitra. Rehefa mankany amin’ ireo mpampianatra azy teo aloha ny olona ka manontany mafy hoe : marina tokoa ve izay voalaza? dia angano no hasetrin’ ny mpitandrina, haminany zavatra mamy izy, mba hampitony ny tahotra sy hampangina ny feon’ ny fieritre-retana efa nifoha. Nefa satria maro ny olona no handà tsy ho afapo amin’ ny fahefan’ olombelona fotsiny fa mitaky ny «Izao no lazain’ i Jehovah» mazava, toy ireo Fariseo fahiny, dia ho feno hatezerana ireo mpitandrina mamim-bahoaka rehefa isalasalana ny amin’ ny fahefany, ka holazainy fa avy amin’ i Satana ny hafatra ary hanentana ny vahoaka marobe fatra-mpankamamy fahotana izy ireo mba hanaratsy sy hanenjika izay mitory izany. HM 632.2

Taitra i Satana rehefa mitatra ho amin’ ny saha vaovao ny ady ka voasarika ho amin’ ny lalàn’ Andriamanitra voahitsakitsaka ny sain’ ny vahoaka. Mainka haharomotra ireo izay manohitra ny hafatra ny hery manohana ny fitoriana izany. Hanao ezaka mihoatra noho izay mety ho vitan’ ny olombelona ny mpitondra fivavahana mba hisakanana ny fahazavana tsy hamirapiratra amin’ ny ondry andrasany. Hampiasainy ny fomba rehetra eo am-pelatanany mba hanafoanany ny adihevitra mety hatao mikasika ireo fahamarinana fototr’ aina ireo. Hitady tohana amin’ ny sandry maherin’ ny fahefampanjakana ny fiangonana ary hiray hina amin’ izany asa izany ny mpiandany amin’ ny papa sy ny Protestanta. Rehefa mandroso mihasahy sy mihahenjana ny fihetsiketsehana ho fanamafisana ny Alahady, dia hampiasaina hoenti-manohitra ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra ny lalàna. Horahonana handoa sazy sy haiditra an-tranomaizina izy, ary hisy sasany hotolorana toerana ambony, ny sasany kosa valisoa sy tombon-tsoa, ho fitaomana azy hiala amin’ ny finoany. Nefa izao no valin-teniny tsy rniova : Asehoy amin’ ny alalan’ ny tenin’ Andriamanitra fa diso izahay» dia ilay valin-teny nataon’ i Lotera tamin’ ny toe-javatra mitovy amin’ izany. Hiaro ny fahamarinana amin-kery ireo izay hantsoina eo anatrehan’ ny fitsarana ary hisy amin’ izay mandre azy ireo no ho voataona hifidy ny hitandrina ny didm’ Andriamanitra. Amin’ izany fomba izany no hitondrana ny fahazavana ho amin’ ny olona an’ arivony, raha tsy izany dia tsy ho nandre na inona na inona ny amin’ ireo fahamarinana izy ireo. HM 633.1

Holazaina fa fikomiana ny fankatoavana ny tenin’ Andriamanitra ho fanarahana ny feon’ ny fieritreretany. Hohajambain’ i Satana ny ray aman-dreny ka ho sarotiny sy ho henjana amin’ ny zanany izay mino , ny mpampiasa lahy na vavy dia hampahory ny mpiasany izay mitandrina ny didy. Ho levona ny fitiavana , tsy havela handova ny zanaka ary horoahina tsy ho ao an-tokantrano. Ho tanteraka ara-bakiteny ny tenin’ i Paoly manao hoe : «Izay rehetra te-ho velona amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, izay ao amin’ i Kristy Jesosy, dia henjehina»4. Rehefa mandà tsy hanaja ny Sabata-Alahady ireo mpiaro ny fahamarinana, dia hisy hatao an-tranomaizina sy hatao sesi-tany,hoentina tahaka ny andevo. Araka ny fahendren’olombelona dia toa tsy mety hisy izany ankehitriny; nefa kosa, rehefa esorina tsy ho eo amin’ ny olona ny Fanahin’ Andriamanitra izay mitana azy, ka i Satana no hanapaka azy tanteraka, dia izy izay mankahala ny fitsipik’ Andriamanitra, dia hisy zava-mahagaga hitranga. Lozabe mantsy ny fo rehefa miala ny fahatahorana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana Azy. HM 633.2

Raha manatona ny tafio-drivotra, dia misy antokon’ olona maro izay niseho ho mino ny hafatry ny anjely fahatelo, nefa tsy nohamasinina tamin’ ny alalan’ ny fankatoavana ny fahamarinana, no hiala amin’ ny toerany ankehitriny ka hirotsaka eo amin’ ny laharan’ ny mpanohitra. Niray tamin’ izao tontolo izao izy sady nifindran’ ny toe-tsainy, ka nanjary saiky nitovy ny fomba fijeriny ny toejavatra; ary rehefa tonga ny fisedrana, dia efa voaomana mialoha hifidy ny lalana mora arahin’ ny besinimaro izy ireo. Misy olona manan-talenta sy fahaizana mahataona, izay efa nahita fifaliana tamin’ ny fanarahana ny fahamarinana, nefa ankehitriny dia mampiasa ny heriny hamitaka ny fanahy sy hampivily azy amin’ ny lalan-diso. Ireo no hanjary fahavalon’ ny rahalahiny teo aloha sady hasiaka indrindra. Rehefa hoentina eo anatrehan’ ny fitsarana ny mpitandrina ny Sabata mba hanazava ny amin’ ny finoany, dia ireny mihemotra ireny no ho fiasan’ i Satana mahomby indrindra mba hanosorampotaka sy hiampangana azy, ka ny tatitra lainga hataony sy ny hevitra hasosony no hanosika ny mpanapaka hamely azy ireo. HM 634.1

Hosedrainy ny finoan’ ny mpanompon’ i Jehovah amin’ io fotoana fanenjehana io. Efa nomeny tamim-pahatokiana ny fampitandremana, ka Andriamanitra sy ny teniny ihany no nojereny tamin’ izany. Ny Fanahin’ Andriamanitra, izay nanetsika ny fony, no nanery azy hiloa-bava. Hafanam-po masina no nanainga azy, ary Andriamanitra no nanindry azy mafy ka notanterahany ny adidiny ary tsy nahoany kely akory izay mety ho vokatry ny filazana amin’ ny olona ny teny nampitondrain’ i Jehovah azy. Tsy nijery ny tombontsoany ara-nofo izy na nitady izay hiarovany ny lazany na ny ainy. Nefa rehefa mifofofofo eo aminy ny tafio-drivotry ny fanoherana sy ny fanomezan-tsiny, dia hisy ho safotry ny tebiteby ka vonona ny hiteny hoe : «Raha nampoizinay izay ho vokatry ny teninay, dia ho nangina izahay». Voahodidin’ ny zava-tsarotra izy. Mamely azy amin’ ny fakam-panahy mahamay i Satana. Toa mihoatra lavitra noho izay mety ho vitany ny asa natombony. Tandindomin-pahafatesana izy. Lasa ny hafanam-po nampientana azy ; nefa tsy afaka miverin’ ilalana izy. Amin’ izay rehefa- tsapany ny fahalemeny tanteraka, dia hiolo-may hitady hery hankeo amin’ ny Tsitoha izy. Tsaroany fa tsy azy ny teny nambarany fa an’ Ilay nibaiko azy hitondra ny hafatra fampitandremana. Nataon’ Andriamanitra tao am-pony ny fahamarinana, ka tsy azony atao ny tsy hitory izany. HM 634.2

Efa nanao fanandramana ny amin’ ny fitsapana toy izany ireo lehilahin’ Andriamanitra tamin’ ny andro teo aloha. Ry Wycliffe, Huss, Lotera, Tyndale, Baxter, Wesley, dia samy nanantitrantitra fa tsy maintsy hosedraina amin’ ny Baiboly ny fampianarana rehetra ary nilaza izy ireny fa hotsipahiny izay rehetra melohin’ izany. Nifofofofo mafy tamin’ ireo olona ireo ny fanenjehana ; nefa tsy nijanona nanambara ny fahamarinana izy. Ireo vanim-potoana samihafa ao amin’ ny tantaran’ ny fiangonana dia samy niavaka tamin’ ny fisehoan’ ny fahamarinana manokana, nifanaraka tamin’ izay ilain’ ny vahoakan’ Andriamanitra tamin’ izany fotoana izany. Ny fahamarinana vaovao rehetra dia samy nanavatsava ny lalany teo anivon’ ny fankahalana sy ny fanoherana ; izay nandray fitahiana avy tamin’ ny fahazavany dia samy nalaim-panahy sy nosedraina mafy. Manome fahamarinana manokana ho an’ ny olona ny Tompo eo amin’ ny fotoan-tsarotra. Iza no sahy tsy hitory izany ? Mibaiko ny mpanompony Izy hanao ny antso faran’ ny famindrampo ho an’ izao tontolo izao. Tsy afaka hangina izy ireo, satria mety hampidi-doza n; fanahiny ny fihetsika toy izany. Tsy tokony hiraharaha izay h. vokatry ny asany ireo ambasadaoron’ i Kristy. Tsy maintsy manatanteraká ny adidiny izy ary avelany amin’ Andriamanitra izay ho vokatr’ izany. HM 635.1

Raha mirongatra miha-lozabe hatrany ny fanoherana azy, dia mitebiteby indray ny mpanompon’ Andriamanitra ; satria noheveriny fa izy ireo ihany no nahatonga io ady sarotra io. Nefa manome toky azy ny feon’ ny fieritreretany sy ny tenin’ Andriamanitra fa marina ny lalan-kizorany ; ary na dia mitohy aza ny fitsapana, dia mahazo hery hahazakana izany izy. Na dia mitohy sy miha-henjana hatrany aza ny tolona, dia vao mainka mitombo araka ny fahasarotan’ ny toejavatra ny t’inoany sy ny herim-pony. Hoy ny teniny : «Tsy sahinay ny manova ny tenin’ Andriamanitra, ka hampisaraka ny lalàny masina ; koa ny sasany hambaranay ho tena ilaina, fa ny sasany kosa tsy dia ilaina loatra, mba hankasitrahan’ izao tontolo izaoanay. Afaka hamonjy anay Andriamanitra izay tompoinay. Efa resin’ i Kristy izao tontolo izao ; ka moa ve izahay hatahotra an’ izao tontolo izao izay efa resy?» HM 635.2

Ny fanenjehana amin’ ny endriny samihafa dia fivelaran’ ny loto-kevitra anankiray izay tsy ho foana mihitsy raha mbola misy koa i Satana ary raha mbola manan-kery koa ny fivavahana Kristiana. Tsy misy olona hanompo an’ Andriamanitra ka tsy hihantsy ireo tafiky ny haizina hirotsaka hanohitra azy. Hanafika azy ny anjelin’ ny ratsy, noho ny fahatahorany andrao votsotra eny am-pelatanany ny rembiny noho ny fiasany mangina. Hisy ratsy fanahy, izay hahatsiaro fa meloka noho ny oha-piainana omeny ka hiray amin’ ireo anjely ratsy amin’ ny fitadiavana izay hampisaraka azy amin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny fakam-panahy maharenoka. Rehefa tsy mahomby izany, dia hampiasaina ny fahefana hamoretana ny feon’ ny fieritreretany. HM 636.1

Nefa raha mbola manalalana ho an’ ny olombelona ao amin’ ny fitoerana masina any ambony koa i Jesosy, dia mbola hanan-kery amin’ ny mpifehy sy ny vahoaka ny herin’ ny Fanahy Masina Izay miasa hamepetra ny fihetsika. Mbola mifehy ireo lalàna eo amin’ ny tany amin’ ny lafiny sasany Izy. Raha tsy misy ireo lalàna ireo dia ho ratsy lavitra noho izao ny toetran’ izao tontolo izao. Na dia maro amin’ ireo mpanapaka antsika aza no mpiasa mazoton’ i Satana, Andriamanitra koa dia mbola manana ny mpanompony eo anivon’ ny olona mpitarika ny firenena. Mibitsika amin’ ireo mpanompony ny fahavalo mba hanao lalàna izay hiteraka fisakanana makadiry amin’ ny asan’ Andriamanitra ; nefa misy mpitondra fanjakana matahotra an’ i Jehovah hiasan’ ny anjely mangina mba hanohitra ireo sosokevitra ireo amin’ ny alalan’ ny fonjan-kevitra tsy azo ialana. Hisy olom-bitsy izay hisakana ny riana maherin’ ny ratsy. Hanam-petra ny fanoherana ataon’ ireo fahavalon’ ny fahamarinana mba ahazoan’ ny hafatry ny anjely fahatelo manao ny asany. Rehefa alefa ny hafatra fampitandremana farany, dia hitana ny sain’ ireo olona ambony izay iasan’ i Jehovah ankehitriny izany, ka hisy amin’ izy ireo hanaiky ary hiara-mijoro amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra mandritra ny androm-pahoriana. HM 636.2

Ny anjely izay manampy amin’ ny fitoriana ny hafatry ny anjely fahatelo dia hanazava ny tany manontolo amin’ ny voninahiny. Asa hitatra manerana izao tontolo izao sy manan-kery tsy hay tohaina no voalaza mialoha eto. Fanehoana be voninahitra ny herin’ Andriamanitra ny fihetsehana momba ny fiverenan’ ny Tompo tamin’ ny 1840-1844 ; tafapaka hatrany amin’ ny foibe fitoriana filazantsara rehetra eran’ izao tontolo izao ny hafatry ny anjely voalohany. ary teo amin’ ny tany sasany dia mbola tsy nisy fahalianana tamin’ ny fivavahana toy izany na taiza na taiza hatramin’ ny Reformasiona tamin’ ny taonjato fahenina ambin’ ny folo : nefa hanoatra lavitra noho izany ny fihetsehana miezinezina mandritra ny fanairana farany hataon’ ny anjely fahatelo. HM 637.1

Hitovy amin’ izay niseho tamin’ ny andro Pentekosta ny asa. Tahaka ny nanomezana ny «ranonorana aloha», tamin’ ny nirotsahan’ ny Fanahy Masina tamin’ ny nisokafan’ ny fitoriana ny filazantsara, mba hampitsimoka ny voa sarobidy. dia toy izany koa no hanomezana ny «ranonorana aoriana» amin’ ny famaranana ny fitoriana ny filazantsara mba hanamasaka ny voa hojinjaina. «Dia aoka hahalala, eny, aoka hiezaka hahalala an’ i Jehovah isika ; mahatoky toy ny maraina ny fiposahany. fa ho avy amintsika toy ny ranonorana mivatravatra Izy, sy toy ny fara-orana izay mahavonto ny tany» 5. «Ary ianao, ry zanak’ i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ; fa manome anareo loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha»6.« Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra». «Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia hovonjena» 7. HM 637.2

Ny asa lehibe fitoriana ny filazantsara dia tsy hifarana amin’ ny fanehoana ny herin’ Andriamanitra latsa-danja noho izay hita teo amin’ ny fiantombohany. Ireo faminaniana izay tanteraka tamin’ ny nirotsahan’ ny ranonorana voalohany tamin’ ny fiandohan’ ny fitoriana ny filazantsara dia ho tanteraka indray amin’ ny fiafaran’ izany amin’ ny ranonorana farany. Ireo no «andro famelombelomana» izay notazanin’ i Petera raha niteny izy hoe : «Mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ ny fanatrehan’ ny Tompo, ary mba hanirahany ny Kristy voatendry ho anareo. dia Jesosy» 8. HM 637.3

Hidodododo hatraiza hatraiza ny mpanompon’ Andriamanitra hitory ny hafatra avy any an-danitra, ary ny tavany hazava sy hamirapiratra noho ny fanokanan-tena masina. An’ arivony ny feo manerana ny tany, izay hitondra ny hafatra fampitandremana. Hisy fahagagana hatao, hositranina ny marary, ary hisy famantarana sy zava-mahazendana hanaraka ny mpino. Hanao fahagagana mamitaka koa i Satana, ary hampidina afo avy any an-danitra mihitsy eo imason’ ny olona izy (Apokalypsy 13 : 13). Amin’ izany dia hisafidy izay hombany ny mponina ety an-tany. HM 638.1

Tsy fonjan-kevitra loatra fa fandresen-dahatra avy amin’ ny Fanahin’ Andriamanitra no hitoriana ny hafatra. Efa naseho ny fonjan-kevitra. Efa nafafy ny voa, ary hitsiry izy izao ka hahavokatra. Ireo lahatsoratra nozarain’ ny mpanao asa misionera dia efa nanao ny asany mangina, nefa betsaka ireo izay nandatsaka izany tao am-pony no voasakana tsy hahazo ny fahamarinana tamin’ ny fomba feno na voasakana tsy hankatò. Ankehitriny kosa dia tafiditra hatraiza hatraiza ny tara-pahazavana, hita mibaribary ny fahamarinana, ka manapaka ny fatorana nihazona azy ny zanak’ Andriamanitra tso-po. Ny rohim-pianakaviana, ny fifandraisana eo amin’ ny fiangonana, dia tsy manan-kery hitana azy izao, Sarobidy noho ny zavatra hafa rehetra ny fahamarinana. Na dia eo aza ireo fiasana miara-mioko hanohitra ny fahamarinana, dia maro no hiandany amin’ i Jehovah. HM 638.2