Hery Mifanandrina

22/44

Toko 20—Fifohazana lehibe ara-pivavahana

Voalaza mialoha ao amin’ ny faminaniana entin’ ny hafatry ny anjely voalohany ao amin’ ny Apokalypsy 14 fa hisy fifohazana lehibe ara-pivavahana rehefa torina ny fiavian’ i Kristy tsy ho ela. Nisy anjely tazana nanidina «teo afovoan’ ny lanitra, nanana ny filazantsara mandrakizay hotorina amin’ izay monina ambonin’ ny tany, sy amin’ ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra». Nitory ny hafatra «tamin’ ny feo mahery» hoe : «Matahora an’ Andriamanitra ka omeo voninahitra Izy fa tonga ny andro fitsarany : ary miankohofa eo anoloan’ Izay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano!» Andininy 6, 7. HM 369.1

Misy dikany lalina ny ilazana fa anjely no mitory io fananarana io. Ny fahadiovana, ny voninahitra sy ny herin’ ilay mpitondra hafatry ny lanitra no tian’ ny fahendren’ Andriamanitra hoenti-maneho ny toetra ambony eo amin’ ny asa hotanterahin’ ny hafatra sy ny hery amam-boninahitra miaraka amin’ izany. «Nanidina teo afovoan’ ny lanitra» ilay anjely, «feo mahery» no nilazany ny hafatra fananarana, ary toriny amin’ izay rehetra «monina ambonin’ ny tany» izany, — «ho an’ ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena, sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra» — fomba enti-mampibaribary ny fahafainganany sy ny fivelarany manerana ny tany manontolo. HM 369.2

Ny hafatra koa dia manazava antsika ny amin’ ny fotoana hisian’ io fihetsiketsehana io. Voalaza fa anisan’ ny «filazantsara mandrakizay» izany; ary manambara ny fiantombohan’ ny fitsarana. Efa notorina tamin’ ny andro rehetra nifandimby ny hafatry ny famonjena ; nefa ity hafatra ity dia fizarana amin’ ny filazantsara izay tsy azo torina raha tsy amin’ ny andro farany, satria ámin’ izay vao marina ny hoe «tonga» ny andro fitsarana. Mampiseho toe-javatra mifampitohitohy ireo faminaniana izay mitarika ho eo amin’ ny fisokafan’ ny fitsarana. Marina indrindra izany raha ny momba ny bokin’ i Daniela. Nefa nomena baiko i Daniela hanorona sy hanisy tombo-kase io ampahan’ ny faminaniany mikasika ny andro farany io «mandra-piavin’ ny farany». Raha tsy tonga eo amin’ io fotoana io isika dia tsy hisy hafatra mikasika ny fitsarana hotorina, izay nifototra tamin’ ny fahatanterahan’ ireo faminaniana ireo. Nefa amin’ ny andro farany, hoy ny mpaminany, «maro no hazoto mandinika, ka hitombo ny fahalalana» Daniela 12:4. HM 369.3

Nanafatra ny fiangonana ny apostoly Paoly tsy hiandry ny fiavian’ i Kristy ho amin’ ny androny. «Tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, hoy izy, ka hiseho ilay lehilahin’ ota» 1. Raha tsy aty aorian’ ilay fihemorana lehibe, sy rehefa mifarana ny fotoana lavabe hanjakan’ «ilay lehilahin’ ota», dia tsy afaka manantena ny fiavian’ ny Tompontsika isika. Ilay dehilahin’ ota» izay lazaina koa fa «zava-miafin’ ny tsy fankatoavan-dalàna», «zanaky ny fahaverezana», sy «ilay tena mpandika lalàna» dia mampiseho ny fahefana papaly, izay, araka ny voalaza mialoha ao amin’ ny faminaniana, dia hitana ny fahefany fara-tampony mandritra ny 1260 taona. Nifarana tamin’ ny 1798 io fe-potoana io. Tsy nety ho tonga talohan’ io fotoana io ny fiavian’ i Kristy. Voafaokan’ io fampitandremana nataon’ i Paoly io avokoa ny andro Kristiana rehetra hatramin’ ny taona 1798. Ankoatr’ io fotoana io dia tsy maintsy hotorina ny hafatra momba ny fiavian’ i Kristy fanindroany. HM 370.1

Tsy mbola nisy hafatra toy izany notorina tamin’ ny andro lasa. Hitantsika fa tsy nitory izany i Paoly; fotoana lavitra mbola ho avy no notondroiny tamin’ ireo rahalahiny ny amin’ ny hiavian’ ny Tompo. Tsy nitory izany ireo Mpanavao fivavahana. Martin Lotera dia naminavina ny fitsarana sahabo ho any amin’ ny telonjato taona aty aorian’ ny androny. Novahana anefa ny bokin’ i Daniela nanomboka tamin’ ny 1798, nitombo ny fahalalana ny faminaniana, ary maro no nitory ilay hafatra miezinezina fa akaiky ny fitsarana. HM 370.2

Toy ilay Fanavaozana lehibe ara-pivavahana tamin’ ny taonjato fahenina ambinifolo dia niara-niseho tamin’ ny tany Kristiana sami-hafa ny fihetsehana advantista. Tany Eoropa sy tany Amerika dia olom-pinoana sy tia vavaka maro no voatarika handinika ny famina-niana, ka rehefa nanaraka ny voalazan’ ny tsindrimandrin’ Andria-manitra izy dia nahita porofo maharesy lahatra fa efa antomotra ny fiafaran’ ny zavatra rehetra. Tamin’ ny tany samihafa dia nisy antoko-na Kristiana vitsivitsy nifanalavi-toerana izay, noho ny fandinihany fotsiny ny Soratra Masina, dia nino fa efa akaiky ny fiavian’ ny Mpamonjy. HM 370.3

Tamin’ ny 1821, telo taona taty aorian’ ny nanadihadian’ i Miller ireo faminaniana izay nanondro ny fotoam-pitsarana, i Dr Joseph Wolff, «i1ay misioneran’ izao tontolo izao manontolo», dia nanomboka nitory ny fiavian’ ny Tompo tsy ho ela. Teraka tany Alemaina i Wolff, hebreo ny fiaviany satria ny rainy dia raby Jiosy. Mbola tanora tokoa izy no efa resy lahatra ny amin’ ny fahamarinan’ ny fivavahana kristiana. Nanan-tsaina nazoto sy tia karokaroka izy, ka liana ery nihaino ny resaka fanao tao amin’ ny tranon-drainy raha nivory isan’ andro tao ireo Hebreo tia vavaka nilaza ny amin’ ny fanantenany sy ny fiandrasan’ ny vahoakany, ny amin’ ny voninahitry ny fiavian’ ny Mesia, sy ny famerenana an’ Isiraely eo amin’ ny maha-izy azy. Indray andro raha nandre olona niteny momba an’ i Jesosy avy any Nazareta ilay zazalahy dia nanontany hoe : «Iza moa Izy?» Dia hoy ny navaly azy : «Jiosy nanan-talenta be nefa nihambo ho Mesia Izy, ka nomelohin’ ny fitsarana Jiosy ho faty». «Nahoana?», hoy indray ilay mpanontany, «no rava Jerosalema, ary nahoana isika no lazan-ko babo ?» «Indrisy, indrisy!» hoy ny navalin-drainy, «satria namono ny mpaminany ny Jiosy». Nitsidika tao an-tsain’ ilay zaza avy hatrany ny hoe : «Angamba mba mpaminany koa i Jesosy, ary novonoin’ ny Jiosy Izy nefa tsy nanan-keloka». Travels and Adventures of the Rev — Joseph Wolff, boky 1, p. 6. Mafy loatra izay zavatra tsapany izay, koa na dia norarana tsy hiditra fiangonana Kristiana aza izy, dia matetika no nijanonjanona teny ivelany teny nihaino ny toriteny. HM 371.1

Fony izy vao fito taona monja dia nirehareha tamin’ ny Kristiana iray efazokiny nifanolobodirindrina taminy, momba ny ho fandresen’ ny Isiraely rahatrizay ka ho avy ny Mesia; namaly azy tamim-pahalemem-panahy anefa ilay lahiantitra hoe : «Mbola hambarako anao anaka, izay tena Mesia marina : Jesosy avy any Nazareta izany. . . Izay nohomboan’ ny razanareo, tahaka ny nanaovany ireo mpaminany fahiny. Ndeha mody dia vakio ny toko fahatelo amby dimampolo ao amin’ i lsaia, dia ho resy lahatra ianao fa Jesosy Kristy no Zanak’ Andriamanitra». -Ibid,boky 1, p. 7. Voafatotry ny faharesen- dahatra avy hatrany izy. Lasa nody izy ary novakiny ny teny, ka gaga izy nahita fa tanteraka tamin’ ny fomba feno tamin’ i Jesosy avy any Nazareta izany. Marina ary ve ny tenin’ ilay Kristiana? Nangatapanazavana tamin-drainy momba io faminaniana io ilay zazalahy, nefa fahanginana nitory fahavinirana no setrin’ izany ka tsy sahy nikasika ny amin’ io intsony izy. Na dia izany aza, vao mainka nampitombo ny faniriany hahalala bebe kokoa momba ny fivavahana Kristiana izany. HM 371.2

Nisy finiavana ny tsy hahazoany ny fahalalana notadiaviny raha ny tao amin’ ny tokantrano Jiosy nisy azy; nefa raha vao iraika ambinifolo taona izy, dia niala tao an-tranon-drainy ka lasa tany amin’ izao tontolo izao hitady fanabeazana ho an’ ny tenany, hifidy izay fivavahana tiany sy ny asa hataony mandritra ny androm-piainany. Nahita fialofana tany amin’ ny havany izy aloha, nefa vetivety dia noroahin’ ireo fa mpivadi-pinoana hono, ka dia voatery honjohonjon’ izy irery sady tsy voamena an-tanana no nitady lalana tany amin’ ny hafa firenena. Nifindrafindra toerana izy, sady nianatra mafy no namelon-tena tamin’ ny fampianarana teny Hebreo. Noho ny asa mangina nataon’ ny mpampianatra Katolika iray taminy, dia voatarika hanaiky ny finoana Romana izy ary nikasa ny ho tonga misionary tamin’ ny vahoakan’ ny fireneny. Taona vitsy tatý aoriana, dia nasesik’ io fikasana io hanohy ny fianarany tao amin’ ny Kolejy Fampielezana ny Finoana tany Roma izy. Tao dia voampanga ho «heretika» izy noho ny fahazarany manana fisainana manokana ho an’ ny tenany sy ny fomba fiteny vantambantana. Nopotsipotsiriny ampahibemaso ireo fanao mihoapampana teo amin’ ny fiangonana, ary nohizingizininy ny maha-ilaina ny fanavaozana. Na dia nandriandrianin’ ny mpitondra ambony tao amin’ ny Eglizy aza izy tamin’ ny voalohany, dia nesorina tao Roma rehefa afaka fotoana kely. Nataon’ ny fiangonana andri-maso izy ary nafindrafindra toerana mandra-pahita mazava fa tsy ho voatarika na oviana na oviana hilefitra ao ambany fanandevozan’ ny fivavahana Romana. Nolazaina fa tsy laitra anarina izy ka dia navela nandeha tany amin’ izay tiany. Lasa nankany Angletera izy, ary nandray ny finoana Protestanta ka niray tamin’ ny fiangonana Anglikana. Rehefa nianatra roa taona izy dia nivoaka hiasa tamin’ ny 1821. HM 372.1

Rehefa neken’ i Wolff ny fahamarinana lehibe momba ny fiavian’ i Kristy voalohany tamin’ ny maha-«Lehilahy ory sady zatra ny fahoriana» Azy, dia hitany fa abaribarin’ ny faminaniana mazava toy izany koa ny fiaviany fanindroany amin-kery sy amim-boninahitra. Ary raha nitady izay hitarihana ireo Jiosy tahaka azy ho eo amin’ i Jesosy avy any Nazareta amin’ ny mahaIlay nampanantenaina Azy izy, sy nanondro azy ireo ny fiaviany voalohany tamim-panetren-tena ho sorona noho ny fahotan’ ny olombelona, dia nampianariny azy koa ny fiaviany fanindroany amin’ ny maha-Mpanjaka sy Mpanafaka Azy. HM 372.2

«Jesosy avy any Nazareta», hoy izy «Ilay tena Mesia marina, dia Ilay nofantsihana ny tanana aman-tongony, ary nentina tahaka ny ondry hovonoina, Ilay lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, Ilay tonga indray voalohany fony afaka tamin’ i Joda ny tehim-panjakana ary ny tehina fanapahana tsy ho eo anelanelan’ ny tongony; dia ho avy fanindroany eo amin’ ny rahon’ ny lanitra ary miaraka amin’ ny trompetran’ ny Arikanjely» (Joseph Wolff, Research and Missionary Labours, p. 62) «ary hitsangana eo amin’ ny tendrombohitra Oliva Izy; ary ilay fanapahana izay napetraka fahiny tamin’ i Adama tamin’ ny famoronana, kanefa veriny (Genesisy 1: 26 ; 3 : 17, dia homena an’ i Jesosy. Hanjaka amin’ ny tany manontolo Izy. Hitsahatra ny fitolokoana sy ny fitarainan’ izao ary rehetra izao fa hiram-piderana sy fisaorana no ho re. . . Rehefa ho avy i Jesosy amin’ ny voninahitry ny Rainy, miaraka amin’ ny anjeliny masina. . . dia hitsangana aloha ireo mpino maty (ITesaloniana 4 : 16 ; 1 Korintiana 15 : 23. Io no ataontsika Kristiana hoe fitsanganana voalohany. Amin’ izay dia hovana toetra ny biby (Isaia 11 : 6-9) ka hofehezin’ i Jesosy. (Sal. 8). Hanjaka eran-tany ny fiadanana». Journal of the Rev. Joseph Wolff, p. 378, 379. Hibanjina ny tany indray ny Tompo ka hiteny hoe : «Indro tsara indrindra izany».Ibid, p. 294 HM 373.1

Nino i Wolff fa akaiky ny fiavian’ ny Tompo; ny fanazavany ireo fe-potoana ara-paminaniana momba ny hahatanterahan’ ilay famaranana lehibe ny zavatra rehetra dia taona vitsy monja no nahasamihafa azy tamin’ izay voatondron’. i Miller. Ireo izay nanantitrantitra araka ny voalazan’ ny Soratra Masina «fa ny amin’ ny andro sy ora dia tsy misy mahalala», mba hilazana fa tsy azo fantarina na oviana na oviana ny amin’ ny fahantomoran’ ny fiavian’ i Kristy, dia novalian’ i Wolff hoe : «Moa ve ny Tompo nilaza fa tsy ho fantatra mihitsy io andro sy ora io? Moa ve tsy nanome antsika famantarana momba ny fotoan’ andro mba hahazoantsika mahalala fara-fahakeliny ny fahakekezan’ ny fiaviany, tahaka ny ahafantarana ny fahantomoran’ ny lohataona rehefa «manaroka ny rantsan’ ny aviavy ka mandravina izy ?» Mat. 24 : 32. Tsy ho fantatsika mihitsy ve io fotoana io nefa Izy Tenany mihitsy no namporisika antsika, tsy ny hamaky ny bokin’ i Daniela mpaminany fotsiny, fa ny hahatakatra ny heviny koa ? Ary ao amin’ io bokin’ i Daniela io indrindra no voalaza fa nahorona ny teny hatramin’ ny andro farany (tsy andro farany tamin’ ny androny), nefa ambara koa fa «maro no hazoto mandinika» (teny hebreo izay milaza fandinihana sy famakafakana momba ny fotoan’ andro), ary «hitornbo ny fahalalana» (momba ny fotoan’ andro), Daniela 12:4. Ankoatr’ izany, dia tsy nokasain’ ny Tompo ny hilaza fa tsy ho fantatra ny fahantomoran’ ny fotoana, fa ny andro sy ny ora marina no tsy ho fantatry ny olona. «Ampy ireo famantarana ny fotoan’ andro hoy izy. mba ho famporisihana antsika niomana ho amin’ ny fiaviany, tahaka an’ i Noa nanomana ny sambo fiara».Wolff, Researches and Missionary Labours, p. 404, 405. HM 373.2

Mikasika ireo fomba neken’ ny besinimaro ny amin’ ny famoahana ny hevitry ny Soratra Masina, na ny mety na ny tsy mety, dia izao no nosoratan’ i Wolff : «Ny ankabeazan’ ny fiangonana Kristiana dia nivily niala tamin’ ny hevitry ny Soratra Masina mazava, ka nitodika ho amin’ ny fomba fanazavan’ ny Bodista * izay mirona ho amin’ ny zavatra mialoalo toa avelo ka mino fa ny ho fahasambaran’ ny olombelona amin’ ny ho avy dia ny hanidintsidina eny amin’ ny rivotra, ary mihevitra fa rehefa mamaky hoe «Jiosy» izy dia «Jentilisa» no andraisany izany, ary rehefa mamaky hoe «Jerosalema», dia tsy maintsy «fiangonana» no andraisany izany; ary raha «tany» no voalaza, dia «lanitra» no dikany; ary momba ny fiavian’ ny «Tompo» dia fandrosoan’ ireo «fikambanana mandefa misionera» no dikany; ary ny hoe miakatra ho eo amin’ ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia midika ho «fivoriamben’ ny Methodista». Journal of the Rev.Joseph Wolff, p. 96 HM 374.1

Nandritra ny efatra ambiniroapolo taona, hatramin’ ny 1821 ka hatramin’ ny 1845, dia nitety tany betsaka i Wolff: tany Afrika dia nitsidika an’ i Egypta sy Etiopia izy; tany Azia dia nitety an’ i Palestina, Syria, Persia, Bokhara sy India. Nitsidika an’ i Etazonia koa izy, ary nandritra ny diany nankany dia nitory tao amin’ ny Nosy «Sainte-Hélène». Tonga tany New-York izy tamin’ ny volana Aogositra, 1837; ary rehefa avy nandaha-teny tao amin’ io tanàna io, dia lasa koa nitory tany Philadelphia sy Baltimore, ary farany dia niroso nankany Washington. «Tao» hoy izy, «noho ny hevitra noroson’ ilay Filoha teo aloha, John Quincy Adams, tao amin’ ny vaomiera iray nisy teo amin’ ny Antenimieram-pirenena, dia lanin’ ny besinimaro fa azoko ampiasaina ny efitra malalaky ny Antenimiera mba hanaovako famelabelarana izay nataoko tamin’ ny Asabotsy indray mandeha ary natrehin’ ny mambra rehetra tao amin’ ny Antenimiera sy ny Evekan’ i Virginia, ary ireo mpitondra fivavahana sy mponina tao Washington. Ireo mambran’ ny fitondram-panjakana tany New Jersey sy tany Pennsylvanie koa dia nanome ahy izany voninahitra izany, ary teo anatrehan’ izy ireo no nanaovako famelabelarana mikasika ireo fikarohana nataoko tany Azia, sy ny amin’ ny fanjakan’ i Jesosy Kristy hita maso, Ibid, p. 398, 399. HM 374.2

Nitety tany izay tena mbola dia i Dr Wolff, tsy nanana ny fiarovan’ ny manampahefana avy tany Eoropa izy tamin’ izany ary niaritra zava-tsarotra be dia be sy nohodidinin-doza maro tsy tambo isaina. Nokapohina izy sy tsy nomen-kanina, namidy ho andevo, ary intelo no voaheloka ho faty. Norobain’ ny mpangalatra izy ary indraindray dia efa saiky matin-ketaheta. Indray mandeha dia nombotana teny aminy avokoa izay rehetra nananany ka navela handeha tsy mikiraro tamin’ ny lalana kilaometatra anjatony nitety tendrombohitra izy, ny ranomandry amin’ izay nifafy eny amin’ ny endriny ary ny tongony nihanjaka ngoly noho ny tany voritondranomandry. HM 375.1

Rehefa nampitandremana izy tsy handeha tsy mitondra fiadiana any amin’ ireo foko mbola dia sady fahavalo, dia nilaza fa «efa nitao fiadiana» dia «ny fivavahana, ny hafanam-po ho an’ i Kristy, sy ny fahatokiana ny fanampiany». «Ato am-poko koa ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namana, ary ety an-tanako ny Baiboly». — W H. D. Adams, In Perils Oft, p. 198. Nentiny niaraka taminy na taiza na taiza nalehany ny Baiboly tamin’ ny teny Hebreo sy tamin’ ny teny Anglisy. Tamin’ ny dia nataony tatý aoriana dia hoy izy hoe : «Navelako hisokatra teo an-tanako ny Baiboly. Tsapako fa tao amin’ io Boky io ny heriko, ka afaka hanohana ahy izany». —Ibid, p. 201 HM 375.2

Toy izany no nanohizany ny asany mandra-pahatonga ny hafatra momba ny fitsarana hanerana ny ankabeazan’ ny faritra misy ny olona eto an-tany. Tamin’ ny Jiosy, ny Tiorka, ny Parsi, ny Hindo, sy firenena aman-karazana maro samihafa no nizarany ny tenin’ Andria-manitra tamin’ ny teny samihafa ary hatraiza hatraiza dia notoriny ny fahantomoran’ ny fanjakan’ ny Mesia. HM 375.3

Tamin’ ny diany tany Bokhara no nahitany olona lavi-toerana nitana ny fampianarana ny amin’ ny fiavian’ ny Tompo tsy ho ela sady nitoka-monina. Ny Arabo any Yemen, hoy izy «dia manana boky atao hoe «Seera» izay milaza ny amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany sy ny fanjakam-boninahiny; ary nanantena toe-javatra lehibe hiseho amin’ ny taona 1840 izy ireo» — Journal of the Rev. Joseph Wolff, p. 377. «Tany Yemen. . . dia nijanona henemana niaraka tamin’ ny zanak’ i Rekaba aho. Tsy misotro divay izy ireo, tsy mamboly voaloboka, tsy mamafy voa ary mitoetra an-day, mahatsiaro an’ i Jonadaba fahiny izy, ilay zanak’i Rekaba; ary nahita zanak’ Isiraely teo aminy aho avy amin’ ny taranak’ i Dana, . . . izay niandry, tahaka ireo zanak’ i Rekaba, ny fiavian’ ny Mesia tsy ho ela amin’ ny rahon’ ny lanitra» —Ibid, p. 389. HM 375.4

Nisy misionera hafa koa nahita finoana toy izany tany Tartary *. Nisy pretra tartary izay nametraka fanontaniana tamin’ ny misionera momba ny fotoana hiavian’ i Kristy fanindroany. Rehefa namaly ilay misionera fa tsy mahalala na inona na inona momba izany izy, dia hita fa gaga dia gaga ilay pretra noho ny tsy fahalalan’ ny olona izay milaza fa mpampianatra Baiboly, ka dia nambarany taminy ny finoany, mifototra amin’ ny faminaniana fa ho avy eo amin’ ny manodidididina ny 1844 i Kristy. HM 376.1

Tamin’ ny 1826 dia natomboka notorina tany Angletera ny hafatra momba ny fiavian’ i Kristy. Tsy voafaritra tsara sahala amin’ ny tany Amerika ny fihetsehana tany; tamin’ ny ankapobeny dia tsy nampianarina ny amin’ ny fotoana marina hiaviany, fa notorina hatraiza hatraiza kosa ny fahamarinana lehibe momba ny fiavian’ i Kristy vetivety amin-kery sy amim-boninahitra. Ary tsy teo amin’ ireo mpiendaka sy tsy mpanaraka ny fomban’ ny besinimaro ihany izany. Nolazain’ i Mourant Brock, mpanoratra anglisy, fa tokony ho fitonjato ireo mpitandrina tao amin’ ny Fiangonana Anglikana no nitory «ity filazantsaran’ ny fanjakana ity». Ny hafatra izay nanondro ny taona 1844 ho fotoana iavian’ ny Tompo, dia nambara koa tany Angletera. Niely hatraiza hatraiza ireo boky mikasika ny fiavian’ i Kristy avy any Etazonia. Nisy boky sy gazety. natonta indray tany Angletera. Ary tamin’ ny 1842 Robert Winter, teratany Anglisy, izay nandray ny finoany momba ny fiavian’ i Kristy tany Amerika, dia niverina tany an-tanindrazany mba hilaza ny fiavian’ ny Tompo. Betsaka no niray hina taminy teo amin’ ny asa, ka voatory tamin’ ny faritra samihafa tany Angletera ny hafatry ny fitsarana. HM 376.2

Tany Amerika atsimo, teo anivon’ ny faha-baribarianina sy ny hafetsen’ ny pretra, dia nahita lalana hankeo amin’ ny Soratra Masina i Lacunza, zezoita avy any Espaina ka tamin’ izany fomba izany no nandraisany ny fahamarinana momba ny fiverenan’ i Kristy tsy ho ela. Tery am-panahy hanome ny hafatra fampitandremana izy, nefa naniry koa hisoroka ny fanembatsembanana avy amin’ i Roma, ka dia navoakany tamin’ ny solon’ anarana hoe «Raby Ben-Ezra» ny heviny, ary niseho ho toy ny Jiosy niova fo izy. Tamin’ ny taonjato fahavalo ambinifolo no nahaveloman’ i Lacunza, nefa tokony ho tamin’ ny 1825 no voadika tamin’ ny teny Anglisy ny bokiny, rehefa tody hatrany Londres. Nahatonga ny olona handalina kokoa ny fitiavany ny fiavian’ i Kristy fanindroany izay efa nifoha rahateo ny namoahana io boky io. HM 376.3

Tany Alemaina, dia efa tamin’ ny taonjato fahavalo ambinifolo i Bengel no nampianatra izany. Mpitandrina tao amin’ ny Fiangonana Loterana izy io sady nanan-daza noho ny fahaizana manokana nananany ny amin’ ny Baiboly sy ny fanadihadiana ny momba izany. «Nilofo tamin’ ny fianarana teolojia i Bengel izay nananany fironana rahateo ho tiavina noho ny toe-tsainy fatra-mpamakafaka hevi-dalina sy ara-pivavahana, izay mainka koa notohanan’ ny fitaizana noraisiny sy ny fifehezana fony kely. Tahaka ireo tanora mpandalin-javatra, hatramin’ izay ka hatramin’ izao, dia tsy maintsy niady tamin’ ny fisalasalana sy ireo zava-tsarotra momba ny fivavahana izy, ka tamin’ ny safeliteny feno fihetseham-po no nilazany ny momba ireo «zanatsipika maro izay nanindrona ny fony mahantra, ka nahatonga ny fahatanorany ho enta-mavesatra». Noho izy anisan’ ny mpihevidraharaha tany Württemberg, dia niaro ny fahafahana ara-pivavahana izy. «Na dia nihazona ny zo sy ny tombon-tsoan’ ny fiangonana aza izy, dia niaro koa ny fahafahana ara-drariny rehetra izay omena ireo rehetra mahatsapa ho voatery noho ny feon’ ny fieritreretany, hiala tsy hikambana aminy».—Encyclopaedia Britannica, edisiona fahasivy momba ny «Bengel». Mbola tsapa ao amin’ ny faritany nahaterahany mandraka ankehitriny ny vokatra nahasoa avy tamin’ izany fihetsika izany. HM 377.1

Teo am-panomanana toriteny hatao amin’ ny Alahadin’ ny advento avy tao amin’ ny Apokalypsy 21 i Bengel no nitosaka tao an-tsainy ny fahazavana momba ny fiavian’ i Kristy fanindroany. Nivelatra teo anatrehany ka azony mazava tsy mbola nisy toy izany ireo faminaniana ao amin’ ny Apokalypsy. Toa nanafotra azy ny fahatsapany ny maha-zava-dehibe sy mahatalanjona ireo toe-javatra nasehon’ ny mpaminany sy ny voninahitra mamirapiratra ananan’ ireo zava-miseho ambaran’ ny mpaminany ka voatery najanony aloha ny fandinihany ny foto-kevitra hotoriny. Raha teny amin’ ny polipitra izy dia niseho taminy indray izany tamin’ ny fomba mazava sy manan- kery indrindra. Hatramin’ io fotoana io dia manokan-tena handinika ny faminaniana izy, indrindra ireo ao amin’ ny Apokalypsy, ary vetivety dia niaiky marina fa nanondro ny fiavian’ i Kristy ho akaiky ireo. Ny vaninandro nametrahany ny fotoana hiavian’ i Kristy fanindroany dia taona vitsy dia vitsy taorian’ izay notanan’ i Miller. HM 377.2

Niely eran’ ny tany kristiana ny asa soratr’ i Bengel. Saiky neken’ ny rehetra tao amin’ ny fanjakan’ i Württemberg nisy azy ny fomba fiheviny ny faminaniana ary nitatra hatrany amin’ ny faritra hafa tany Alemaina izany. Nitohy ihany io fihetsehana io taorian’ ny nahafatesany ka re eran’ ny Alemaina ny hafatra momba ny fiavian’ i Kristy tamin’ ny fotoana indrindra nahasarika ny saina momba izany tany amin’ ny tany hafa. Tamin’ ny fotoana voalohandohany dia nisy mpino nankany Rosia ka nifindra monina tany, ary mbola tazonin’ ny fiangonana alemana any amin’ io tany io ny finoana ny fiavian’ i Kristy tsy ho ela. HM 378.1

Namirapiratra koa tany Frantsa sy tany Soisa ny fahazavana. Tany Genève izay nampielezan’ i Farel sy Calvin ny fahamarinana momba ny Reformasiona, no nitorian’ i Gaussen ny hafatra momba ny fiavian’ i Kristy fanindroany. Fony mpianatra tany an-tsekoly i Gaussen, dia efa nifanehatra tamin’ i toe-tsaina miankina amin’ ny sain’ ny olombelona fotsiny io (rationalisme) izay nanerana an’ i Eoropa manontolo nandritra ny tapany faran’ ny taonjato fahavalo ambin’ ny folo sy ny fiantombohan’ ny taonjato fahasivy ambin’ ny folo ; ary raha niditra ho mpitandrina izy, dia tsy vitan’ ny hoe tsy nahalala ny tena finoana marina ihany, fa nirona koa ho amin’ ny fisalasalana momba ny finoana. Teo amin’ ny fahatanorany, dia efa nahaliana azy ny fandinihana ny faminaniana. Rehefa avy namaky ny «Tantaran’ ny Fahiny» nosoratan’ i Rollin izy, dia voasarika ho amin’ ny Daniela toko faharoa ny sainy, ary nanaitra azy mafy ny nahita fa ny faminaniana dia tanteraka marina tsy nisy nilao, araka ny hita ao amin’ ny soratra nataon’ ny mpanao tantara. Vavolombelon’ ny maha-avy amin’ Andriamanitra ny Soratra Masina izany, izay toy ny vatofantsika ho azy teo anivon’ ny loza namely tamin’ ireo taona taty aoriana. Tsy nety afa-po tamin’ ny fampianarana tsy niankina afa-tsy tamin’ ny sain’ olombelona izy, ka noho ny fianarany ny Baiboly, sy ny fikatsahany fahazavana mahiratra kokoa dia voatarika teo amin’ ny finoana marina izy, nony afaka fotoana fohy. HM 378.2

Raha nanohy ny fanadihadiana nataony momba ny faminaniana izy dia tonga tamin’ ny finoana fa efa akaiky ny fiavian’ ny Tompo. Latsaka lalina tao am-pony ny maha-zava-miezinezina sy maha- mavesa-danja io fahamarinana lehibe io, ka niriny ny hitondra izany eo anatrehan’ ny vahoaka; kanefa tena vato nisakana teo amin’ ny diany ny finoan’ ny vahoaka fa zava-miafina tsy takatry ny saina ireo faminanian’ i Daniela. Nony farany dia tapa-kevitra izy — tahaka ny efa nataon’ i Farel talohany tamin’ ny nitoriny ny filazantsara tao Genève — fa hanomboka amin’ ny ankizy izy izay nantenainy fa hahazoany misarika ny ray aman-dreny. HM 378.3

«Tiako raha mazava tsara», hoy izy taty aoriana, raha nilaza ny amin’ izay nokendreny tamin’ io ezaka io izy, «tsy noho ny mahazava-bitika io hafatra io akory, fa noho izy sarobidy indrindra, no naniriako ny haneho izany amin’ ny endrika mahazatra, sy nanambarako azy tamin’ ny ankizy. Niriko ny hihainoana ahy ary natahotra aho fandrao tsy misy mpihaino ahy raha tàhiny ka ny olon-dehibe aloha no nohatoniko voalohany». «Noho izany dia nanapa-kevitra hanatona ny zandriny indrindra aho. Nanangona ankizy aho, raha nitombo isa izy ireo, raha hita fa mihaino izy, raha finaritra sy liana izy, raha azony sy hainy hazavaina izany, dia azo antoka fa vetivety dia hisy andian’ olona faharoa indray hihaino, ary ho anjaran’ ny lehibe ny mahita fa mety koa ny hipetrahany sy hianarany. Rehefa tanteraka izany, dia azo ny fandresena». — L. Gaussen, Daniel le prophète, vol. II, Avertissement, p.XI, XII. HM 379.1

Nahomby ny ezaka nataony. Raha niteny tamin’ ny ankizy izy dia tonga nihaino ny olon-dehibe. Feno mpihaino nanongilan-tsofina ny rihan’ ny fiangonana. Anisan’ ireny dia nisy olona ambony sy manam-pahaizana, nisy vahiny sy olona hafa firenena tonga nitsidika an’ i Genève ka dia toy izany no nampielezana ny hafajra ho amin’ ny faritra hafa. HM 379.2

Nahazoan’ i Gaussen fampaherezana ny fahombiazany, ka nataony printy ny lesony ary nanantena izy fa hampandroso ny fandinihana ireo boky momba ny faminaniana ao amin’ ny fiangonana miteny frantsay izany. «Ny mamoaka fampianarana natao ho an’ ny ankizy», hoy izy, «dia toy ny milaza amin’ ny olon-dehibe izay matetika tsy miraharaha ny boky toy ireny noho ny fiheverana diso fa maizina hono ireny», dia toy ny milaza aminy hoe : Ahoana ary ny maha-maizina azy, raha azon’ ny zanakareo». «Manana faniriana lehibe aho», hoy indray izy, «dia ny hahatonga ny fahalalana ny faminaniana hankafizin’ ny maro eo amin’ ireo andian’ ondrintsika, raha azo atao». «Tsy misy, araka ny hevitro fianarana hafa izay hifanentana kokoa amin’ izay ilain’ ny androntsika noho io». «lo no hanampy antsika hiomana ho amin’ ny fahoriana lehibe izay efa manakaiky, sy hahatonga antsika hiambina sy hiandry an’ i Jesosy Kristy». HM 379.3

Na dia anisan’ ny nalaza sy nankasitrahana indrindra tamin’ ireo mpitory tamin’ ny teny frantsay aza i Gaussen, dia nesorina tamin’ ny fitandremana izy rehefa afaka fotoana kely, ny antony lehibe indrindra niampangana azy dia satria tsy nampiasa ny fotopianaran’ ny fiangonana, izay boky maivamaivana sady nankinina tamin’ izay tratry ny sain’ ny olona ihany, saiky tsy nahitana ventin-javatra ara-pinoana izy, raha nampianatra ny tanora, fa ny Baiboly no nampiasany. Taty aoriana dia tonga mpampianatra tao amin’ ny sekoly fianarana teolojia izy, ary rehefa Alahady dia notohizany rhany ny asany naha-mpampianatra fotopianarana azy, ka dia niteny tamin’ ny zaza sy nampianatra azy ny Soratra Masina izy. Nahaliana fatratra koa izay nosoratany momba ny faminaniana. Tamin’ ny naha-profesora azy, tamin’ ny alalan’ ny gazety sy tamin’ ilay asa tiany indrindra, dia ny mampianatra ny ankizy no nanohizany nandritra ny taona maro tamin’ ny fomba mangina ny asany izay nitatra hatrany ary nahatonga azy ho fiasana manintona ny sain’ ny maro ho amin’ ny fandinihana ny faminaniana izay naneho fa akaiky ny fiavian’ ny Tompo. HM 380.1

Tany Scandinavia koa dia notorina ny hafatra momba ny fiavian’i Kristy ary nitatra hatraiza hatraiza ny fahalianana momba izany. Betsaka no nifoha avy tamin’ ny toky foana nianteheramy ka niaiky ny fahotany sy niala taminy ary nitady famelan-keloka tamin’ ny anaran’ i Kristy. Nanohitra izany fihetsehana izany anefa ireo mpitondra fivavahana tao amin’ ny fiangonam-panjakana, ka noho ny nataon’ izy ireo dia nisy naiditra am-ponja ny sasany tamin’ ireo nitory ny hafatra. Tamin’ ny toerana maro izay nampanginana an’ ireo mpitory ny fiavian’ ny Tompo tsy ho ela, dia sitrak’ Andriamanitra ny nandefa ny hafatra tamin’ ny fomba mahagaga, tamin’ ny alalan’ ny ankizy madinika. Satria mbola tsy ampy taona izy ireo, dia tsy nanan-kery hisakana azy ny lalàm-panjakana, ka dia navela hiteny tsy voasakantsakana izy ireo. HM 380.2

Tao amin’ ny antokon’ olona ambanimbany no tena nisy io fihetsehana io, ary ny trano tsotsotran’ ny mpiasa no nivorian’ ny olona hihaino ny hafatra fampitandremana. Ireo zaza mpitoriteny koa dia tantsaha mahantra ny ankabeazany. Nisy tamin’ izy ireny tsy nihoatra ny enin-taona na valo taona; ny fiainany dia vavolombelona fa tia ny Mpamonjy izy, sady niezaka hivelona tamin’ ny fankatoavana ny fitakiana masina avy amin’ Andriamanitra, ary fahendrena sy fahaizana fahita eo amin’ ny zaza mitovy taona aminy no nasehony teo amin’ ny andavanandro. Fa rehefa teo anatrehan’ ny vahoaka kosa izy, dia nibaribary fa hery ambonin’ ny talenta nananany no nanetsika azy. Niova ny feony sy ny fihetsiny ary tamin-kery mahalasa eritreritra no nanomezany ny hafatra fampitandremana momba ny fitsarana, ka ny tenin’ ny Soratra Masina mihitsy no nampiasainy hoe : «Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy, fa tonga ny andro fitsarany». Nanakiana ny fahotan’ ny olona izy, ka tsy ny faharatsian-toetra sy ny fahalotoana fotsiny no nomelohiny, fa nokianiny koa ny toetrany araka izao tontolo izao sy ny fihemorana, ka nananatra ny mpihaino izy ireo hilomay handositra ny fahatezerana ho avy. HM 380.3

Nangovitra ny olona raha nihaino. Niteny tamin’ ny fony ny Fanahin’ Andriamanitra mandresy lahatra. Maro no voatarika handinika ny Soratra Masina tamin-jotom-po vaovao sy handalina izany bebe kokoa, niova fo ny tsy mahalala onony sy ny ratsy fitondrantena, ny sasany niala tamin’ ny fanaony tsy marina, ary nisy asa vita niavaka indrindra, hany ka na ireo mpitandrina tao amin’ ny fiangonam-panjakana aza dia voatery niaiky fa ny tanan’ Andriamanitra no niasa tamin’ ny alalan’ io fihetsehana io. HM 381.1

Sitrapon’ Andriamanitra ny nitoriana ny vaovao momba ny fiavian’ ny Mpamonjy tany amin’ ireo tany Skandinavia; ary rehefa nampanginina ny feon’ ny mpanompony, dia nataony tao amin’ ny ankizy ny Fanahiny mba hahavitana ny asa. Raha Jesosy nanakaiky an’ i Jerosalema notronin’ ny vahoaka marobe feno haravoana nanao horakoram-pandresena sy nanofahofa sampan-drofia, izay niarahaba Azy ho Zanak’ i Davida, dia nangataka Azy hampangina azy ireo ny Fariseo feno fialonana; nefa novalin’ i Jesosy fa fahatanterahan’ ny faminaniana izany rehetra izany, ka raha hangina ireo, dia ny vato mihitsy no hiantsoantso. Natahotra ny vahoaka noho ny fandrahonan’ ny mpisorona sy ny mpanapaka, ka najanony ny antsoantsompifaliany raha niditra ny vavahadin’ i Jerosalema Izy; fa ny ankizy teo amin’ ny kianjan’ ny tempoly kosa avy eo dia nanohy ny hira, ka sady nanofahofa ny sampan-drofia no niantso hoe : «Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida!»1 Rehefa sorena ny Fariseo ka niteny taminy hoe : «Renao va izay lazain’ ireo?» dia novalin’ i Jesosy hoe : «Eny, tsy nbola novakinareo va ny teny manao hoe : «Avy amin’ ny vavan’ ny ankizy madinika sy ny zaza minono no nanamboaranao fiderana ?» Tahaka ny niasan’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny ankizy tamin’ ny fotoana niavian’ i Kristy voalohany, dia toy izany koa no niasany tamin’ ny alalan’ izy ireo mba hanambara ny hafatry ny fiaviany fanindroany. Tsy maintsy tanteraka ny tenin’ Andriamanitra, dia ny hitorina ny fiavian’ ny Mpamonjy amin’ ny olona rehetra, sy ny samy hafa fiteny ary ny firenena rehetra. HM 381.2

Nomena an’ i William Miller sy ireo mpiaramiasa taminy ny fitoriana ny hafatra fampitandremana tany Amerika. Nanjary foiben’ ilay fihetsehana lehibe momba ny fiavian’ i Kristy io tany io. Tany no tanteraka tamin’ ny fomba mivantana indrindra ny faminaniana momba ny hafatry ny anjely voalohany. Tonga hatrany an-tany lavitra ny asa soratr’ i Miller sy ireo niara-dia taminy. Na taiza na taiza toerana efa nidiran’ ny misionary nanerana an’ izao tontolo izao, dia nambara tany koa ny vaovao mahafaly momba ny fiverenan’ i Kristy vetivety. Niely hatraiza hatraiza ny hafatry ny filazantsara mandrakizay : «Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy; fa tonga ny andro fitsarany». HM 382.1

Nandaitra lalina tao an-tsain’ ny vahoaka ny fanambarana ireo faminaniana izay toa nanondro ny fiavian’ i Kristy ho amin’ ny lohataonan’ ny 1844. Raha nitety ireo fanjakana samihafa ny hafatra dia namohafoha fitiavan-kandre azy hatraiza hatraiza. Betsaka no resy lahatra fa marina ireo fonjan-kevitra momba ny fotoan’ andro ao amin’ ny faminaniana ary nanao sorona ny avonavon-kevitra tao aminy izy ka nandray ny fahamarinana tamim-pifaliana. Nisy mpitandrina sasany izay namela ny fomba fijery sy ny fihetseham-po nampisaratsaraka tao amin’ ny antokom-pivavahana nisy azy, ka nahafoy ny karamany sy ny fiangonany, ary niray tamin’ ny fitoriana ny fiavian’ i Jesosy. Ankavitsiana ihany anefa ireo mpitandrina izay nanaiky io hafatra io; koa dia nankinina indrindra tamin’ ny olontsotra (laika) feno fanetren-tena izany. Ny mpamboly nandao ny sahany, ny mpanao tao-zavatra ny fiasany, ny mpivarotra ny entany, ny olona niasa ho an’ ny tenany ny raharahany; nefa dia mbola vitsy ny isan’ ny mpiasa raha nampitahaina tamin’ ny asa tsy maintsy hatao. Nitambesatra tamin’ ny fanahin’ ireo tena mpiambina marina ny toetry ny fiangonana tsy manana ny toe-panahy araka an’ Andria-manitra sy ny an’ izao tontolo izao mitoetra ao amin’ ny faharatsiainpanahy ka an-tsitrapo no niaretany asa mafy. fihafiana sy fahoriana, mba hahazoany miantso olona ho amin’ ny fibebahana ho famonjena. Na dia notoherin’ i Satana aza ny asa dia nandroso hatrany, ary neken’ ny olona an’ arivony maro ny fahamarinana momba ny fiavian’ i Kristy. HM 382.2

Re hatraiza hatraiza ny teny vavolombelona nampifoha ny fieritreretana nanaitra ny mpanota na ireo teo amin’ izao tontolo izao na ny mambran’ ny fiangonana, mba handositra ny fahatezerana ho avy. Tahaka an’ i Jaona Mpanao batisa, ilay mpialoha lalana an’ i Kristy, dia napetrak’ ireo mpitoriteny teo am-pototry ny hazo ny famaky ka nampirisika ny rehetra hamoa voa mendrika ny fibebahana izy. Ireo antso manaitra nataony dia nifanohitra indrindra tamin’ ny fanomezan-toky fa misy fiadanana sy fandriam-pahalemana re avy amin’ ny polipitra nankamamian’ ny besinimaro; ary na taiza na taiza nitoriana ny hafatra, dia nanetsiketsika ny vahoaka izany. Ny fanambarana tsotra sy mivantana avy tao amin’ ny Soratra Masina, nampitoerin’ ny Fanahy Masina tao am-po, dia nitondra faharesendahatra mavesatra izay vitsy no afaka nanohitra izany tanteraka. Nisy mpampianatra ambony momba ny fivavahana izay nifoha tamin’ ny toky namitaka nisy azy. Hitany ny fihemorany, ny toetra araka izao tontolo izao niainany sy ny tsy finoany, ny fiavonavonany sy ny fitiavan-tenany. Betsaka no nitady ny Tompo tamin’ ny fibebahana sy ny fanetren-tena. Ny fitiavany izay niraikitra ela tamin’ ny zavatry ny tany dia nafantony tamin’ ny lanitra izao. Nipetraka taminy ny Fanahin’ Andriamanitra, ary fo nalefaka sy nilefitra no nentiny niray feo tamin’ ilay antso hoe : «Matahora an’ Andriamanitra, ka omeo voninahitra Izy ; fa tonga ny andro fitsarany». HM 383.1

Nanontany an-dranomaso ny mpanota nanao hoe : «Inona no hataoko mba hovonjena aho?» Ireo izay nivelona tamin’ ny tsy fahamarinana dia dodona namerina izay nalainy. Izay rehetra nahita fiadanana teo amin’ i Kristy dia naniry hahita ny hafa handray anjara tamin’ ny fitahiana. Nitodika ho amin’ ny zanany ny fon’ ny ray aman-dreny, ary ny fon’ ny zanaka ho amin’ ny ray aman-dreny. Afaka ny fefin’ ny avonavona sy ny fitokotokoana. Nisy fiaikenkeloka avy tao am-po, ary niasa mafy ireo olona iray ankohonana ho amin’ ny famonjena ny akaiky azy indrindra sy tiany indrindra. Matetika dia re ny feon’ ny fivavahana mafana. Hatraiza hatraiza dia nisy fanahy nitoloko mafy raha nitondra ny fifonany teo anatrehan’ Andriamanitra. Maro no nitolona nandritra ny alina tamin’ ny fivavahana mba hahazoany antoka fa voavela ny fahotany, na nivavaka ho an’ ny fiovam-pon’ ny havany na ny mpifanolobodirindrina taminy. HM 383.2

Nifanizina tany amin’ny fivoriana Advantista avokoa ny sarangan’ olona rehetra. Na ny mpanankarena na ny mahantra, na ny ambony na ny ambany, dia samy liana, noho ny antony samihafa handre ho an’ ny tenany ny fampianarana momba ny fiavian’ i Kristy fanin-droany. Nosakanan’ ny Tompo ny fanahin’ ny fanoherana raha mbola nanazava ny anton’ ny finoany ireo mpanompony. Narefo ny fitaovana indraindray; nefa nanome hery ny fahamarinany ny Fanahin’ Andriamanitra. Tsapa tao amin’ ireny fivoriana ireny ny fanatrehan’ ny anjely masina, ary maro no nanampy isa ny mpino isan’ andro. Rehefa naverimberina ny porofo mazava momba ny fiavian’ i Kristy tsy ho ela, dia vahoaka marobe no nihaino tamimpahanginana tanteraka ireo teny nahavelona eritreritra ny lanitra sy ny tany. Toa nifanatona ny lanitra sy ny tany. Tsapa teo amin’ ny antitra sy ny tanora ary ny lazondazony ny herin’ Andriamanitra. Raha nody tany an-tranony ny olona dia teo am-bavany ny fiderana ary nanakoako tao amin’ ny fahatonian’ ny alina ny feo fifaliana. Na iza na’ iza nanatrika ireny fivoriana ireny, dia tsy afaka hanadino ireo toe-javatra tena nahaliana tokoa niseho. HM 383.3

Ny fitoriana fotoana voafaritra tsara hiavian’ i Kristy dia niteraka fanoherana mafy avy tamin’ ny olona maro, avy tamin’ ny saranga rehetra, avy tamin’ ny mpitandrina teny amin’ ny polipitra ka hatramin’ ny mpanota mafy hatoka indrindra sahy nihantsy ny fahatezeran’ ny lanitra. Tanteraka ny tenin’ ny faminaniana manao hoe : «Fa amin’ ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira mandeha araka ny filany ka manao hoe : «Aiza ny teny fikasana ny amin’ ny fiaviany? Fa hatrizay nodian’ ny razana mandry dia maharitra tsy miova ny zavatra rehetra; eny hatramin’ ny nanaovana izao tontolo izao aza?»2Maro ireo nihainbo fa tia ny Mpamonjy, no nanambara fa tsy nanohitra mihitsy ny fampianarana ny amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany izy; fa izay toheriny dia ny amin’ ny fotoana voafaritra mazava ihany. Nefa ny mason’ Andriamanitra izay mahita ny zavatra rehetra dia namaky ny tao am-po. Tsy tiany ny handre ny momba ny fiavian’ i Kristy hitsara izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana. Mpanompo tsy nahatoky izy ireo, ary tsy nahatanty ny fandinihana akaiky nataon’ Ilay Andriamanitra mandinika ny fo sy ny asany, ka natahotra ny hihaona amin’ ny Tompo izy. Tahaka ireo Jiosy tamin’ ny andro niavian’ i Kristy voalohany, dia tsy voaomana handray an’ i Jesosy izy. Tsy nolaviny fotsiny ny hihaino ireo fonjan-kevitra mazava avy ao amin’ ny Baiboly, fa nozimbazimbainy koa ny olona niandry ny Tompo. Diboky ny hafaliana i Satana sy ny anjeliny, ka natorany teny amin’ ny tavan’ i Kristy sy ny anjely masina ny fanarabiana nilaza fa kely loatra ny fitiavany ny vahoaka misora-tena fa Azy hany ka tsy tiany ny fisehoany. HM 384.1

«Tsy misy olona mahalala na ny andro na ny ora», izay no fonjan-kevitra matetika indrindra naroson’ ireo mpanohitra ny finoana momba ny fiavian’ i Kristy. Izao no teny : «Fa ny amin’ izany andro sy ora izany dia tsy misy mahalala, na dia ny anjelin’ ny lanitra aza, afa-tsy ny Ray ihany» 3. Nisy fanazavana tsy misy alokaloka sady mirindra an’ io andininy io izay nomen’ ireo nanantena ny Tompo, ary voaseho mibaribary ny fampiasana diso nataon’ ireo mpanohitra azy ireo izany. Nolazain’ i Kristy ireo teny ireo tamin’ ilay resaka malaza nataony tamin’ ny mpianany teo amin’ ny tendrombohitra Oliva rehefa niala farany avy tao amin’ ny tempoly Izy. Nametraka izao fanontaniana izao ny mpianatra : «Inona no famantarana ny fiavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao?» Nolazain’ i Jesosy ireo famantarana ary hoy Izy : «Raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy». And. 33. Aoka tsy hoenti-manafoana ny teny anankiray nataon’ ny Mpamonjy ny teny hafa nambarany. Na tsy misy olona mahalala ny «andro» na ny «ora» hahatongavany aza, dia ampianarina isika ary angatahina hamantatra ny fotoana maha-akaiky izany. Ampahafantarina antsika koa fa raha tsy miraharaha ny fampitandremana nataony isika ka mandà na manao an-tsirambina ny hahalala ny fotoana maha-akaiky ny fiaviany dia hampidi-doza antsika izany tahaka ny tamin’ ireo velona tamin’ ny andron’ i Noa izay tsy nahalala ny fotoana niavian’ ny Safo-drano. Ny fanoharana ao amin’ io toko io ihany, dia mampifanohitra ny mpanompo mahatoky sy tsy mahatoky, ka manameloka ilay miteny anakampony hoe : «Maharitra da ny Tompo». Io fanoharana io ihany dia mampiseho ny fomba hijeren’ i Kristy sy hamaliany soa ireo izay hitany fa miambina, mampianatra momba ny fiaviany sy ireo izay mandà izany. «Koa amin’ izany, miambena», hoy Izy. «Sambatra izany mpanompo izany, raha avy ny Tompony ka hahita azy manao izany» Andininy 42, 46. «Koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fiavin’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako». Apokalypsy 3:3. HM 385.1

Paoly dia milaza ny antokon’ olona izay tsy ho vonona raha miseho ny Tompo. Avy toy ny mpangalatra amin’ ny alina ny andron’ ny Tompo. Raha misy olona manao hoe : «Miadana sy mandry fahizay, dia hanjo azy tampoka ny fandringanana, . . . ka tsy ho afa-mandositra mihitsy izy». Nefa izao no hanampiny ho an’ ireo izay mitandrina ny fananarana nataon’ ny Mpamonjy : «Fa ianareo, ry rahalahy, tsy ao amin’ ny maizina, mba hahatratra anareo toy ny mpangalatra izany andro izany. Fa ianareo rehetra dia zanaky ny mazava sy zanaky ny andro; tsy an’ ny alina na an’ ny maizina isika» 4 . HM 385.2

Koa dia voaseho amin’ izany, fa tsy manamarina ny olona izay mijanona eo amin’ ny tsy fahalalana ny fahakekezan’ ny fiavian’ i Kristy mihitsy ny Soratra Masina. Nefa ireo izay mitady fialan-tsiny fotsiny mba hitsipahany ny fahamarinana dia manentsin-tadiny tsy hihaino io fanazavana io, ary mampanakoako lalandava ny teny hoe : «Tsy misy mahalala na ny andro na ny ora», ny mpaniratsira sahisahy ary na dia ny mpitandrina misora-tena fa an’ i Kristy aza. Rehefa nifoha ny vahoaka ka nanomboka nanontany ny lalam-pamonjena, dia nitsangana nanelanelana azy sy ny fahamarinana ireo mpampianatra ara-pivavahana, nitady izay hampitony ny tahony tamin’ ny fandikana vilana ny tenin’ Andriamanitra. Niray tamin’ ny asan’ ilay mpamitaka lehibe ireo mpiambina tsy mahatoky ka niantso hoe : Fiadanana, fiadanana, nefa Andriamanitra tsy niteny fiadanana. Tahaka ireo Fariseo tamin’ ny andron’ i Kristy, dia maro no nandà tsy hiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, sady nisakana ireo izay hiditra ao. Hotakina amin’ izy ireo ny ran’ ireny fanahy ireny. HM 386.1

Matetika dia ny ambany indrindra sy ny tia vavaka indrindra tao amin’ ny fiangonana no voalohany nandray ny hafatra. Ireo izay nandinika ny Baiboly ho an’ ny tenany dia tsy afaka ny tsy hahita fa tsy araka ny Soratra Masina ny fomba fijerin’ ny besinimaro ny faminaniana; koa na taiza na taiza ny vahoaka no tsy voafehin’ ny hery miasa mangina avy amin’ ny mpitondra fivavahana, na taiza na taiza no nandinika ny tenin’ Andriamanitra ho an’ ny tenany izy, dia ampy ny nampitahana fotsiny tamin’ ny Soratra Masina ny fampia-narana momba ny fiavian’ i Kristy mba hampijoro ny maha-avy amin’ Andriamanitra azy. HM 386.2

Betsaka no nenjehin’ ireo rahalahy tsy nino. Mba hahazoany mitana ny toerany tao amin’ ny fiangonana, dia nisy nanaiky ny hangina mikasika ny fanantenany; ny hafa kosa anefa nahatsapa fa mandrara azy tsy hanafina toy izany ireo fahamarinana izay efa nankinin’ Andriamanitra taminy ny fijoroany ho mahatoky aminy. Tsy vitsy no naongan’ ny fiangonany ary tsy inona no an tony fa noho izy nanambara ny finoany ny fiavian’ i Kristy. Sarobidy loatra ho an’ ireo izay niaritra izany fitsapana izany ny tenin’ ny mpaminany hoe : «Hoy ny rahalahinareo izay mankahala anareo ka mandroaka anareo noho ny amin’ ny anarako : hampiseho ny voninahiny anie Jehovah, mba ho faly mahita ny fifalianareo izahay! Kanefa ireny ho menatra kosa» 5. HM 386.3

Liana dia liana tokoa ireo anjelin’ Andriamanitra niandry izay ho vokatry ny hafatra fampitandremana. Rehefa fandavana ankapobe ny hafatra no hita teo amin’ ny fiangonana, dia niverina tamin’ alahelo ny anjely. Maro anefa no tsy mbola voasedra momba ny fahamarinana mikasika ny fiavian’ i Kristy. Betsaka no voatanky ny lahy na ny vavy, na ny ray aman-dreny, na ny zanany ho amin’ ny lalan-diso ka nino fa fahotana na dia ny mihaino fotsiny ny «herezia» araka izay nampianarin’ ireo Advantista aza. Voabaiko ny anjely hiambina tsara ireo fanahy ireo, satria mbola hisy fahazavana hafa hamirapiratra eo aminy avy eo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra. Tamim-paniriana niredareda tokoa no niandrasan’ ireo izay nandray ny hafatra ny fiavian’ ny Mpamonjy. Efa akaiky ilay fotoana nantenainy hihaonana Aminy. Tamim-pahatoniana feno fanajana no nanatonany an’ io ora io. Nitoetra teo amin’ ny firaisana mamy tamin’ Andriamanitra izy, santatry ny fiadanana ho azy izany amin’ ny ho avy mamirapiratra. Tsy nisy izay nanandrana izany fanantenana sy toky izany ho afaka hanadino ireo ora sarobidy niandrasany. Nandritra ny herinandro vitsivitsy talohan’ ny fotoana, dia najanony ny ankabeazan’ ny asa aman-draharaha momba an’ izao fiainana izao. Ireo mpino marina dia nandinika akaiky ny eritreriny sy ny fihetseham-pony rehetra toy ny olona efa ambavahaona ary ora vitsy sisa tsy hikimpian’ ny masony tsy hahita intsony ny eto an-tany. Tsy nisy fanaovana «akanjo ho enti-miakatra» (Jereo Fanampiny) ; fa tsapan’ ny rehetra kosa ny nilany porofo anaty fa vonona ny hihaona amin’ ny Mpamonjy izy; ny fahadiovan’ ny fanahy, toetra amam-panahy voasasan’ ny fanavotan’ i Kristy, no fitafiany fotsy. Enga anie ka mbola hisy eo amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra io fandinihana lalina ny fo io, io finoana mafana sy vonombonona io. Raha notohizany toy izany ny fanetreny tena teo anatrehan’ ny Tompo ary nasesiny hatrany ny fangatahany teo amin’ ny rako-panavotana, dia ho nanana fanan-dramana sarobidy lavitra noho izay ananany ankehitriny izy. Kely loatra ny fivavahana atao, kely loatra ny tena fahatsapana ny mahampanota ary ny tsy fisian’ ny finoana velona dia hahatonga ny maro tsy hanana ny fahasoavana be dia be izay azon’ Ilay Mpanavotra omen a. HM 387.1

Nikasa hisedra ny vahoakany Andriamanitra. Nosaronan’ ny tanany ny fahadisoana mikasika ny fe-potoana ao amin’ ny faminaniana. Tsy hitan’ ireo Advantista ilay hadisoana, ary tsy hitan’ ireo manam-pahaizana indrindra tamin’ ny mpanohitra azy koa. Izao no nolazain-drizareo : «Marina ny fanazavanareo ireo fe-potoana ao amin’ ny faminaniana. Misy zava-dehibe madiva hitranga: fa tsy izay ambaran’ i Miller mialoha tsy akory: ny fiovampon’ izao tontolo izao izany, fa tsy ny fiavian’ i Kristy fanindroany» (Jereo Fanampiny). HM 387.2

Lasa ny fotoana niandrasana, nefa tsy niseho i Kristy hanafaka ny vahoakany. Tratrý ny fahadisoam-panantenana mangidy ireo izay niandry ny Mpamonjiny tamim-pinoana marina sy tamimpitiavana. Nefa tanteraka izay nokasain’ Andriamanitra; nisedra ny fon’ ireo izay nilaza ny tenany fa niandry ny fisehoany izy. Maro tamin’ ireo no tsy nentanin-javatra hafa afa-tsy ny tahotra ihany. Tsy nandaitra na tamin’ ny fony na tamin’ ny fiainany ny fanekeny ny finoana. Rehefa tsy tonga ny toe-javatra nandrasany, dia nilaza ireo olona ireo fa tsy diso fanantenana izy tsy akory ; tsy nino mihitsy izy fa ho avy i Kristy. Anisan’ ny voalohany nanaraby ny alahelon’ ireo mpino marina izy ireo. HM 388.1

Fa i Jesosy kosa sy ireo tafiky ny lanitra manontolo dia nijery tamim-pitiavana sy fangorahana ireo nosedraina sy nijanona ho mahatoky nefa diso fanantenana. Raha nakipaka ny efitra lamba mampisaraka izao tontolo izao hita maso sy ny tsy hita maso, dia ho hita ireo anjely nanatona akaiky ireo fanahy nijoro ka niaro azy tsy ho tratry ny zana-tsipikan’ i Satana. HM 388.2