Ilay Fitiavana Mandresy
Toko 76—Jodasy
Ny tantaran’ i Jodasy dia mampiseho ny fiafarana mampalahelon’ ny fiainana izay tsy nety nanome voninahitra an’ Andriamanitra. Raha maty talohan’ ilay dia farany nankany Jerosalema i Jodasy, dia ho noheverina ho olona mendriky ny toerany teo amin’ izy roa ambin’ ny folo lahy izy, ka ho nampalahelo tokoa ny tsy mahaeo azy. Ny fankahalana azy izay nanaraka azy nandritra ny taonjato maro nifandimby, dia avy amin’ ny toetra nasehony tamin’ ny fiafaran’ ny tantarany fotsiny. Nisy antony anefa ny nampiharihariana ny toetrany teo amin’ izao tontolo izao. Ho fananarana ho an’ izay rehetra tahaka azy izany, izay namadika ny zava-masina nankinina taminy. IFM 767.1
Fotoana fohy talohan’ ny Paska, dia nanavao ny fifanarahana nataony tamin’ ny mpisorona Jodasy. dia ny hanolotra an’ i Jesosy eo am-pelatanany. Dia nisy fandaminana natao fa hosamborina amin’ ny toerana mangina iray fitokanany handinihan-tena sy hivavahana ny Mpamonjy. Hatramin’ ilay fanasana tany an-tranon’ i Simona i Jodasy, dia nanana fotoana mety hieritreretany ny amin’ izay nekeny fa hotanterahiny, tsy niova anefa ny fikasany. Vola telopolo — vidin’ ny andevo iray — no nivarotany ny Tompon’ ny Voninahitra ho amin’ ny henatra sy ny fahafatesana. IFM 767.2
Fironana tao amin’ i Jodasy ny tia vola ; nefa tsy mbola latsaka ambany mandrakariva toy izao izy ka hanao zavatra toy izay nataony. Novelominy tao aminy ny toe-tsaina ratsy mihirim-belona mandrapahatongan’ izany ho fitsipika mifehy ny fiainany. Navesa-danja noho ny fitiavany an’ i Kristy ny fitiavany an’ i Mamôna. Ny nahatongavany andevon’ ny toetra ratsy iray no nanolorany toerana ho an’ i Satana, ka nahavoatarika azy ho amin’ ny fivelaran’ ny fahotana rehetra. IFM 767.3
Niditra ho anisan’ ny mpianatra i Jodasy fony nanaraka an’ i Kristy ny vahoaka marobe. Nanetsika ny fon’ izy ireo ny fampianaran’ ny Mpamonjy ; revo dia revo izy ireo nampifantoka ny sainy tamin’ ny teniny. natao tao amin’ ny synagoga. teny amoron’ ny ranomasina, teny an-tendrombohitra. Hitan’ i Jodasy nitangorona teo amin’ i Jesosy ny marary, ny mandringa, ny jamba avy tany amin’ ny vohitra sy ny tanàn-dehibe. Hitany izay efa teo ambavahaona teo an-tongony. Nanatri-maso ny asa mahagaga nataon’ ny Mpamonjy izy teo amin’ ny fanasitranana ny marary, ny famoahana demonia. ny fananganana ny maty. Tsapany tao amin’ ny tenany ny porofo mazava ny amin’ ny herin’ i Kristy. Nekeny fa ambony noho izay rehetra efa reny ny fampianaran’ i Kristy. Tia an’ Ilay Mpampianatra Lehibe izy, ary naniry hiaraka Aminy. Nahatsapa faniriana fiovana izy teo amin’ ny toetra amam-panahiny sy ny fiainany, ka nanantena ny hanao fanandramana ny amin’ izany tamin’ ny alalan’ ny fifaneraserany tamin’ i Jesosy. Tsy nanosobohon-tanana an’ i Jodasy Jesosy. Nomeny toerana ho anisan’ ny roa ambin’ ny folo lahy izy. Nahatoky azy izy hanao ny asan’ ny evanjelista. Nomeny hery hanasitrana ny marary, hamoaka demonia izy. Nefa tsy tonga teo amin’ ny fetra izay nileferany tanteraka tamin’ i Kristy i Jodasy. Tsy nahafoy ny hambom-pony teo amin’ izao tontolo izao izy na ny fitiavany vola. Nanaiky ny toerana hanompo an’ i Kristy izy, nefa tsy nety niditra tao amin’ ny lasitra hamolavolan’ Andriamanitra azy. Tsapany fa azony tazonina ny heviny sy ny sainy ka nokolokoloiny ny toetsaina manao faniniana sy miampanga. IFM 768.1
Ambony ny fiheveran’ ny mpianatra an’ i Jodasy ary nanana hery niasa betsaka tamin’ izy ireo izy. Izy tenany koa dia nihevitra ny fahaizany manokana ho ambony, ka ambany lavitra noho ny tenany no fijeriny ny rahalahiny raha ny hevitra sy ny hakingana. Tsy mahita ny fotoana mety izy ireo, hoy ny fiheviny, ka tsy manararaotra ny toe-javatra. Tsy handroso mihitsy ny fiangonana raha ireto olona tsy mba mahita lavitra ireto no mitondra azy. Petera mirehidrehitra, tsy mieritreritra izy manao zavatra. Jaona kosa, izay nanangona ny fahamarinana avy eo amin’ ny molotr’ i Kristy ho tov ny haren-tsarobidy, dia noheverin’ i Jodasy ho mpitam-bola tsy mahay. Matio, izay nobeazina ho marina amin’ ny zavatra rehetra, dia sarotiny indrindra mikasika ny fahamarinan-toetra. Nandinika lava ny tenin’ i Kristy koa izy sady nanjary variana tamin izany ka hoy ny fihevitr’ i Jodasy : tsy azo itokisana izy hanao raharaha sarotra, tsy mahatazan-davitra. Notombatombanan’ i Jodasy toy izany ny mpianatra rehetra. ka nandoka tena izy fa ho very hevitra sy ho sahirana mandrakariva ny fiangonana raha tsy nisy ny fahakingany amin’ ny maha-mpandrindra azy. Nihevitra ny tenany ho mahay zavatra i Jodasy. ka tsy misy mahavita mihoatra izay vitany. Raha ny fandanjalanjany ny tenany, dia voninahitry ny asan’ i Kristy izy. ary toy izany hatrany no nanehoany ny tenany. IFM 768.2
Jamba i Jodasy teo anatrehan’ ny toetra amam-panahiny. ka nametraka azy teo amin’ izay ahazoany fotoana mety ahitany sy hanovany izany Kristy. Amin’ ny maha-mpitam-bolan’ ny mpianatra azy. dia nantsoina izy hikarakara izay ilain’ ilay fikambanana kely, sy hanamaivana ny fahorian’ ny mahantra. Fony tao amin’ ny efitrano nanaovana Paska ka niteny taminy Jesosy hoe : «Izay ataonao, dia ataovy faingana»1, dia nihevitra ny mpianatra fa nasainy nividy izay ilaina ho amin’ ny andro firavoravoana izy. na nanome zavatra ho an’ ny mahantra. Nety ho nampivelatra toe-tsaina tsy tia tena i Jodasy tamin’ ny fanompoany ny hafa. Nefa sady nihaino isan’ andro ny leson’ i Kristy izy no nanatri-maso ny fiainany tsy tia tena. no nampanaram-po koa ny fironany ho amin’ ny fitsiriritana. Fakam-panahy mandrakariva ho azy ny vola kely tonga teo am-pelatanany. Matetika rehefa manao asa kely ho an’ i Kristy izy na manokana fotoana ho amin’ ny zavatra ara-pivavahana, dia maka kely amin’ io tahiry manify io ho karamany. Manala tsiny ny fihetsiny ireny anton-javatra ireny teo imasony ; teo imason’ Andriamanitra anefa dia mpangalatra izy. IFM 769.1
Naverimberin’ i Kristy matetika fa tsy avy amin’ ity izao tontolo izao ity ny fanjakany ary nanafintohina an’ i Jodasy izany. Nisy fitsipika nosoritany izay nantenainy fa ho fomba fiasan’ i Kristy. Araka ny drafitra nataony dia tokony ho navoaka avy ao an-tranomaizina i Jaona Mpanao batisa. Nefa indro fa navela hotapahindoha izy. Ary tsy nanantitrantitra ny zon’ ny maha-mpanjaka Azy Jesosy ka namaly faty ny namonoana an’ i Jaona fa nihataka niaraka tamin’ ny mpianany ho any ambanivohitra. Naniry ady mivantana kokoa i Jodasy. Nihevitra izy fa raha tsy sakanan’ i Jesosy ny mpianany tsy hanatanteraka ny tetika nataon’ izy ireo. dia hisy vokany bebe kokoa ny asa. Nomarihiny ny fitomboan’ ny fandra- fian’ ireo mpitarika Jiosy. ary hitany fa tsy noheverina ny fihaikana nataony raha nangataka famantarana tamin’ i Kristy avy any andanitra izy. Nidanadana ny fony hidiran’ ny tsy finoana, koa nofenoin’ ny fahavalo fisainana be fanontaniana sy feno fikomiana. Nahoana no manantitrantitra be ny amin’ izay mahakivy Jesosy ? Nahoana Izy no manambara mialoha fitsarana sy fanenjehana ho an’ ny tenany sy ho an’ ny mpianany ? Ny fibanjinana toerana ambony ao amin’ ilay toerana vaovao no nitarika an’ i Jodasy hanaiky hiaraka amin’ i Kristy. Diso fanantenana ve izy teo amin’ izay nandrandrainy ? Tsy nanapa-kevitra i Jodasy fa tsy Zanak’ Andriamanitra Jesosy ; fa nametra-panontaniana izy, ka nitady fanazavana ny amin’ ny asa lehibe izay nataony. IFM 769.2
Na dia teo aza ny fampianaran’ ny Mpamonjy, dia naroson’ i Jodasy mandrakariva ny hevitra fa tokony hanjaka ao Jerosalema Krisiy. Niezahany ho tanterahina izany tamin’ ny namahanan’ i Jesosy ny dimy arivo lahy. Nanatrika ny fizarana hanina ho an’ ny vahoaka marobe noana i Jodasy tamin’ izay. Nisy fotoana nahazoany nahita ny tombon-tsoa teo am-pelatanany raisina amin’ ny fizarana ho an’ ny hafa. Tsapany ny fahafaham-po azo mandrakariva eo amin’ ny fanompoana an’ Andriamanitra. Nanampy ny fitondrana ny marary sy ny mijaly avy eo amin’ ny vahoaka ho eo amin’ i Kristy izy. Hitany fa maivamaivana, feno hafaliana sy haravoravoana ny fon’ ny olombelona noho ny hery manasitran’ Ilay Mpamerina ny zavatra rehetra. Mety ho azony ny fomba fiasan’ i Kristy. Nefa nahajamba azy ny faniriany feno fitiavan-tena. Jodasy no voalohany nanararaotra ny hafanam-po vokatry ny fahagagana momba ny mofo. Izy no nanangana ny tetika haka an’ i Kristy an-keriny ka hametraka Azy ho Mpanjaka. Ambony dia ambony ny fanantenany. Nangidy dia nangidy ny fahadisoam-panantenany. IFM 770.1
Ny lahateny nataon’ i Kristy tao amin’ ny Synagoga mikasika ny mofon’ aina no tsontsory mamba nisarahana teo amin’ ny tantaran’ i Jodasy. Reny ny teny hoe : «Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny rany hianareo. dia tsy manana fiainana ao aminareo»2. Hitany fa zava-tsoa ara-panahy no atolotr’ i Kristy mihoatra noho ny zava-tsoa arak’ izao tontolo izao. Nihevitra ny tenany ho nitsinjo ny lavitra izy, ka araka ny fiheviny. dia tsy hanamboninahitra Jesosy ary tsy ho afaka hanome toerana ambony ny mpanaraka Azy Izy. Nanapa-kevitra izy fa tsy hiray akaiky amin’ i Kristy mba hahazoany miala, koa nanara-maso akaiky izy. IFM 770.2
Hatramin’ io fotoana io dia niteny fisalasalana izay nampisaritaka ny mpianatra izy. Nampiditra tsy fifanarahana sy fihetseham-po mitarika ho amin’ ny ratsy izy, ka naverimberiny ireo fonjan-kevitra naroson’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo hoenti-manohitra izay lazain’ i Kristy. Ny fahasahiranana sy zavatra mitsivalana rehetra, na ny kely na ny lehibe, ny zava-manahirana sy ny toa misakana ny fandroson’ ny filazantsara, dia noraisin’ i Jodasy ho porofo mazava ny amin’ ny maha-marina izany. Nampiditra ny tenin’ ny Soratra Masina izay tsy nisy ifandraisana amin’ ny fahamarinana nasehon’ i Kristy izy. Ireny teny ireny, izay nosarahana tamin’ izay nifandray taminy, dia nahavery hevitra ny mpianatra ka nampitombo ny hakiviana izay nanery azy ireo mandrakariva. Izany rehetra izany dia nataon’ i Jodasy tamin’ ny fomba izay ahitana mazava fa nahatsapa izany izy. Ary raha nitady porofo hanamafy ny tenin’ Ilay Mpampianatra lehibe ny mpianatra, dia notarihin’ i Jodasy mora dia mora, tamin’ ny fomba mila tsy ho hita, ho eo amin’ ny lalana hafa izy. Toy izany no nanehoany ny fotopototry ny teny, tamin’ ny fomba mivavaka dia mivavaka ary toa hendry, ka nitondrany azy teo amin’ ny fahazavana hafa noho izay nanomezan’ i Jesosy azy, ary nomeny dikany izay tsy noheverin’ i Jesosy ny teniny. Nanetsika mandrakariva ny faniriana feno hambom-po hitombo eo amin’ aranofo ny hevitra nasosony, ary tamin’ izany dia nanodina ny sain’ ny mpianatra tsy hijery ny zava-dehibe tokony natrehany izy. Jodasy no matetika namporisika ny adilahy ny amin’ izay ho lehibe indrindra. IFM 771.1
Tsy faly i Jodasy rehefa nasehon’ i Jesosy tamin’ ilay tovolahy manankarena ny fepetra ahatongavana ho mpianatra. Noheveriny fa nisy fahadisoana vita teo. Raha nisy olona tahaka io mpanapaka io no tafaray amin’ ny mpino, dia hanampy ny asan’ i Kristy izy. Raha mba noraisina ho mpanolo-tsaina i Jodasy. hoy ny fiheviny, dia betsaka ny drafitra ho narosony hampandroso ilay fiangonana kely. Tsy ho tahaka ny an’ i Kristy ny foto-keviny sy ny fomba fiasany, fa tamin’ ireny zavatra ireny dia nihevitra ny tenany ho hendry noho Kristy izy. IFM 771.2
Izay rehetra nolazain’ i Kristy tamin’ ny mpianany, dia nisy zavatra izay tsy nankasitrahan’ i Jodasy, tao am-pony tao. Nanao ny asany haingana ny masirasiran’ ny tsy fifaliana. Tsy hitan’ ny mpianatra ny tena fiasana tamin’ izany rehetra izany ; nefa hitan’ i Jesosy fa nanome ny toetrany an’ i Jodasy i Satana ary tamin’ izany dia nanokatra fantsona izy izay nahazoany miasa mangina tamin ', ny mpianatra hafa. Herintaona talohan’ ny namadihana Azy no nambaran’ i Kristy izany. «Tsy Izaho va no nifidy anareo, hoy Izy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly ?»3 IFM 771.3
Tsy nanao fanoherana mivantana anefa i Jodasy, na toa nametra-panontaniana momba ny lesona nataon’ ny Mpamonjy. Tsy nimonomonona ampahibemaso izy raha tsy tamin’ ny fanasana tao an-tranon’ i Simona. Fony i Maria nanosotra ny tongotry ny Mpamonjy, dia nasehon’ i Jodasy ny fironany ho amin’ ny fitsiriritana. Toa nanjary nangidy tahaka ny afero ny toe-tsainy rehefa nomen’ i Jesosy tsiny izy. Nandrodana ny fefy ny avonavon’ ny fony voaratra sy ny faniriany hamaly faty. koa nifehy azy ilay hetaheta navelany hanaram-po ela. Izany no ho fanandraman’ izay rehetra niziriziry hisangisangy amin’ ny fahotana. Manaiky ny fakampanahy alefan’ i Satana ny toetra ratsy izay tsy toherina sy tsy resena, koa voatarika ho babo hanao ny sitrapony ny fanahy. IFM 772.1
Tsy mbola mafy tanteraka anefa ny fon’ i Jodasy. Na dia efa indroa aza izy no nanome toky fa hamadika ny Mpamonjy, dia nisy fotoana mety nahazoany nibebaka. Noporofoin’ i Jesosy ny mahaAndriamanitra, tamin’ ny Paska, tamin’ ny nampibaribariany ny fikasan’ ilay mpamadika. Noraisiny tamim-pitiavana ho anisan’ izay nandray ny fanompoana natao tamin’ ny mpianatra izy. Tsy noraharahainy anefa ny antso faran’ ny fitiavana. Tapaka tamin’ izay ny antso momba an’ i Jodasy, koa ny tongotra izay nosasan’ i Jesosy. no nandeha hanao ny asan’ ny mpamadika. IFM 772.2
Nieritreritra i Jodasy fa raha tokony ho homboana Jesosy, dia tsy maintsy ho tonga izany zavatra izany. Tsy hanova ny zavatra hitranga ny fihetsika hataony hamadihana ny Mpamonjy. Raha tsy tokony ho faty Jesosy, dia hanery Azy fotsiny hanafaka ny tenany ny fihetsika nataon’ i Jodasy. Amin’ ny toe-javatra rehetra, dia hisy tombon-tsoa ho azon’ i Jodasy amin’ ny famadihany ny Mpamonjy. IFM 772.3
Na dia izany aza, dia tsy mba nino i Jodasy fa hanaiky hosamborina Kristy. Nikasa ny hampianatra lesona Azy izy tamin’ ny namadihany Azy. Nihevitra ny hanao zavatra izy izay hampitandrina ny Mpamonjy amin’ ny sisa mba hanaja azy tsara. Tsy fantatr’ i Jcdasy anefa fa nanolotra an’ i Kristy ho faty izy. Matetika impiry moa ny Mpamonjy no tsy namabo ny sain’ ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo, tamin’ ny sary manaitra nasehony raha nanao fanoharana Izy teo amin’ ny fampianarany. Impiry moa no tsy namoaka didimpitsarana nanameloka ny tenany izy. Impiry izy no feno haromotana raha nentina tao am-pony ny fahamarinana. ka naka vato itorahana Azy ; nefa nandositra hatrany hatrany Izy. Koa satria efa nandositra fandrika maro toy izany Izy, hoy ny eritreritr’ i Jodasy, tsy hanaiky marina tokoa ny hosamborina Izy izao. IFM 772.4
Tapa-kevitra i Jodasy fa hanandrana izany. Raha tena Mesia tokoa Jesosy, dia hanaraka Azy ny vahoaka. izay efa nanaovany soa betsaka dia betsaka, ka hanangana Azy ho Mpanjaka. Hampitombina hatramin’ ny farany ny saina izay nisalasala ankehitriny izany. Hahazo laza i Jodasy amin’ izy nametraka ny mpanjaka eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida. Ary io fihetsika io no ahazoany antoka ny toerana voalohany, manarakaraka an’ i Kristy, ao amin’ ny fanjakany vaovao. IFM 773.1
Nanao ny anjarany teo amin’ ny famadihana an’ i Jesosy ilay mpianatra sandoka. Raha nilaza izy tao amin’ ny saha hoe : «Izay horohako no Izy; sambory Izy»4, dia nino tanteraka izy fa ho afaka tsy ho eo am-pelatanany Kristy. Amin’ izay raha manameloka azy ireo, dia azony lazaina hoe : «Tsy nilaza taminareo ve aho hoe tazony mafy ?» IFM 773.2
Nanaraka ny tenin’ i Jodasy ireto mpisambotra an’ i Jesosy, ka namatotra Azy mafy. Gaga izy nahita fa nety hotarihina ny Mpamonjy. Nitebiteby izy nanaraka Azy avy ao amin’ ny saha ho any amin’ ny fitsarana teo anoloan’ ny mpanapaka Jiosy. Isaky ny mihetsika ny Mpamonjy dia nantenainy hanampoka ny fahavalony, ka hiseho ho Zanak’ Andriamanitra eo anatrehany, ary hanafoana ny tetika rehetra nokotrehiny sy ny heriny. Nefa nifandimby ny ora, ary nilefitra tamin’ ny herisetra rehetra navangongo teo Aminy Jesosy. koa natahotra mafy ilay mpamadika sao nivarotra ny Tompony ho amin’ ny fahafatesana izy. IFM 773.3
Rehefa nifarana ny fitsarana, dia tsy zakan’ i Jodasy intsony ny fampahorian’ ny feon’ ny fieritreretany meloka. Nisy feo farina namakivaky tampoka ny efitra fitsarana, ka nampangitakitaka sy nampihorohoro ny fo rehetra nanao hoe : Tsy manan-tsiny Izy ; alefaso Izy Kaiafa o ! IFM 773.4
Indro Jodasy, lehilahy ranjanana nanavatsava ny vahoaka taitra dia taitra. Hatsatra sy reraky ny ahiahy ny endriny, ary vaventy fitete ny hatsembohana teny amin’ ny handriny. Nisosasosa ho eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fitsarana izy, dia natsipiny teo anatrehan’ ny mpisoronabe ireo lela vola volafotsy izay vidin’ ny namadihany ny Tompony. Nohazoniny mafy ny akanjon’ i Kaiafa, ka nitalaho taminy izy handefasany an’ i Jesosy, ka nambarany fa tsy misy na inona na inona nataony tokony hahafaty Azy. Tezitra i Kaiafa nanakifika azy nefa very hevitra ka tsy hitany izay ho lazaina. Niseho ny faharatsian’ ny mpisorona. Nazava fa nisy tetika efa nataon’ ilay mpianatra mba hamadihany ny Tompony. IFM 774.1
«Nanota aho, hoy indray ny antsoantson’ i Jodasy, satria namadika ra marina». Nahafehy ny tenany indray ny mpisoronabe ka namaly sady naneso hoe: «Ahoanay izany ? fa asa anao»5. Sitraky ny mpisorona ny nanao an’ i Jodasy ho fitaovana, nefa nanao tsinontsinona ny fahambaniany izy. Rehefa nitodika tany aminy i Jodasy niaiky ny helony, dia nahifakifany. IFM 774.2
Niantoraka teo an-tongotr’ i Jesosy i Jodasy, nanaiky Azy ho Zanak’ Andriamanitra, ary niangavy Azy hanafaka ny tenany. Tsy nanome tsiny ilay mpamadika Azy ny Mpamonjy. Fantany fa tsy nibebaka i Jodasy. Noteren’ ny fahatsapana mahatahotra fa voaheloka sy ny fibanjinany ny fitsarana ny fiaiken-keloka nataony avy tamin’ ny fanahy meloka, fa tsy nahatsapa alahelo lalina avy amin’ ny fo torotoro izy satria namadika Ilay Zanak’ Andriamanitra tsy misy pentina, ka nandà Ilay Masin’ Isiraely. Tsy nanao teny fanamelohana anefa Jesosy. Nijery an’ i Jodasy Izy sady nangoraka nanao hoe : «Izao no nahatongavako teto amin’ izao tontolo izao». IFM 774.3
Nimonomonona ny olona noho ny hatairany. Gaga izy nijery ny faharetam-pon’ i Kristy tamin’ ny mpamadika Azy. Nambabo ny fon’ izy ireo indray sy naharesy lahatra azy ny hoe mihoatra noho ny olona mety maty ity olona ity. Nefa raha zanak’ Andriamanitra Izy hoy ny fanontaniany, nahoana Izy no tsy manafaka ny fatorany, ka mandresy ireto mpiampanga Azy ? IFM 774.4
Hitan’ i Jodasy fa tsy nisy vokany ny fiangaviany, ka nivoaka haingana ny efitrano fitsarana izy niloa-bava hoe : Diso aoriana loatra ! Diso aoriana loatra ! Tsapany fa tsy afaka ho velona hahita an’ i Jesosy homboana amin’ ny hazo fijaliana izy, ka namoy fo lasa nivoaka nanaton-tena. IFM 774.5
Taoriana kely, tamin’ iny andro iny ihany, teo amin’ ny lalana avy eo amin’ ny efitrano fitsarana ho any Kalvary, niato ny antsoantso sy ny fanesoan’ ny vahoaka ratsy fanahy izay nitondra an’ i Jesosy ho any amin’ ny toerana fanomboana amin’ ny hazo fijaliana. Raha nandalo teo amin’ ny toerana mangina izy. dia nahita ny fatin’ i Jodasy teo am-pototry ny hazo maty iray. Zavatra mahatsiravina tsy nisy toy izany. Nanapaka ny tady nanantonany ny tenany teo amin’ ny hazo ny lanjan’ ny tenany. Rotidrotika ny tenany tamin’ ny nianjerany, ary alika izao no nihinana izany. Nesorina tsy ho hita avy hatrany ny fatiny ; nihena anefa ny fanarabiana teo amin’ ny vahoaka, ka betsaka ny endrika hatsatra izay nampiseho ny eritreritra tao anaty. Toa efa tonga sahady tamin’ izay meloka noho ny ran’ i Jesosy ny fitsarana. IFM 775.1