Ilay Fitiavana Mandresy

86/88

Toko 85—Teo amoron-dranomasina indray

Nikasa ny hihaona amin’ ny mpianany avy any Galilia Jesosy : koa fotoana fohy taorian’ ny herinandron’ ny Paska, dia nizotra nankany izy ireo. Nety ho noraisina ho tsy firaharahana na fiheverandiso raha tsy tao Jerosalema izy ireo nandritra ny andro firavoravoana, noho izany dia nijanona izy mandra-pifaran’ izany ; rehefa tapitra izany dia faly izy nitodi-doha ho any an-tokantranony hihaona amin’ ny Mpamonjy araka ny baikony 1. IFM 867.1

Fito ny mpianatra no niaraka. Nitafy ny akanjo tsotsotra amin’ ny maha-mpanarato azy izy. mahantra izy raha ny haren’ izao tontolo izao, nefa nanan-karena raha ny fahalalana ny fahamarinana sy ny fanarahana izany, harena izay manome azy ny toerana ambony indrindra amin’ ny maha-mpampianatra azy raha eo imason’ ny lanitra. Tsy nianatra tany amin’ ny sekolin’ ny mpaminany izy. nefa nandritra ny telo taona kosa, ny mpanabe lehibe indrindra izay fantatr’ izao tontolo izao no nampianatra azy. Noho ny fitaizany dia nanjary mpiasa ambony marani-tsaina sy voavoatra izy ireo izay ahazoana mitarika ny olona hanana fahalalana ny fahamarinana. IFM 867.2

Betsaka tamin’ ny fotoana nanompoan’ i Kristy no lany teo amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia. Raha nivory teo amin’ ny toerana iray izay tokony tsy hisy hanelingelina azy izy ireo, dia indro fa nohodidinin’ ny fahatsiarovana an’ i Jesosy sy ny asany lehibe. Teo amin’ io ranomasina io no nandehanan’ i Jesosy tamin’ ny onjan-dranomasina mba hamonjy azy, raha feno horohoro ny fony. ka nifofo- fofo hamono azy ny tafio-drivotra. Io taza-maso io ilay moron-drano namahanana olona iray alina mahery tamin’ ny alalan’ ny mofo kely sy hazandrano vitsy. Tsy lavitra teo Kapernaomy, sehatry ny fahagagana maro. Raha nijery izany toerana izany izy. dia feno ny teny sy ny asan’ ny Mpamonjy ny sainy. IFM 867.3

Tsara ny andro iny hariva iny, koa nanoso-kevitra handeha ho eny an-dranomasina ka hanipy ny haratony i Petera izay mbola nankamamy toy ny hatry ny ela ny mandeha sambo sy ny manarato. Nivonona ho amin’ izany fikasana izany izy rehetra ; nila haninkohanina sy fitafiana izy, izay ho azony raha mahomby ny fanaratoana amin’ ny alina. Navoakany ary ny sambokeliny, tsy nahazo na inona na inona anefa izy. Niasa mafy izy nandritra ny alina manontolo nefa tsy nisy vokany. Nandritra ireo ora nahasasatra ireo dia niresaka ny amin’ ny Tompony tsy eo izy, ary nahatsiaro ireo toe-javatra mahagaga natrehiny maso raha nanao asa fanompoana teo amoron’ ny ranomasina Izy. Nanontany tena ny amin’ ny ho aviny izy, ka nihamaloka nibanjina izay teo alohany. IFM 868.1

Nandritra izany fotoana rehetra izany dia nisy mpitazana manirery teo amoron-drano nanara-maso, nefa Izy tenany tsy hita. Nony farany dia nanambisamby ny maraina. Akaikin’ ny moron-drano no nisy ny sambokely, ka hitan’ ny mpianatra vahiny iray nijoro teo amoron-drano izay niantsy azy ka nanontany hoe : «Anaka, manan-kanina va hianareo?» Rehefa namaly hoe: «Tsia» izy, dia hoy Izy taminy : «Alatsaho eo amin’ ny sisiny ankavanan’ ny sambokely ny haratonareo. dia hahazo hianareo. Koa dia nalatsany izany ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ ny hazandrano». IFM 868.2

Fantatr’ i Jaona ilay vahiny, ka nihorakoraka tamin’ i Petera izy hoe : «Ny Tompo iry». Taitra sy faly loatra i Petera ka noho ny hafanam-pony, dia nitsoboka tao anaty rano izy; ary vetivety dia nijoro teo akaikin’ ny Tompony. Ny mpianatra hafa nandeha tamin’ ny sambony nitaritarika ny harato sy ny trondro. «Raha vao niakatra teo an-tanety izy, dia nahita afon’ arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo». IFM 868.3

Gaga loatra izy ka tsy nanontany izay niavian’ ny afo sy ny sakafo. «Hoy Jesosy taminy : Analao hazandrano amin’ ireo vao azonareo teo». Nihazakazaka i Petera nankeo amin’ ny harato izay nilaozany. ka nanampy ny rahalahiny nisintona azy ho eo amorondrano. Rehefa vita ny asa. ka voaomana ny sakafo. dia niantso ny mpianany hisakafo Jesosy. Novakiany ny mofo ka nozarainy taminy ary fantatr’ izy fito mirahalahy sy nekeny Izy. Tonga tao an-tsainy izao ny fahagagana tamin’ ny namahanana ny dimy arivo lahy teo an-tendrombohitra ; nisy tahotra toa zava-miafina anefa teo aminy, ka tamim-pahanginana no nibanjinany Ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty. IFM 868.4

Tsaroany mazava toy ny teo imasony ny toe-javatra teo akaikin’ ny ranomasina rehefa nibaiko azy ireo hanaraka Azy Jesosy. Tsaroany ny nidirany tamin’ ny lalindalina, rehefa nibaiko Jesosy, ka nandatsahany ny haratony sy nahabetsaka indrindra ny azony namenoana ny harato, ka ho triatra aza izany. Dia niantso azy Jesosy handao ny sambo fanaratoany, ka nampanantena fa hanao azy ho mpanarato olona. Ny hitondra io toe-javatra io tao an-tsainy sy ny handatsaka an’ izany lalina kokoa no namerenany indray ny fahagagana. Fanavaozana ny fanirahana ny mpianatra ny fihetsika nataony. Nasehon’ izany fa tsy nampihena ny adidiny hanao ny asa napetraka taminy ny nahafatesan’ ny Tompony. Na dia tsy ho bangaina aza ny fifandraisana mivantana Aminy sy ny fomba fanohanana ny asany teo aloha, dia mbola hikarakara azy Ilay Mpamonjy nitsangana tamin’ ny maty. Raha hanao ny asany Izy dia hikarakara azy. Ary nisy fikasan’ i Jesosy tamin’ ny nibaikoany azy handatsaka ny haratony teo amin’ ny sisiny ankavanan’ ny sambokely. Teo amin’ ny sisin’ io no nijoroany teo amoron-drano. Io no sisin’ ny finoana. Raha mifandray Aminy izy eo amin’ ny asa, — ka mikambana amin’ ny herin’ ny maha-Andriamanitra Azy ny ezaky ny maha-olombelona Azy, — dia tsy afaka tsy hahita fahombiazana izy. IFM 869.1

Misy lesona anankiray nomen’ i Kristy, mikasika an’ i Petera manokana. Nifanohitra tamin’ ny fomba mahamenatra tamin’ ny teny nolazainy teo aloha manambara ny fahatokiany ny fandavan’ i Petera ny Tompony. Nanala-baraka an’ i Kristy izy, sady noho izany dia tsy nahatoky azy ny rahalahiny. Noheverin’ ireo fa tsy tokony havela haka ny toerany taloha teo aminy izy, ary na dia izy aza dia nahatsapa fa veriny ny fitokisana azy. Alohan’ ny hiantsoana azy handray indray ny asany amin’ ny maha-apostoly azy, dia tsy maintsy manome porofon’ ny fibebahany eo imason’ ny rehetra izy. Raha tsy izany, na dia nibebahany aza ny fahotany, dia tsy maintsy hanapotika ny heriny miasa mangina amin’ ny maha-mpanao asa fanompoana ho an’ i Kristy azy. Nomen’ ny Mpamonjy fotoana mety izy hahazoany indray ny fitokisan’ ny rahalahiny, ary araka izay azo atao, dia hanala ny fanomezan-tsiny nentiny teo amin’ ny filazantsara. Misy lesona omena ny mpanaraka an’ i Kristy eto. Tsy misy marimaritra iraisana amin’ ny filazantsara sy ny ratsy. Tsy afaka manala tsiny ny fahotana izany. Tokony hekena mangina amin’ Andriamanitra ny fahotana miafina. fa ny fahotana ampahibemaso kosa, dia takiana fiaikena ampahibemaso. Mianjera amin’ i Kristy ny fanomezan-tsiny noha ny fahotan’ ny mpianatra. Mahatonga an’ i Satana handresy izany sy ny fanahy mitsingevaheva ho tafintohina. Ny fanomezan’ io mpianatra io porofon’ ny fibebahana araka izay azony atao dia natao hanalana io fanomezan-tsiny io. IFM 869.2

Raha niara-nihinana teo amoron’ ny ranomasina Kristy sy ny mpianany, dia hoy ny Mpamonjy tamin’ i Petera : «Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto ?» mantsy ny rahalahiny. Efa nanambara i Petera indray mandeha hoe : «Na dia ho tafintohina noho ny Aminao aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina mandrakizay»2. Izao anefa dia marimarina kokoa ny fiheverany ny tenany : «Eny, Tompoko, Hianao mahalala fa tia Anao aho». Tsy misy fanomezan-toky mahery vaika fa lehibe noho ny an’ ny rahalahiny ny fitiavany. Tsy nambarany ny fiheveran’ ny tenany momba ny fitiavany lalina. Ilay afaka mamaky ny antonjavatra rehetra manosika ny fo no antsoiny hitsara ny fony madio. «Hianao mahalala fa tia Anao aho». Dia nobaikoin’ i Jesosy izy hoe : «Fahano ary ny ondrikeliko». IFM 870.1

Nampiharin’ i Jesosy tamin’ i Petera indray ny fisedrana ka naveriny ny teniny voalohany hoe : «Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao». Tamin’ ity tsy nanontany Izy raha tia Azy mihoatra noho ny rahalahiny i Petera. Tahaka ilay voalohany ny valinteny faharoa, tsy nisy fanomezan-toky mihoapampana : «Eny, Tompoko. Hianao mahalala fa tia Anao aho». Hoy Jesosy taminy : «Andraso ary ny ondriko». Napetraky ny Mpamonjy indray mandeha indray ny fanontaniana fisedrana: «Simona zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va hianao ?» Nalahelo i Petera; noheveriny fa nisalasala ny amin’ ny fitiavany Jesosy: Fantany fa misy antony tsy nahatokisan’ ny Tompony azy. ka narary ny fony namaly izy hoe : «Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra ; fantatrao fa tia Anao aho». Hoy indray Jesosy taminy hoe : «Fahano ary ny ondriko». IFM 870.2

In-telo i Petera no namadika ny Tompony ampahibemaso, ary in-telo Jesosy no nampiteny azy ny fanomezany antoka ny amin’ ny fitiavany sy ny fahatokiany, ka nampidirany tao an-tsainy io fanontaniana manindrona io, toy ny zanatsipika maranitra tao am- maratra. Teo anatrehan’ ny mpianatr’ i Jesosy tafavory no nanehoan’ i Petera ny halalin’ ny fibebahany sy nanehoany fa tena nanetry tena mafy izao ilay mpianatra nirehareha fahiny. IFM 870.3

Toetran’ i Petera ny mafana fo sy ny haingam-pihetsika, ary nandraisan’ i Satana tombony ireo toetra mampiavaka azy ireo mba handreseny azy. Talohan’ ny nahalavo an’ i Petera, dia nilaza taminy Jesosy hoe : «Indro Satana efa nilofo nitady anareo hokororohiny toy ny vary. Nefa Izaho nangataka mba tsy holevona ny finoanao ; ary rehefa mibebaka ianao dia ampaherezo ireo rahalahinao» 3. Tonga izao io fotoana io, ary nazava ny fiovan’ i Petera. Tsy niantso valinteny sahisahy, milaza fahafahampon’ ny tenany ireo fanontaniana mivantana nisedrana azy ; koa noho ny fanetren-tenany sy ny fibebahany. dia voaomana kokoa i Petera mihoatra noho ny teo aloha hanao ny asa maha-mpiandry ny andian’ ondry azy. IFM 871.1

Ny asa voalohany nankinin’ i Kristy tamin’ i Petera tamin’ ny namerenany azy teo amin’ ny fanompoana dia ny namahana ny ondry. Asa mahakely fanandramana an’ i Petera io asa io. Mitaky fikarakarana sy fitiavana betsaka izany, faharetana sy fikirizana betsaka. Niantso azy hiasa ho an’ ny tanora amin’ ny finoana izany, hampianatra ny tsy manana fahalalana, hanokatra ny Soratra Masina aminy, sy hanabe azy ho mahasoa amin’ ny fanompoana an’ i Kristy. Hatramin’ izao i Petera dia tsy afaka nanao izany, na nahazo ny maha-zava-dehibe an’ izany aza. Io anefa no asa iantsoan’ i Jesosy azy hataony ankehitriny. Nanomana azy ho amin’ io asa io ny fanandramana nataony tamin’ ny fijaliana sy ny fibebahana. IFM 871.2

Talohan’ ny nahalavoany i Petera dia niteny tsy amim-pieritreretana mandrakariva. araka izay fihetseham-po manosika azy amin’ io fotoana io. Vonona mandrakariva ny hanitsy ny hafa izy, sy hilaza ny ao an-tsainy alohan’ ny ahazoany mazava ny momba ny tenany na izay tokony holazainy. Hafa indrindra anefa ilay Petera voaova fo. Notanany ny hafanam-pony tamin’ ny voalohany, fa nalamin’ ny fahasoavan’ i Kristy ny hafanam-pony. Tsy nivatravatra intsony izy, tsy natoky tena sy nanandra-tena, nifehy ny tenany, azo nampianarina. Afaka mamahana ny ondry, dia ny ondry ao amin’ ny andian’ ondrin’ i Kristy izy izao. IFM 871.3

Misy lesona ho an’ i Petera sy ireo rahalahiny ny fomba nifandraisan’ ny Mpanionjy taminy. Nampianatra azy hifanatrika amin’ ny mpandika lalàna amin’ ny faharetana, ny firaisam-po sy ny fitiavana mamela heloka izany. Na dia nandà ny Tompony aza i i Petera, dia tsy niova mihitsy ny fitiavana nasehon’ i Jesosy taminy. Ny fitiavana toy izany indrindra no tokony hotsapan ny mpiandry ondry lefitra ho an’ ny ondry sy ny zanak’ ondry nankinina taminy hokarakarainy. Mahatsiaro ny fahalemen’ ny tenany sy ny fahadisoany i Petera ka afaka hifandray amim-pitiavana amin’ ny andian’ ondriny toy ny nifandraisan’ i Kristy taminy. IFM 871.4

Mavesatra ny dikan’ ny fanontaniana izay napetrak’ i Kristy tamin’ i Petera. Fepetra iray ihany no nolazainy ahatongavana ho mpianatra sy hanompoany Azy. «Moa tia Ahy ve hianao?» hoy Izy. Io no toetra tena ilaina. Na dia mety ho nanana ny hafa rehetra aza i Petera, raha tsy eo ny fitiavany an’ i Kristy, dia tsy afaka ho tonga mpiandry ondry mahatoky hitandrina ny andian’ ondrin’ ny Tompo izy. Ny fahalalana, ny hatsaram-panahy, ny fahaiza-mandahatra, ny fahaiza-mankasitraka sy ny hafanam-po dia samy manampy amin’ ny asa tsara daholo ; raha tsy ao am-po kosa ny fitiavan’ i Jesosy, dia tsy mahomby ny fanompoana kristiana. IFM 872.1

Niara-nandeha irery tamin’ i Petera Jesosy, satria nisy zavatra tiany holazaina azy samirery. Talohan’ ny nahafatesany, dia nilaza taminy Jesosy hoe : «Izay halehako dia tsy azonao anarahana Ahy ankehitriny fa hanaraka Ahy ihany hianao rahatrizay». Izao no naval in’ i Petera an’ izany : «Tompoko. nahoana no tsy mahazo manaraka Anao ankehitriny aho? Na ny aiko aza dia hafoiko noho ny Aminao» 4. Fony izy niteny izany dia tsy fantany firy ny haavo sy ny halalin’ ny lalana hitarihan’ ny tongotr’ i Kristy azy. Diso i Petera nony tonga ny fisedrana, nomena fotoana indray anefa izy hanaporofoiny ny fitiavany an’ i Kristy. Mba hahazoana manatanjaka azy amin’ ny fisedrana farany ny finoany, dia nosokafan’ ny Mpamonjy taminy ny ho aviny. Nambarany taminy fa aorian’ ny fiainana ahavitany soa. rehefa havesatra amin’ ny tanjany ny taonany, dia hanaraka ny Tompony tokoa izy. Hoy Jesosy : «Raha mbola tanora hianao, dia nisikina ka nandeha tamin’ izay tianao, fa rehefa antitra kosa hianao dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’ izay tsy tianao. Ary izany no nolazainy hanambara ny fomba fahafatesana izay hankalazany an’ Andriamanitra». IFM 872.2

Nampahafantarin’ i Jesosy tamin’ i Petera ny fomba ahafatesany, nambarany mialoha koa ny finjiran’ ny tanany eo amin’ ny hazo fijaliana. Nobaikoiny indray ilay mpianany hoe : «Manaraha Ahy». Tsy kivy i Petera noho ny fanambarana. Tsapany fa sitrany ny hijaly amin’ ny fahafatesana na toy inona na toy inona ho an’ ny Tompony. IFM 872.3

Hatramin’ izao dia araka ny nofo no nahafantaran’ i Petera an’ i Kristy, tahaka ny ahafantaran’ ny maro Azy ankehitriny ; nefa tsy ho voafetra toy izany intsony izy. Tsy nisy fantany tokoa ny Aminy afa-tsy ny nahafantarany Azy amin’ ny firaisany Aminy amin’ ny maha-olombelona. IFM 873.1

Ny nitiavany Azy dia olona, mpampianatra nalefan’ ny lanitra : Ankehitriny dia amin’ ny maha-Andriamanitra Azy no itiavany Azy. Nianatra ny lesona izy milaza fa zavatra rehetra ao amin’ ny zavatra rehetra ho azy Kristy. Izao dia vonona ny handray anjara amin’ ny asa fanaovana sorona ny tena nanirahana ny Tompony izy. Rehefa tamin’ ny farany. nentina teo amin’ ny hazo fijaliana izy, dia nohomboana ny lohany ambany. araka ny fangatahan’ ny tenany. Noheveriny fa voninahitra lehibe loatra ny hijaly amin’ ny fomba mitovy amin’ izay niaretan’ ny Tompony. IFM 873.2

Feno fampianarana ho an’ i Petera ny teny hoe : «Manaraha Ahy». Tsy ho amin’ ny fahafatesany ihany, fa ho amin’ ny dingana rehetra eo amin’ ny fiainany koa no nanomezana ny lesona. Hatramin’ izao dia nirona hiasa tsy hiankina amin’ ny hafa izy. Efa niezaka ny hanao drafitra ho an’ ny asan’ Andriamanitra izy, fa tsy niandry ny hanaraka ny drafitra nataon’ Andriamanitra. Tsy nisy na inona na inona nety ho azony anefa amin’ ny fihazakazahana eo alohan’ i Jehovah. Mibaiko Jesosy hoe : «Manaraha Ahy». Aza mihazakazaka eo alohako. Amin’ izay dia tsy ho irery ianao hisetra ny tafik’ i Satana. Aoka Aho handeha eo alohanao dia tsy ho resin’ ny fahavalo ianao. IFM 873.3

Raha nandeha teo akaikin’ i Petera Jesosy. dia hitany fa nanaraka i Jaona. Nisy faniriana tonga tao aminy ahafantatra ny ho aviny, ka hoy izy : «Tompoko, inona no ho amin’ ity lehilahy ity ? Hoy Jesosy taminy : Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy hianao». Tokony ho nihevitra i Petera fa naneho azy izay rehetra tsara ho fantany Izy. Adidin’ ny tsirairay ny manaraka an’ i Kristy, ary tsy hiahiahy amin’ ny tsy antony ny amin’ ny asa nankinina tamin’ ny hafa. Raha nilaza Izy ny amin’ i Jaona hoe : «Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko ahoanao izany?» dia tsy nanome toky Izy tsy akory fa ho velona io mpianatra io mandra-piverin’ ny Tompo fanindroany. Noantitranteriny fotsiny ny fahefan’ ny tenany ambony indrindra, ary nolazainy fa raha tiany ny ahatanteraka izany, dia tsy tokony hisy fiantraikany amin’ ny asan’ i Petera mihitsy. Eo am-pelatanan’ ny Tompony ny ho avin’ i Jaona sy Petera. Fankatoavana amin’ ny fanarahana Azy no adidy napetraka taminy avy. IFM 873.4

Firy ankehitriny no tahaka an’ i Petera. Mahaliana azy ny momba ny hafa, ary mahamay azy ny ahalala ny adidin’ izy ireo, nefa tandindomin-doza hanao tsirambina ny adidin’ ny tenany izy. Anjara asantsika ny mibanjina an’ i Kristy sy ny manaraka Azy. Hahita fahadisoana eo amin’ ny fiainan’ ny hafa isika, sy toetra tsy tsara eo aminy. Rakotra fahalemena ny maha-olombelona. Hahita fahatanterahana anefa isika ao amin’ i Kristy. Hahatonga antsika ho voaova ny fibanjinana Azy. IFM 874.1

Tratrantitra be i Jaona. Nanatri-maso ny fandravana an’ i Jerosalema sy ny fahalevonan’ ilay tempoly kanto dia kanto izy, izay tandindon’ ny fahalevonan’ izao tontolo izao. Nanaraka ny Tompony akaiky dia akaiky i Jaona hatramin’ ny androny farany indrindra. Izao no hafatra mavesa-danja nentin’ ny vavolombelona nataony ho an’ ny fiangonana : «Ry malala, aoka hifankatia isika, izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra ary Andriamanitra ao aminy»5. IFM 874.2

Naverina ho apostoly i Petera, nefa tsy nanome azy ny fahefana fara-tampony amin’ ny rahalahiny ny voninahitra sy ny fahefana noraisiny tamin’ i Kristy. Nataon’ i Kristy mazava izany raha namaly ny fanontanian’ i Petera izy hoe : «Inona no ho amin’ ity lehilahy ity ?», dia novaliany hoe: «Ahoanao izany? fa manaraha Ahy hianao». Tsy nomem-boninahitra ho filohan’ ny Fiangonana i Petera. Nahatonga ny rahalahiny hatoky azy ny tombom-pitia nasehon’ i Kristy azy tamin’ ny namelany ny fihemorany sy nametrahany taminy ny famahanana ny andian’ ondry. Nanana hery betsaka niasa mangina tamin’ ny fiangonana izy. Nentin’ i Petera namakivaky ny fiainany anefa ny lesona izay nampianarin’ i Kristy azy teo amoron’ ny Ranomasin’ i Galilia. Raha nampanoratin’ ny Fanahy Masina izy ho an’ ny fiangonana, dia hoy izy : IFM 874.3

«Koa ny amin’ ny loholona izay eo aminareo. izaho, izay naman’ ny loholona sy vavolombelon’ ny fijalian’ i Kristy ary mpiombona ny voninahitra efa haseho koa, dia mananatra azy hoe : Andraso ny ondrin’ Andriamanitra izay eo aminareo. mitandrina azy tsy an-tery, fa amin’ ny sitrapo araka an’ Andriamanitra ; tsy amin’ ny fitiavana harena maloto, fa amin’ ny zotom-panahy ; tsy ho mpanjakazaka amin’ ny anjara fiandrasana, fa ho fianaran’ ny ondry. Ary rehefa miseho ny Lohan’ ny mpiandry, dia hahazo ny satroboninahitra tsy mety simba hianareo»6. IFM 874.4