Ilay Fitiavana Mandresy
Toko 17—Nikodemosy
Nitana toeram-pitokisana ambony tao amin’ ny firenena Jiosy i Nikodemosy. Nahita fianarana ambony izy, nanan-talenta tsy fahita firy, sady mambra henin-kaja tao amin’ ny filan-kevi-pirenena. Tahaka ny hafa koa dia voakitikitiky ny fampianaran’ i Jesosy izy. Na dia nanan-karena sy nahita fianarana ary be voninahitra aza izy, dia nahasarika azy tamin’ ny fomba hafahafa ilay Nazareana tsotra. Latsaka lalina tao am-pony ireo lesona avy amin’ ny molotry ny Mpamonjy, ka naniry ny hahalala bebe kokoa ny momba ireo fahamarinana mahagaga izy. IFM 163.1
Ny fampiasan’ i Kristy ny fahefany tamin’ Izy nanadio ny tempoly dia namohafoha fankahalana hentitra avy amin’ ireo mpisorona sy ireo mpanapaka. Nampatahotra azy ireo ny fahefan’ ity vahiny ity. Tsy azo leferina ny fahasahiana toy izany avy amin’ ity Galiliana tsy dia fantatra loatra ity. Nikaon-doha ry zareo ny amin’ izay hahatapaka tarangana ny asany. Nefa tsy niray hevitra tamin’ izany fikasana izany ny rehetra. Nisy natahotra ny hanohitra izay hita mazava fa nohetsehin’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Tsaroany ny namonoana ny mpaminany izay niampanga ny fahotan’ ny mpitarika tao amin’ Isiraely. Fantany fa vokatry ny fikiribibiana hitsipaka ireo fanomezan-tsiny avy amin’ Andriamanitra ny fanandevozan’ ny firenena jentilisa ny Jiosy. Natahotra izy ireo sao manaraka ny dian’ ireo razany ny mpisorona sy ny mpanapaka raha mioko hamely an’ i Jesosy, ka hitarika antambo vaovao indray amin’ ny firenena. Niray saina tamin’ ireo i Nikodemosy. Tamin’ ny fivorian’ ny Synedriona, rehefa nodinihina izay tokony hatao ny amin’ i Jesosy, dia nanoro- hevitra i Nikodemosy ny hitandremana sy ny hitonena. Nanantitrantitra izy fa raha tena manana fahefana avy amin’ Andriamanitra Jesosy, dia hampidi-doza ny mitsipaka ny fananarany. Tsy sahy nanao tsinontsinona io toro-hevitra io ny mpisorona, ka tamin’ izany fotoana izany dia tsy nisy fanapahan-kevitra mivantana noraisiny hanoherana ny Mpamonjy. IFM 163.2
Hatramin’ ny nandrenesany an’ i Jesosy, dia nianatra fatratra tamim-pangitakitahana ireo faminaniana mikasika ny Mesia i Nikodemosy ; ary arakaraka ny nandinihany, dia arakaraka izany koa no naharesy lahatra azy fa Izy no Ilay ho avy. Toy ireo olonkafa maro tao amin’ Isiraely dia nampalahelo azy mafy tokoa ny fametavetana ny tempoly. Vavolombelon’ ny toe-javatra nitranga izy raha nandroaka ny mpivarotra sy ny mpividy tao amin’ ny tempoly Jesosy ; nahita ny fanehoana mahagaga ny herin’ Andriamanitra izy ; nahita ny Mpamonjy nandray ny mahantra sy nahasitrana ny marary izy ; nahita ny fijerin’ izy ireo nitory hafaliana sy nandre ny teny fiderana nataon’ izy ireo izy, ka tsy afaka nisalasala fa Jesosy avy any Nazareta no Ilay nirahin’ Andriamanitra. IFM 164.1
Naniry indrindra ny hiresaka amin’ i Jesosy izy, nefa natahotra ny hitady Azy ampahibemaso. Ho fanetren-tena be loatra ho an’ ny mpanapaka teo amin’ ny Jiosy ny hitsotra fa miray fo amin’ ny mpampianatra mbola ambany laza toy izao. Ary raha ren’ ny Synedriona ny nanatonany an’ i Jesosy, dia hahatonga fanesoesoana sy fanamelohana azy izany. Nanapa-kevitra izy fa hanatona an’ i Jesosy mangingina, ary ho fanamarinana izany fihetsika izany dia nataony hoe : raha mankany amin’ i Jesosy ampahibemaso izy, dia hanaraka ny ohatra nomeny koa ny hafa. Rehefa fantany ny toerana fitokanan’ ny Mpamonjy teo amin’ ny tendrombohitra Oliva, tamin’ ny alalan’ ny fanadihadiana manokana nataony, dia nandrasany ho renoky ny torimaso ny tanàna, dia lasa nitady Azy izy. IFM 164.2
Raha teo anatrehan’ i Kristy i Nikodemosy dia menamenatra hafahafa, ka niezahany nafenina izany tamin’ ny fihetsika tony sy mendrika haja : «Raby o, hoy izy, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Hianao ; fa tsy misy olona mahay izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy»1 Nanantena izy fa raha miteny ny amin’ ireo fahaizana manokana dia manokana teo amin’ i Kristy amin’ ny maha-mpampianatra Azy, sy miteny ny amin’ ny fahefany mahatalanjona hanao fahagagana, dia hanamboamboatra ny lalana hahatsara.ny resany. Nokasainy haneho fitokisana an’ i Jesosy ireo teny nataony; kanjo tena tsy finoana no nasehon’ izany raha ny tena marina. Tsy nekeny ho Mesia Jesosy fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra fotsiny. IFM 164.3
Tsy nanaiky io fiarahabana io Jesosy, fa nampifantoka ny masony tamin’ ilay niteny izany Izy, toy ny nahafantatra izay tao amin’ ny fanahiny mihitsy. Noho ny fahendreny tsy misy fetra dia olona mikatsaka ny fahamarinana no hitany teo anatrehany. Fantany ny anton’ ny nitadiavany Azy, ary naniry ny handatsaka lalindalina kokoa ny faharesen-dahatra efa tao an-tsain’ ilay nihaino Azy Izy, ka ny tena izy avy hatrany no nolazainy tamin’ ny fomba manetriketrika nefa tamim-pahalemem-panahy : «Lazaiko aminao marina dia marina tokoa fa raha tsy ateraka avy any ambony ny olona, dia tsy afaka mahita ny fanjakan’ Andriamanitra». IFM 165.1
Nanatona ny Tompo i Nikodemosy mba hiady hevitra Aminy, nefa nasehon’ i Jesosy nihanjahanja ireo foto-kevitry ny fahamarinana. Hoy Izy tamin’ i Nikodemosy : tsy fahalalana ara-tsaina no ilainao mihoatra noho ny fanavaozana ara-panahy. Tsy ilainao ny hahafa-po ny fitiavanao hahalala zavatra, fa ny hanana fo vaovao no ilainao. Tsy maintsy mandray fiainam-baovao avy any ambony ianao, alohan’ ny hahazoanao mankasitraka ny zavatra any an-danitra. Mandra-pahavitan’ io fanovana io, izay hahatonga ny zavatra rehetra ho vaovao, dia tsy hitondra voka-tsoa ho anao ny hiady hevitra Amiko ny amin’ ny fahefako na ny momba ny asa nanirahana Ahy. IFM 165.2
Efa ren’ i Nikodemosy ny toritenin’ i Jaona Mpanao Batisa momba ny fibebahana sy ny batisa, sy ny nanondroany tamin’ ny vahoaka Ilay hanao batisa amin’ ny Fanahy Masina. Ny tenany mihitsy no nahatsapa fa banga ny ara-panahy teo amin’ ny Jiosy; fa ny fisehoana ho tia vavaka sy ny hambom-po araka izao tontolo izao no nifehy betsaka azy ireo. Nanantena izy fa ho tsara kokoa ny toe-javatra tamin’ ny fiavian’ ny Mesia. Nefa ny hafatra nampihetsi-po nentin’ i Jaona Mpanao Batisa dia tsy afaka niasa tao aminy hampihaiky azy ny fahotany. Fariseo hiringiriny izy, sady nirehareha tamin’ ny asa tsara nataony. Nankasitrahana tokoa izy noho ny hatsaram-panahiny sy ny fahalahan-tanany tamin’ ny fanohanany ny asa fanompoana tao amin’ ny tempoly, ary nahazo toky izy fa ankasitrahan’ Andriamanitra. Nanaitra azy ny filazana fa misy fanjakana madio indrindra ka tsy ho hitany amin’ izao toetrany izao. IFM 165.3
Ny sarin’ ny fahateraham-baovao, izay nampiasain’ i Jesosy, dia tsy hoe vaovao ho an’ i Nikodemosy akory. Ny Jentilisa niova fo ka nandray ny finoan’ ny Isiraely dia nampitahaina matetika tamin’ ny zaza vao teraka. Noho izany dia tsy maintsy azony tsara ny tenin’ i Kristy fa tsy ekeny horaisina ara-bakiteny. Nefa noho izy Isiraelita ara-pirazanana dia noheveriny fa azo antoka ny toerana ho azy ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsapany fa tsy mila fiovana izy. Ary izany no nahataitra azy tamin’ ny tenin’ ny Mpamonjy. Nahasosotra azy ny fampiharana izany akaiky tamin’ ny tenany. Niady tamin’ ny faniriana marina hikatsaka ny fahamarinana ny avonavon’ ny Fariseo. Nahagaga azy ny nitenenan’ i Kristy azy tamin’ izany fomba izany, izay tsy nisy fanajana ny toerany amin’ ny mahampanapaka azy ao amin’ Isiraely. IFM 165.4
Voan’ ny tampoka izy teto ka tsy nahafehy ny tenany, ary namaly an’ i Kristy tamin’ ny teny feno fanesoesoana hoe : «Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany ?» Tahaka ny olona maro hafa, rehefa misy fahamarinana mazava tonga ao amin’ ny feon’ ny fieritreretany, dia nasehony koa fa tsy mandray ny zavatra araka ny Fanahin’ Andriamanitra ny olona ara-nofo. Tsy misy na inona na inona ao aminy izay mifandray amin’ ny zavatra ara-panahy ; satria ny ara-panahy no mahay manavaka ny zavatra ara-panahy. IFM 166.1
Nefa tsy notsenain’ ny Mpamonjy tamin’ ny adi-hevitra ny adi-hevitra. Natsangany tamin’ ny fomba manetriketrika, tony sy mendrika ny tanany, dia nantitranteriny tamin’ ny toky bebe kokoa ny fahamarinana : «Lazaiko aminao marina dia marina tokoa, raha tsy ateraky ny rano sy ny fanahy ny olona, dia tsy mahazo miditra ny fanjakan’ Andriamanitra». Fantatr’ i Nikodemosy tsara fa ny manitra no nambaran’ i Kristy. Resy lahatra izy fa manoloana azy izao Ilay nolazain’ i Jaona Mpanao batisa mialoha. IFM 166.2
Notohizan’ i Jesosy hoe : «Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy». Amin’ ny ara-nofo dia ratsy ny fo ary «aiza no misy madio ateraky ny tsy madio ? Tsy misy na dia iray akory aza»2 Tsy misy zavatra azon’ ny olombelona foronina izay ho fanafodin’ ny fanahy manota. «Fandrafiana an’ Andriamanitra ny hevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra izy, sady tsy hainy akory izany». «Fa avy amin’ ny fo no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny vonoan’ olona, ny fakam-badin’ olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy»3 Tsy maintsy diovina ny loharanon’ ny fo izay vao hadio ny rano mikoriana avy ao. Izay miezaka ny hahatratra ny lanitra amin’ ny asan’ ny tenany amin’ ny fitandremana ny lalàna, dia manandrana zavatra tsy ho vita. Tsy misy antoka ho an’ ny olona izay mivavaka araka ny lalàna fotsiny, izay endriky ny toe-panahy araka an’ Andria-manitra. Ny fiainana kristiana dia tsy fanamboarana na fanatsarana ny teo aloha, fa fanavaozana azy. Misy fahafatesana amin’ ny tena sy amin’ ny fahotana, ary fiainam-baovao miaraka amin’ izany. Tsy misy afa-tsy ny asa mahomby ataon’ ny Fanahy Masina ihany no mahatanteraka io fanovana io. IFM 166.3
Mbola very hevitra i Nikodemosy ka nampiasain’ i Jesosy ny sary momba ny rivotra hanazavany ny tiany holazaina : «Ny rivotra mitsoka amin’ izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy». IFM 167.1
Re eny amin’ ny rantsan-kazo ny fitsoky ny rivotra, mikasaosaoka eny amin’ ny ravinkazo sy ny voninkazo ; nefa tsy hita maso izy, ary tsy misy olona mahalala izay niaviany, na izay alehany. Toy izany koa ny asan’ ny Fanahy Masina eo amin’ ny fo. Tsy azo hazavaina toy ny fandehan’ ny rivotra izany. Mety tsy ho azon’ ny olona holazaina ny fotoana marina na ny toerana niovany fo. na tsy azony atao ny hanoritra ny antsipiriany momba izany ; nefa tsy milaza akory izany fa tsy niova fo izy. Amin’ ny alalan’ ny fiasana tsy hita maso tahaka ny rivotra no iasan’ i Kristy tsy miato eo amin’ ny fo. Tsikelikely eny, ary angamba tsy tsapan’ ilay mandray izany akory, dia misy hevitra tafiditra ao am-po izay mitarika ny fanahy ho eo amin’ i Kristy. Mety ho azo izany amin’ ny fieritreretana momba Azy, amin’ ny famakiana ny Soratra Masina, avy amin’ ny fihainoana ny teny avy amin’ ny mpitoriteny. Ary amin’ ny tsy ampoizina, rehefa misy antso mivantana kokoa avy amin’ ny Fanahy, dia milefitra amirnpifaliana amin’ i Jesosy ny fanahy. Lazain’ ny maro fa fiovam-po tampoka izany ; nefa vokatry ny fitarainana maharitra nataon’ ny Fanahin’ Andriamanitra, izay nitaky asa maharitra feno faharetana. IFM 167.2
Tsy hita ny rivotra, nefa misy vokany hita maso sy tsapan’ ny tanana. Toy izany koa, ny asan’ ny Fanahy eo amin’ ny fanahy dia hiseho eo amin’ ny fihetsika rehetran’ izay mahatsapa ny heriny mahavonjy. Rehefa mambabo ny fo ny Fanahy Masina dia manova ny fiainana. Avela ny eritreritra feno fahotana, afoy ny asa ratsy ; ny fitiavana, ny fanetren-tena, ny fiadanana no mandray ny toeran’ ny fahatezerana, ny fitsiriritana sy ny ady lahy. Mandray ny toeran’ ny alahelo ny fifaliana, ka mitaratra ny fahazavan’ ny lanitra ny endrika. Tsy misy mahita ny tanana ilay manala ny enta-mavesatra, na mibanjina ny fahazavana midina avy amin’ ny lapa any ambony. Tonga ny fitahiana rehefa milefitra amin’ ny finoana eo amin’ Andriamanitra ny fanahy. Amin’ izay dia mamorona olom-baovao araka ny endrik’ Andriamanitra ilay hery izay tsy azon’ ny mason’ ny olombelona jerena. IFM 167.3
Tsy mety ho azon’ ny saina voafetra atao ny mahazo ny asan’ ny fanavotana. Mihoatra ny fahalalan’ ny olombelona ny zava-miafina raketiny ; nefa izay miala amin’ ny fahafatesana ka tonga amin’ ny fiainana dia manaiky fa zava-misy avy amin’ Andriamanitra izany. Mety ho fantatsika eto ny fiantombohan’ ny fanavotana amin’ ny alalan’ ny fanandramana ataon’ ny tena. Mahatratra ny taona mifandimby mandrakizay ny vokatr’ izany. IFM 168.1
Raha niteny Jesosy dia nisy tara-pahazavan’ ny fahamarinana sasany niditra tao an-tsain’ ilay mpanapaka. Latsaka lalina tao am-pony ny hery miasa mangina avy amin’ ny Fanahy Masina manalefaka sy mampilefitra. Nefa mbola tsy azony mazava ny tenin’ ny Mpamonjy. Tsy nanaitra azy araka izay tokony ho izy ny ilàna ny fahateraham-baovao noho ny fomba ahatanteraka izany. Hoy izy gaga : «Ahoana no ahatanteraka izany zavatra izany ?» IFM 168.2
«Mpampianatra ny Isiraely hianao kanefa tsy mahalala izany zavatra izany ?» hoy Jesosy nanontany. Azo antoka fa olona nametrahana ny fampianarana ny vahoaka eo amin’ ny ara-pivavahana toa anao dia tsy tokony tsy hahalala fahamarinana lehibe toy izany. Ny teniny dia nilaza fa tsy tokony hahasosotra an’ i Nikodemosy ny filazana tsotra ny fahamarinana, fa tokony hahafantatra amim-panetren-tena ny momba ny tenany izy noho ny tsy fahaizany eo amin’ ny ara-panahy. Nefa nanetriketrika indrindra ny fomba fitenin’ i Kristy ary na ny fijeriny na ny feony dia naneho fitiavana mafana indrindra, ka tsy nanafintohina an’ i Nikodemosy ny nahatsapa ny toerana tena mampietry nisy azy. IFM 168.3
Nefa rehefa nohazavain’ i Jesosy fa ny asa nanirahana Azy teto an-tany dia ny hanangana fanjakana ara-panahy, fa tsy ara-nofo, dia voatohina ilay mpihaino Azy. Rehefa nahita izany Jesosy dia nanampy hoe : «Raha ny zavatra ety an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?» Raha tsy azon’ i Nikodemosy atao ny nandray ny fámpianaran’ i Kristy manazava ny asan’ ny fahasoavana eo amin’ ny fo, ahoana no ahazoany ny toetry ny fanjakany be voninahitra any an-danitra ? Raha tsy tsapany ny toetry ny asan’ i Kristy eto an-tany, dia tsy mety ho azony ny asany any an-danitra. IFM 168.4
Ireo Jiosy noroahin’ i Jesosy avy tao amin’ ny tempoly, dia nihambo ho zanak’ i Abrahama, nefa nandositra tsy ho eo anatrehan’ ny Mpamonjy noho izy ireo tsy nahazaka ny voninahitr’ Andriamanitra izay niseho teo Aminy. Tamin’ izay dia nasehony mazava fa tsy mendrika ny fahasoavan’ Andriamanitra izy ireo ka handray anjara amin’ ny fanompoana masina ao amin’ ny tempoly. Nafana fo izy hitana ny endriky ny fahamasinana, nefa nanao an-tsirambina ny fahamasinan’ ny fo. Mpiady hevitra be kiry momba ny soratry ny lalàna izy, nefa nandika lalandava ny tena heriny. Ny zavatra tena nilainy dia ny fiovana marina izay nohazavain’ i Kristy tamin’ i Nikodemosy, — dia fahateraham-baovao ara-panahy, fanadiovana amin’ ny fahotana, ary fanavaozana ny fahalalana sy ny fahamasinana. IFM 169.1
Tsy nisy fialan-tsiny teo amin’ ny fahajamban’ ny Isiraely mikasika ny asa fanavaozana. Isaia dia nanoratra teo ambanin’ ny tsindrimandrin’ ny Fanahy Masina : «Fa samy efa tahaka ny olomaloto izahay rehetra, ary tahaka ny lamba mihosin-dra ny fahamarinanay rehetra». Davida dia nivavaka hoe : «Amoròny fo madio aho Andriamanitra ô ; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko»4 Ary tamin’ ny alalan’ i Ezekiela no nomena ny teny fikasana hoe : «Ary homeko fo vaovao hianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin’ ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo hianareo. Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko»5 IFM 169.2
Efa novakian’ i Nikodemosy jreo teny ireo, fa saingy maizina ny sainy, ankehitriny kosa dia manomboka mahazo ny hevitr’ izany izy. Hitany fa ny fankatoavana hentitra indrindra ny soratry ny lalàna fotsiny raha ampiharina amin’ ny fiainana miseho eo ivelany, dia tsy hanome alalana ho an’ ny olona na iza na iza hiditra ao amin’ ny fanjakan’ ny lanitra. Raha ny fanombantombanan’ ny olona dia marina sy mendri-kaja ny fiainany ; nefa eo anatrehan’ i Kristy dia tsapany fa tsy madio ny fony ary tsy masina ny fiainany. IFM 169.3
Voataona ho eo amin’ i Kristy i Nikodemosy. Raha. nanazava taminy ny momba ny fahateraham-baovao ny Mpamonjy, dia naniry mafy indrindra izy ny mba hananany izany fanovana izany ho tanteraka eo amin’ ny tenany. Fomba ahoana no hahavitana izany ? Novalian’ i Jesosy io famantarana tsy niloaka io : «Tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay». IFM 169.4
Lafin-javatra nahazatra an’ i Nikodemosy io. Nampahazava taminy ny asa nanirahana ny Mpamonjy ny tandindon’ ny menarana nasandratra. Raha teo ambavahaona ny vahoakan’ Isiraely noho ny kaikitry ny menarana afo, dia nobaikoin’ Andriamanitra i Mosesy mba hanao menarana varahina ka hametraka izany amin’ ny toerana avo eo afovoan’ ny olona. Dia nampandrenesina eran’ ny toby rehetra ny teny milaza fa izay rehetra mijery ny menarana dia ho velona. Fantatry ny vahoaka tsara fa tsy nisy hery hanampy azy ireo tao amin’ ny menarana. Tandindon’ i Kristy io. Tahaka ny nanandratana ilay sary natao ho fanasitranana ho azy ireo araka ny endrik’ ireo menarana nahafaty, dia toy izany koa Ilay Anankiray «naka ny endriky ny nofo ota»6 no ho Mpanavotra azy ireo. Betsaka ireo Isiraelita no nihevitra ny fanompoam-pivavahana fanatitra ho nanana hery hanafaka azy amin’ ny fahotana. Tian’ Andriamanitra ny mampianatra azy ireo fa io dia tsy nisy tombam-bidiny nihoatra noho ny menarana varahina. Natao hitarika ny sain’ izy ireo ho amin’ ny Mpamonjy ireny. Tsy afaka manao na inona na inona ho an’ ny tenany ireny, na ho fanasitranana ny ratrany, na ho famelana ny fahotany, fa mba hahazoany maneho ny finoany an’ Ilay Fanomezan’ Andriamanitra. Tokony hijery izy ireo mba ho velona. IFM 170.1
Ireo izay voakaikitry ny menarana dia mety ho nangatak’ andro hijery. Mety nametraka fanontaniana izy ny amin’ izay ho fahombiazan’ io tandindona varahina io. Mety ho nangataka fanazavana ara-tsiansa izy. Nefa tsy nisy fanazavana nomena. Tsy maintsy nanaiky ny teny nataon’ Andriamanitra azy ireo tamin’ ny alalan’ i Mosesy izy ireo. Ny fandavana hijery, dia fahafatesana. IFM 170.2
Tsy ny fifamaliana sy ny adi-hevitra no manazava ny fanahy. Tsy maintsy mijery isika dia ho velona. Noraisin’ i Nikodemosy ny lesona, ka nentiny ho azy. Nandinika ny Soratra Masina tamin’ ny fomba vaovao izy, tsy hoenti-mifamaly momba ny hevitra iray, fa mba handraisana fiainana ho an’ ny fanahy. Nanomboka nahita ny fanjakan’ ny lanitra izy, raha nampilefitra ny tenany hotarihin’ ny Fanahy Masina. Misy an’ arivony ankehitriny no mila ny hianatra ny fahamarinana izay nampianarina an’ i Nikodemosy tamin’ ny alalan’ ilay menarana nasandratra. Miankina amin’ ny fankatoavany ny lalàn’ Andriamanitra izy ireo mba hahazoany sitraka Aminy. Rehefa baikoina izy ireo hijery an’ i Jesosy ka hino fa amin’ ny alalan’ ny fahasoavany irery ihany no hamonjeny azy ireo, dia miteny izy ireo hoe : «Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany ?» IFM 170.3
Tahaka an’ i Nikodemosy, dia tsy maintsy manam-pinoana hiditra eo amin’ ny fiainana isika araka ny fomba mitovy amin’ ny nataon’ ny lohan’ ny mpanota (Jao. 3 : 16 ; 1 Tim. 1 : 15). Afa-tsy Kristy, dia «tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena»7 Amin’ ny alalan’ ny finoana no andraisantsika ny fahasoavan’ Andriamanitra; tsy ny finoana anefa no Mpamonjy antsika. Tsy mahazo na inona na inona izany. Tanana izay hamikirantsika an’ i Kristy izany, ka handraisantsika ho an’ ny tenantsika ny fahamendrehany, ho fanafodin’ ny fahotana. Tsy azontsika atao akory aza ny mibebaka raha tsy noho ny fanampian’ ny Fanahin’ Andriamanitra. Hoy ny Soratra Masina momba an’ i Kristy : «Izay nasandratry ny tànana ankavanan’ Andriamanitra ho Tompo sy Mpamonjy hanome fibebahana sy famelan-keloka ho an’ ny Isiraely»8 Avyamin’ i Kristy tahaka ny maha-avy Aminy ny marina, ny famelan-keloka sy ny fibebahana. IFM 171.1
Ahoana ary no hahavoavonjy antsika? — «Tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra», no nanandratana koa ny Zanak’ olona, ary izay rehetra voafitaka sy voakaikitry ny menarana, ka afaka mijery dia ho velona. «Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao»9 Ny fahazavana mamirapiratra avy amin’ ny hazo fijaliana dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny fitiavany no mitaona antsika ho eo Aminy. Raha tsy manohitra io fitaomana io isika dia ho voatarika eo am-pototry ny hazo fijaliana, hibebaka noho ireo fahotana izay nanombo ny Mpamonjy teo amin’ ny hazo fijaliana. Amin’ izay dia mahatonga aina vaovao ao amin’ ny fanahy ny Fanahin’ Andriamanitra amin’ ny alalan’ ny finoana. Voababo hankatò ny sitrapon’ i Kristy ny fisainana sy ny faniriana. Voaforona indray ny fo, ny saina ho araka ny endrik’ Ilay miasa ao anatintsika mba hampanaiky ny zavatra rehetra ho Azy. Amin’ izay dia voasoratra ao an-tsaina sy ao am-po ny lalàn’ Andriamanitra, ary azontsika atao ny miteny miaraka amin’ i Kristy hoe : «Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ò no sitrako» 10 IFM 171.2
Tamin’ ny resaka nataony tamin’ i Nikodemosy, dia novelarin’ i Jesosy ny drafitry ny famonjena, sy ny asa nanirahana Azy teto amin’ izao tontolo izao. Tsy nisy resaka nataony tatý aoriana izay nanazavany tamin’ ny fomba feno, tamin’ ny antsipiriany toy izany, ny asa ilaina atao ao am-pon’ izay rehetra handova ny fanjakan’ ny lanitra. Tamin’ ny fiantombohan’ ny asany indrindra dia novelariny tamin’ ny mambran’ ny Synedriona iray ny fahamarinana, tamin’ ny saina vonon-kandray, sy tamin’ ny mpampianatra voatendry tao amin’ ny vahoaka. Nefa tsy nandray ny fahazavana ireo mpitarika tao amin’ ny Isiraely. Nafenin’ i Nikodemosy tao am-pony ny fahamarinana, ary nandritra ny telo taona dia toa kely ny vokatra hita. IFM 172.1
Nefa fantatr’ i Jesosy ny tany izay nandatsahany voa. Ny teny izay nolazaina tamin’ ny alina tamin’ ny mpihaino iray tao amin’ ny tendrombohitra mangina dia tsy very tsy akory. Nisy fotoana izay tsy naneken’ i Nikodemosy am-pahibemaso an’ i Kristy, nefa dia niaro ny ainy izy, ary nandanjalanja ny fampianarany. Tao amin’ ny Synedriona dia imbetsaka no nahodiny ny fikasan’ ny mpisorona hamono an’ i Jesosy. Nony farany, rehefa nasandratra teo amin’ ny hazo fijaliana Jesosy, dia tsaroan’ i Nikodemosy ny fampianarana teo amin’ ny tendrombohitra Oliva : «Tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra, no tsy maintsy hanandratana koa ny Zanak’ olona; mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay». Ny fahazavana avy tao amin’ io resaka mangina io dia manazava ny hazo fijaliana teo Kalvary, ary mahita ny Mpanavotra an’ izao tontolo izao teo amin’ i Jesosy i Nikodemosy. IFM 172.2
Rehefa niakatra ho any an-danitra ny Tompo, rehefa niparitaka noho ny fanenjehana ny mpianatra, dia nankeo an-tanim-piadiana tamin-kasahiana i Nikodemosy. Nampiasa ny harenany izy mba hanohanana ilay fiangonana vao teraka izay nokasain’ ny Jiosy hopotehina tamin’ ny nahafatesan’ i Kristy. Tamin’ ny fotoana nisian’ ny loza dia nijoro toy ny harambato ilay nisalasala sy be fanontaniana, nampahery ny finoan’ ny mpianatra, sy nanome izay ilaina hampandrosoana ny asan’ ny filazantsara. IFM 172.3
Nesoesoina sy nenjehin’ ireo izay nanaja azy tamin’ ny andro hafa izy. Nanjary nahantra tamin’ ny haren’ izao tontolo izao izy; nefa tsy nihozongozona ny finoana izay nanomboka tamin’ ilay resaka natao indray alina tamin’ i Jesosy. IFM 173.1
Notantarain’ i Nikodemosy tamin’ i Jaona izany resaka izany, ary tamin’ ny alalan’ ny diam-peniny dia voatahiry ho fampianarana ny olona an-tapitrisany izany. Ireo fahamarinana ampianarina ao dia manan-danja ankehitriny tahaka ny tamin’ ilay alina miezinezina teo amin’ ny tendrombohitra rakotr’ aloka, fony nanatona ilay mpanapaka Jiosy hianatra ny lalàn’ ny fiainana avy amin’ Ilay Mpampianatra Galiliana tso-dahy. IFM 173.2