Ilay Fitiavana Mandresy
Toko 69—Teo amin’ ny tendrombohitra Oliva
Ny teny ataon’ i Kristy tamin’ ny mpisorona sy ny mpanapaka1 manao hoe : «Indro, avela ho lao ho anareo ny tranonareo»2, dia nampiraiki-tahotra azy ireo tao am-pony. Niseho ho tsy niraika Izy, nefa nijanona tao an-tsainy ny fanontaniana mikasika ny lanjan’ ireo teny ireo. Nisy loza tsy hita maso toa nananontanona Azy. Mety ho marina ve fa ilay Tempoly kanto indrindra izay reharehan’ ny firenena dia ho antontan-javatra simba sisa, tsy ho ela ? Nandray anjara tamin’ izany zava-doza tsinjony mialoha izany koa ny mpianatra, ka nitebiteby fatratra niandry izay fanambarana mazava kokoa avy amin’ i Jesosy, Raha niaraka taminy nivoaka ny tempoly Izy, dia nampitodika ny sainy tamin’ ny fahamafisany sy ny hakantony. Vato maromaro madio indrindra no nanaovana ny tempoly, fotsy tanteraka, ary nisy tamin’ izy ireny lehibe fatratra ny refiny ka sarotra inoana. Nisy ampahany tamin’ ny rindrina nahatohitra ny fahirano nataon’ ny tafik’ i Nebokadnezara. Tonga lafatra indrindra ny nandrafetana azy, hany ka toa vato iray lehibe nalaina iny manontolo iny avy any amin’ ny fihadiam-bato. Fomba ahoana no ahazoana mandrodana ireo vato mafy dia mafy ireo, tsy azon’ ny mpianatra izany. IFM 673.1
Raha voasarika tamin’ ny hakanton’ ny tempoly ny sain’ i Kristy, dia inona kosa ary no tsy maintsy ho eritreritra tsy niloaka nataon’ Ilay Nolavina. Marina fa kanto ny zavatra nanoloana ny masony, nefa hoy Izy tamin’ alahelo, hitako daholo izany. Tsara tarehy tokoa ny trano. Manondro ireo rindrina ireo ianareo toy ny milaza fa tsy mety ho rava ny fijery azy ; nefa henoy ny teniko. Ho avy ny andro izay «tsy havela hisy vato hifanongoa eto ka tsy horavana». IFM 673.2
Nambaran’ i Kristy ho ren’ ny olona maro ny teniny ; irery Izy nefa dia nanatona Azy i Petera sy Jaona sy Jakoba ary Andrea raha nipetraka teo amin’ ny tendrombohitra Oliva Izy. «Lazao anay hoy izy ireo, izay andro hahatongavan’ ny fiavianao sy ny fahataperan’ izao tontolo izao». Raha namaly ny mpianany Jesosy dia tsy nosarahiny ny fandravana an’ i Jerosalema sy ilay andro lehibe hiaviany. Nampiarahiny ny filazana ireo toe-javatra roa ireo. Raha nabaribariny tamin’ ny mpianany ny toe-javatra ho avy araka izay fibanjinany izany, dia tsy ho zakan’ izy ireo ny fahitana izany. Noho ny famindrampony taminy dia nakambany ny fitantarany ireo fotoantsarotra roa lehibe ireo, ka navelany ny mpianany handinika izay dikan’ izany ho an’ ny tenany ihany. Rehefa nilaza ny momba ny handravana an’ i Jerosalema Izy, dia lasa lavitra kokoa ny teny faminaniana nataony ka nahatratra ilay toe-javatra hitranga any amin’ ny farany dia amin’ ny andro fitsimbadibadihana izay hitsanganan’ ny Tompo avy amin’ ny toerany, mba hamaly ny mponina amin’ ny tany noho ny helony ary ny tany hampiseho ny ra izay nofohiny ka tsy hanafina intsony izay novonoina teo aminy. Tsy natao ho an’ ny mpianatra fotsiny io lahateny manontolo io, fa natao ho an’ izay rehetra ho velona mandritra ireo toe-javatra farany tamin’ ny tantaran’ ity tany ity. IFM 674.1
Nitodika nankany amin’ ny mpianatra Kristy ka nanao hoe : «Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo. Fa maro no ho avy amin’ ny anarako hanao hoe : Izaho no Kristy, ka maro no ho voafitany». Hisy mesia sandoka maro hiseho, hihambo ho manao fahagagana sy hanambara fa tonga ny fotoana fanafahana ny firenena Jiosy. Handiso lalana ny maro izany. Tanteraka ny tenin’ i Kristy. Teo anelanelan’ ny nahafatesany sy ny nanaovana fahirano an’ i Jerosalema, dia maro ny mesia sandoka niseho. Nefa natao koa ho an’ ireo izay velona amin’ izao vanin’ andro misy an’ izao tontolo izao koa io fampitandremana io. Ny fitaka hita talohan’ ny nandravana an’ i Jerosalema dia efa natao mandritra ny taonjato maro nifandimby, ary mbola hatao indray. IFM 674.2
«Ary handre ady sy filazana ady hianareo, koa mitandrema, aza matahotra, fa tsy maintsy ho tonga izany ; nefa tsy mbola tonga ny farany». Niady handray ny fahefana fara-tampony ny olona, talohan’ ny nandravana an’ i Jerosalema. Nisy amperora maty novonoina. Novonoina ho faty izay noheverina ho akaikin’ ny seza fiandrianana. Nisy ady sy filazana ady. «Tsy maintsy ho tonga izany hoy Kristy, nefa tsy mbola tonga ny farany ho an’ ny firenena Jiosy amin’ ny maha-firenena azy. Fa hisy firenena hitsangana hamely firenena, ary hisy fanjakana hitsangana hamely fanjakana, ary hisy mosary sy horohoron-tany amin’ ny tany samihafa. Fa izany rehetra izany no fiandohan’ ny fahoriana». Hoy Kristy : Raha mahita ireo famantarana ireo ny raby, dia ho lazainy fa fitsaran’ Andriamanitra ny firenena izany noho izy ireo nanandevo ny vahoaka nofidin’ Andriamanitra. Holazainy fa fambara ny amin’ ny fiavian’ ny Mesia ireny famantarana ireny. Aza mety hofitahina ; fiantombohan’ ny famalian’ Andriamanitra ireny. Nijery ny tenany ny olona. Tsy nibebaka sy niova fo izy mba hahazoako manasitrana azy. Ny famantarana izay asehony ho fanambarany ny fanafahana azy amin’ ny fanandevozana, dia famantarana ny fandravana azy. IFM 674.3
«Ary hatolony ho amin’ ny fahoriana hianareo ka hovonoiny, ary ho halan’ ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako. Ary amin’ izany andro izany dia ho tafintohina ny maro, ary hifampiampanga sy hifankahala izy». Hizaka izany rehetra izany ny kristiana. Hamadika ny zanany ny ray sy ny reny. Ny zanaka hamadika ny ray aman-dreniny. Hifanolotra eo amin’ ny Synedriona ny mpisakaiza. Hotanterahin’ ny mpanenjika ny fikasany tamin’ ny namonoany an’ i Stefana, Jakoba sy ireo kristiana hafa. IFM 675.1
Nomen’ Andriamanitra fotoana farany nahazoany nibebaka ny vahoaka Jiosy tamin’ ny alalan’ ny mpanompony. Niseho tamin’ ny alalan’ ireo vavolombelony Izy tamin’ ny nisamborana azy ireo, ny nitsarana azy sy ny nanaovana azy an-tranomaizina. Nefa nanameloka azy ho faty ny mpitsara azy. Tsy mendrika ny itoeran’ izy ireo izao tontolo izao, ary nanombo indray ny Zanak’ Andriamanitra ny Jiosy raha namono azy ireo. Mbola ho toy izany koa. Hanao lalàna hametra ny fahafahana ara-pivavahana ny fahefana. Horaisiny ny andraikitra izay an’ Andriamanitra samirery. Hihevitra izy fa azony atao ny manery ny fieritreretana, izay Andriamanitra irery no tokony hifehy izany. Ankehitriny dia efa niantomboka izany, hitohy handroso hatrany izany asa izany mandra-pahatrarany fetra izay tsy azony dinganina. Hisalovana ho an’ ny vahoakany mahatoky, mitandrina ny didiny Andriamanitra. IFM 675.2
Amin’ ny toe-javatra rehetra, rehefa misy ny fanenjehana, dia mandray fanapahan-kevitra na ho an’ i Kristy na hanohitra Azy izay manatri-maso izany. Izay mampiseho firaisam-po amin’ ireo nomelohina tsy ara-drariny ireo, dia maneho ny firaisany amin’ Kristy. Misy tafintohina satria mitsivalana mazava amin’ ny fomba amam-panaony ny foto-kevitry ny fahamarinana. Betsaka no tafintohina ka lavo, ary mihemotra amin’ ny finoana izay efa noharovany. Izay mihemotra amin’ ny fotoana fisedrana, dia hijoro ho vavolombelona mandainga, ka hamadika ny rahalahiny, mba hahazoany antoka ny amin’ ny tenany. Nampitandrina antsika ny amin’ izany Kristy, mba tsy ho gaga isika amin’ ny fihetsika tsy araka ny tokony ho izy, feno habibiana ataon’ ireo mandà ny fahazavana. IFM 675.3
Nanome famantarana ny mpianany Kristy mikasika ny faharavana hihatra amin’ i Jerosalema, ary nolazainy taminy ny fomba handosirana : «Ary raha nahita an’ i Jerosalema voahodidin’ ny miaramila hianareo, dia aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky ny fandravana azy. Ary izay any Jodia amin’ izany andro izany aoka handositra ho any an-tendrombohitra ary izay ao Jerosalema aoka handositra ho any ivelany ; ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony. Fa ireo dia andro famaliana mba hahatanteraka izay rehetra voasoratra». Natao hotandremana efa-polo taona tatỳ aoriana io fampitandremana io, tamin’ ny nandravana an’ i Jerosalema. Nankato io fampitandremana io ny kristiana, koa tsy nisy kristiana iray maty tamin’ ny naharavan’ ny tanàna. IFM 676.1
«Mivavaha hianareo mba tsy ho amin’ ny ririnina na ho amin’ ny Sabata no handosiranareo», hoy Kristy. Tsy nandrava ny Sabata ka namantsika azy teo amin’ ny hazo fijaliana ilay nanao ny Sabata. Tsy nanjary foana sy tsy nisy dikany ny Sabata noho ny fahafatesan’ i Kristy. Efapolo taona taorian’ ny nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, dia mbola notanana ho masina ihany izany. Nandritra ny efapolo taona mantsy dia tokony hivavaka ny mpianatra mba tsy ho amin’ ny andro Sabata ny handosirany. IFM 676.2
Rehefa avy niteny ny amin’ ny fandravana an’ i Jerosalema Kristy, dia nifindra vetivety tamin’ ny toe-javatra lehibe kokoa, izay masom-by farany eo amin’ ny rojo mampiseho ny tantaran’ ity tany ity, — dia ny fiavian’ ny Zanak’ Andriamanitra amin-kery sy amim-boninahitra. Eo anelanelan’ ireo toe-javatra roa ireo, dia niharihary teo imason’ i Kristy ireo taonjato lava rakotry ny haizina, taonjato feno rà sy ranomaso ary ady nihatra aman’ aina ho an’ ny fiangonany. Tsy zakan’ ny mpianany tamin’ izay ny mijery ireo toe-javatra ireo, ka nolalovan’ i Jesosy tamin’ ny teny fohy. «Fa amin’ izany andro izany, hoy Izy, dia hisy fahoriana lehibe izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’ izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony. Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena ; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany». Nihatra tamin’ ny mpanaraka an’ i Kristy mandritra ny arivo taona mahery ny fanenjehana izay tsy mbola nisy toy izany mihitsy teo amin’ izao tontolo izao hatramin’ izao. An-tapitrisany sy an-tapitrisany ny vavolombelony mahatoky no hovonoina. Raha tsy naninjitra ny tanany Andriamanitra hiaro ny vahoakany, dia ho faty izy rehetra. «Fa noho ny olom-boafidy, hoy Izy, dia hohafohezina izany andro izany». IFM 676.3
Izao ny Tompontsika dia milaza ny amin’ ny fiaviany fanindroany, amin’ ny teny tsy misy marripisalasala, ka mampitandrina ny amin’ ny loza hialoha ny fiaviany eto amin’ izao tontolo izao «Koa raha misy manao aminareo hoe : Indro, aty Kristy, na : Indro arý, aza mino hianareo. Fa hisy Kristy sandoka sy mpamtinany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny. Indro voalazako aminareo rehateo izany. Ary amin’ izany raha misy manao aminareo hoe : Indro any an-efitra Izy., aza mankany hianareo ; Indro ao amin’ ny efi-trano Izy, aza mino. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hita hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian’ ny Zanak’ olona». Efa nilaza Kristy fa anisan’ ny famantarana ny fandravana an’ i Jerosalema ny hoe : Hisy mpaminany sandoka maro hitsangana ka maro no ho voafitaka. Dia nisy tokoa mpaminany sandoka nitsangana, namitaka ny olona ary nitarika vahoaka be tany an-efitra. Nisy mpanao ody sy mpanao fanafody, izay nilaza fa manan-kery mahagaga, nitarika ny vahoaka nanaraka azy ho any amin’ ny tendrombohitra mangina. Natao ho amin’ ny andro farany koa anefa io fahagagana io. Nomena ho famantarana ny fiaviany fanindroany io famantarana io. Na dia ankehitriny aza dia misy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka maneho famantarana sy manao fahagagana hamitahana ny mpianany. Tsy rentsika ve ny antsoantsony hoe : «Indro, any an-efitra Izy ?» Moa ve tsy an’ arivony ny mankany an-efitra, nanantena ny hahita an’ i Kristy ? Ary moa ve tsy re ankehitriny ny antso manao hoe : «Indro,. ao amin’ ny efitra mangina Izy» avy ao amin’ ny fivoriana an’ arivony izay misy olona milaza fa mifandray amin’ ny fanahy efa maty ? Izany indrindra no fihamboana aroson’ ny filalaovana angatra. Inona anefa no lazain’ i Kristy ? «Aza mino. Fa tahaka ny helatra avy any atsinanana ka hitra hatrany andrefana, dia ho tahaka izany ny fiavian’ ny Zanak’ olona». IFM 677.1
Nanome famantarana ny amin’ ny fiaviany ny Mpamonjy, ary mihoatra noho izany, dia mametra ny fotoana hisehoan’ ny voalohany amin’ ireo famantarana ireo Izy : «Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ ireo andro ireo, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava ; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ ny lanitra hohozongozonina. Ary amin’ izany andro izany dia hiseho eo amin’ ny lanitra ny famantarana ny Zanak’ olona, ka dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, ary hahita ny Zanak’ olona avy aminkery sy voninahitra lehibe eo amin’ ny rahon’ ny lanitra izy. Ary amin’ ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ ireo ny olom-boafidy avy amin’ ny vazan-tany efatra hatramin’ ny faravodilanitra rehetra». IFM 678.1
Amin’ ny fiafaran’ ny fanenjehana lehibe ataon’ ny fahefana papaly, dia ambaran’ i Kristy, fa ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy hanome hazavana. Manaraka izany, dia hilatsaka avy any an-danitra ny kintana. Ary hoy Izy : «Mianara ny fanoharana ny amin’ ny aviavy : Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa akaiky ny lohataona. Dia tahaka izany koa hianareo, raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy». IFM 678.2
Nomen’ i Kristy ny famantarana ny amin’ ny fiaviany. Ambarany fa mety ho fantatsika fa akaiky, mby eo am-baravarana Izy. Izao no nolazainy ny amin’ ireo hahita ireo famantarana ireo. «Tsy mba ho lany izao taranaka izao mandra-pahatongan’ izany rehetra izany». Efa niseho ireo famantarana ireo. Ankehitriny, dia fantatsika fa zavatra azo antoka ny maha-akaiky ny fiavian’ ny Tompo. «Ny lanitra sy ny tany ho levona, hoy Izy, fa ny teniko tsy mba ho levona». IFM 678.3
Avy amin’ ny rahona sy ny voninahitra lehibe Kristy. Anjely mamirapiratra marobe no hanotrona Azy. Ho avy hanangana ny maty Izy, hanova ny masina veloná avy amin’ ny voninahitra ka ho amin’ ny voninahitra. Ho avy Izy hanome voninahitra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, ary ho avy Izy handray azy ho any Aminy. Tsy nanadino azy Izy na nanadino ny teny fikasany. Hisy indray ny fampitohizana ny rohim-pianakaviana. Rehefa mijery ny matintsika isika, dia azontsika atao ny mieritreritra ilay maraina hanenoan’ ny trompetran’ Andriamanitra rehefa «hatsangana ny maty tsy ho lo intsony, ary isika hovana» 3. Kely sisa, dia ho hitantsika eo amin’ ny hatsaran-tarehiny ny Mpanjaka. Kely sisa, dia hofafany ny ranomaso rehetra amin’ ny masontsika. Kely sisa, dia hasehony isika «tsy hanan-tsiny eo anoloan’ ny voninahiny amin’ ny firavoravoana»4. Noho izany, dia hoy Izy raha nanome ireo famantarana ny amin’ ny fiaviany : «Raha vao miandoha izany zavatra izany, dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo ; fa manakaiky ny fanavotana anareo». IFM 678.4
Tsy nambaran’ i Kristy anefa ny andro sy ny ora hiaviany. Nambarany mazava tamin’ ny mpianany fa tsy afaka hampahafantatra ny andro na ny ora hisehoany fanindroany ny tenany. Raha nanana fahafahana hanambara izany Izy, inona no nilana ny famporisihany azy ireo hitoetra amin’ ny fibanjinana mitohy ? Misy milaza fa mahalala ny andro sy ny ora mihitsy hisehoan’ ny Tompontsika. Mafana fo ery izy mandahatra mialoha ny ho avy. Nampitandrina azy anefa ny Tompo hiala amin’ ny toerana tazoniny. Zava-miafin’ Andriamanitra ny fotoana marina hiavian’ ny Zanak’ olona. IFM 679.1
Nanohy ny teniny Kristy raha nanondro ny toetr’ izao tontolo izao amin’ ny fiaviany izy. «Fa tahaka ny andron’ i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ ny Zanak’ olona. Fa tahaka ny tamin’ ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-piavin’ ny andro izay nidiran’ i Noa tao amin’ ny sambofiara ary tsy fantany mandra-piavin’ ny safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fiavian’ ny Zanak’ olona». Tsy mampiseho arivo taona ara-bakiteny eto Kristy, taona arivo izay hiomanan’ ny rehetra ho amin’ ny mandrakizay. Lazainy amintsika fa ho tahaka ny tamin’ ny andron’ i Noa, rehefa ho avy indray ny Zanak’ olona. IFM 679.2
Nanao ahoana ny tamin’ ny andron’ i Noa? «Ary hitan’ i Jehovah fa be ny faharatsian’ ny olona tambonin’ ny tany, ka izay fisainana rehetra avy amin’ ny fony dia ratsy ihany mandritra ny andro» 5. Niodina niala tamin’ i Jehovah ny mponina teto amin’ izao tontolo izao talohan’ ny Safo-drano, ka nandà ny hanao ny sitrapony masina. Nanaraka ny fisainan’ ny tenany tsy masina sy ny hevi-disony izy. Ny faharatsiany no nandringanana azy ; ankehi-triny dia manaraka io lalàna io ihany izao tontolo izao. Tsy mampi- seho famantarana milaza soa ny amin’ ny arivo taona feno voninahitra izany. Mampiseho ny tany amin’ ny faharatsiana ny mpandika ny lalàn’ Andriamanitra. Ny filokana, ny hazakaza-tsoavaly, ny kilalao, ny fanaovan-dratsy, ny fahavetavetana, ny fironana ambany tsy hay tohaina ataony dia mameno haingana herisetra an’ izao tontolo izao. IFM 679.3
Hoy Kristy ao amin’ ny faminaniana momba ny handravana an’ i Jerosalema : «Ary noho ny haben’ ny tsi-fankatoavan-dalàna, dia hihamangatsiaka ny fitiavan’ ny maro. Fa izay maharitra hatramin’ ny farany no ho vonjena. Ary hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany». Ho tanteraka indray ny faminaniana. Ny habetsahan’ ny tsy fankatoavan-dalàna tamin’ izany andro izany dia misy setriny amin’ izao taranaka izao. Toy izany koa ny amin’ ny fanambarana mialoha mikasika ny fitoriana ny filazantsara. Talohan’ ny naharavan’ i Jerosalema, dia nampanoratin’ ny Fanahy Masina i Paoly nanambara fa «notorina eny ambanin’ ny lanitra eny ny filazantsara» 6. Toy izany koa ankehitriny, alohan’ ny hiavian’ ny Zanak’ olona, dia hotorina «amin’ ny firenena rehetra, sy ny fokom-pirenena sy ny samihafa fiteny ary ny olombelona rehetra» 7 ny filazantsara mandrakizay. IFM 680.1
Andriamanitra dia «nanendry andro iray izay hitsarany izao tontolo izao» 8. Lazain’ i Kristy antsika ny andro hahatongavan’ izany tokoa. Tsy milaza Izy fa hiova fo izao tontolo izao manontolo, fa «hotorina amin’ izao tontolo izao ity filazantsaran’ ny fanjakana ity ho vavolombelona amin’ ny firenena rehetra, dia vao ho tonga ny farany». Manana fahefana hanafaingana ny fiavian’ ny Tompontsika isika amin’ ny fitondrana ny filazantsara amin’ izao tontolo izao. Tsy tokony hibanjina fotsiny ny fiavian’ ny andron’ Andriamanitra isika fa tokony hanafaingana azy koa 9. Raha nanao ny asa nampanaovina azy ny fiangonan’ i Kristy araka izay nibaikoan’ ny Tompo, dia ho nandre ny fampitandremana izao tontolo izao manontolo talohan’ izao fotoana izao, ary efa tonga teto amin’ ny tanintsika amin-kery sy voninahitra lehibe Jesosy Tompo. IFM 680.2
Rehefa avy nanome famantarana ny amin’ ny fiaviany Izy, dia hoy Kristy : «Raha vao hitanareo izany rehetra izany, dia aoka ho fantatrareo, fa efa akaiky mby eo am-baravarana Izy».«Mitan drema, miambena, ka mivavaha». Nanome fampitandremana mandrakariva ny amin’ ny fitsarana ho avy Andriamanitra. Izay nino ny hafatra ho amin’ ny androny, ka nanatanteraka ny finoany, amin’ ny fankatoavana ny didiny, dia mandositra ny fitsarana izay hianjady amin’ ny tsy mankato sy ny tsy mino. Tonga tamin’ i Noa ny teny hoe : «Midira ao anatin’ ny sambo fiara hianao mbamin’ ny ankohonanao rehetra». Nankatò i Noa dia voavonjy. Tonga tamin’ i Lota ny hafatra nanao hoe : «Miaingà, mialà amin’ ity tanàna ity ; fa horavan’ i Jehovah ity tanàna ity»10. Nametraka ny teny teo ambany fitarihan’ ny mpitondra hafatry ny lanitra i Lota, ary voavonjy izy. Toy izany koa, nomena fampitandremana ny amin’ ny fandravana an’ i Jerosalema ny mpianatr’ i Kristy. Izay niandry ny famantarana ilay faharavana ho avy, ka nandositra niala ny tanàna, dia nandositra ny fandringanana. Toy izany koa isika, dia homena fampitandremana ny amin’ ny fiavian’ i Kristy fanindroany sy ny fandravana hianjady amin’ izao tontolo izao. Ho voavonjy izay mandray ny fampitandremana. IFM 680.3
Satria tsy fantatsika ny fotoana marina hiaviany, dia hafatrafarana isika hiambina. «Sambatra ny mpanompo izay ho hitan’ ny tompony miambina, raha avy Izy». Izay miambina ny hiavian’ ny Tompo dia tsy midonanaka foana eo am-piandrasana. Mahatonga ny olona hatahotra ny Tompo sy hatahotra ny fitsarana hahatra amin’ ny fandikan-dalàna ny fiandrasana an’ i Kristy. Mamoha azy hiala amin’ ny fahotana lehibe dia ny fitsipahana ny famindrampo atolony izany. Izay miandry ny Tompo dia manadio ny fanahiny amin’ ny fankatoavana ny fahamarinana. Akambany amin’ ny fiambenana mailo ny asa amin-kafanam-po. Satria fantany fa eo am-baravarana ny Tompo, dia mihamatanjaka ny zotom-pony hiaramiasa amin’ ny anjelin’ ny lanitra eo amin’ ny famonjena ny fanahy. Ireo no mpanompo mahatoky sy hendry izay manome ny ankohonan’ ny Tompo «ny anjara hanina amin’ ny fotoana»11. Manambara ny fahamarinana izay azo ampiharina ankehitriny izy. Toa an’ i Enoka, Noa, Abrahama sy Mosesy, izay samy nanambara ny fahamarinana tamin’ ny androny avy, toy izany koa ny mpanompon’ i Kristy ankehitriny mitondra fampitandremana manokana ho an’ ny taranaka misy azy izy. IFM 681.1
Misy antokon’ olona hafa asehon’ i Kristy koa anefa : «Fa raha manao anakampo izany mpanompo ratsy fanahy izany hoe : Maharitra ela ny tompoko, ka dia mikapoka ny mpanompo namany izy ary mihinana sy misotro amin’ ny mpimamo, dia ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany amin’ ny andro izay tsy ampoiziny sy amin’ ny ora izay tsy fantany». IFM 681.2
Miteny anakampony ny mpanompo ratsy fanahy manao hoe : «Maharitra ela ny Tompoko». Tsy milaza izy fa tsy ho avy Kristy. Tsy mamazivazy ny amin’ ny hiaviany indray izy. Nefa ao am-pony sy amin’ ny alalan’ ny asany sy ny teny ataony, dia manambara izy fa maharitra ela ny Tompo. Foanany tsy ho ao an-tsain’ ny hafa ny faharesen-dahatra fa ho avy haingana ny Tompo. Ny hery miasa mangina avy aminy dia mitarika ny olona ho amin’ ny hatak’ andro mitory fahasahisahiana foana, sy fanaovana an-tsirambina. Mahazo vahana izy eo amin’ ny toetrany araka izao tontolo izao sy eo amin’ ny faharendremany. Manjaka amin’ ny sainy ny fironana ara-nofo sy ny eritreritra maloto. Miara-mihinana sy misotro amin’ ny mpimamo ny mpanompo ratsy fanahy, ka miray amin’ izao tontolo izao amin’ ny fitadiavana fahafinaretana. Mikapoka ny mpanompo namany izy, ka miampanga sy manameloka izay matoky amin’ ny Tompony. Mifangaro amin’ izao tontolo izao izy, miara-mitombo eo amin’ ny fandikan-dalàna ny mitovy toetra. Firaisana mahatahotra izany. Voaray ao amin’ ny fandrika miaraka amin’ izao tontolo izao izy. «Ho avy ny tompon’ izany mpanompo izany ... amin’ ny ora izay tsy ampoiziny, dia hotapahiny roa izy ka homeny anjara amin’ ny mpihatsaravelatsihy». IFM 682.1
«Koa raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fiavian’ ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao»12. Hanampoka ny mpampianatra sandoka ny fiavian’ i Kristy. Miteny izy hoe : «Miadana sy mandry fahizay». Tahaka ny mpisorona sy ny mpampianatra talohan’ ny naharavan’ i Jerosalema, dia manantena ny fiangonana hihanoka amin’ ny fanambinana sy ny voninahitra ara-nofo izy. Lazainy fa fanambarana izany ny famantarana amin’ izao andro izao. Ahoana anefa hoy ny teny avy amin’ ny Tsindrimandry ? «Hanjo azy tampoka ny fandringanana»13. Ho tonga tahaka ny fandrika ny andron’ Andriamanitra amin’ izay rehetra monina ambonin’ ny tany manontolo, amin’ izay rehetra manao an’ izao tontolo izao ho trano itoerany. Ho avy aminy toy ny mpangalatra miriorio mitady haza izany. IFM 682.2
Feno korana izao tontolo izao, feno fahafinaretana tsy misy an’ Andriamanitra, ary matory, matory ao amin’ ny antoka aranofo. Apetraky ny olona lavitra ny fiavian’ ny Tompo. Hihomehezany ny fampitandremana. Atao ilay teny feno fireharehana sy avonavona hoe : «maharitra tsy miova ny zavatra rehetra, eny hatramin’ ny nanaovana an’ izao tontolo izao aza». «Rahampitso dia ho tahaka ny anio ihany, eny hanoatra lavitra aza»14. Handroso hihalalina kokoa ao amin’ ny fitiavana fahafinaretana isika. Hoy anefa Kristy : «Indro, avy toy ny mpangalatra Aho»15. Amin’ ny fotoana indrindra izay hanontanian’ izao tontolo izao am-paniratsirana hoe : «Aiza ny teny fikasana ny amin’ ny fiaviany ?» ho tanteraka ny famantarana. Raha miantsoantso izy hoe : «Miadana sy mandry fahizay», dia tonga tampoka ny fandringanana. Rehefa manjary sahisahy foana ny mpanaraby, ny mpitsipaka ny fahamarinana ; — rehefa mitohy hatrany ny asa mahazatra eo amin’ ny fomba samihafa hitadiavam-bola ka tsy hiheverana ny foto-kevitra ; rehefa miezaka mafy mitady fahalalana amin’ ny zavatra rehetra ankoatry ny Baiboly ny mpianatra, dia ho avy tahaka ny mpangalatra Kristy. IFM 683.1
Mihotakotaka ny zavatra rehetra eo amin’ izao tontolo izao. Hatraiza hatraiza ny famantarana momba ny fotoan’ andro. Manaloka ny toe-javatra ho avy. Miala amin’ ny tany ny Fanahin’ Andriamanitra ka mifanontona ny antambo an-dranomasina sy an-tanety. Misy rivo-doza, horohorontany, hain-trano, tondra-drano, vonoan’ olona isan-karazany. Iza no afaka mamaky ny ho avy ? Aiza ny toerana azo antoka ? Tsy misy na inona na inona azo antoka eo amin’ izay araka ny olombelona na ara-nofo. Mihazakazaka ny olona milahatra eo ambanin’ ny faneva izay nofidiny. Miandry tsy an-kijanona sy manara-maso ny fihetsiky ny mpitarika azy izy. Ao ireo miandry sy miambina ary miasa ho amin’ ny fisehoan’ ny Tompontsika. Misy antokon’ olona hafa izay latsaka ao ambanin’ ilay laharana tarihin’ ilay jeneraly mpihemotra’ lehibe voalohany. Vitsy no mino amin’ ny fo sy fanahy fa misy helo tsy maintsy handosirantsika ary lanitra tsy maintsy ho azontsika. IFM 683.2
Mitsaitsaika miandalana mankeo amintsika ny zava-tsarotra. Mamirapiratra eo amin’ ny lanitra ny masoandro ; manohy ny diany isan’ andro, ary mbola manambara ny voninahitr’ Andriamanitra ny lanitra. Mbola mihinana sy misotro ny olona, mamboly sy manao trano, manambady sy mamoaka ny ampakarina. Mbola mividy sy mivarotra ny mpivarotra. Mbola mifandronjindronjina ny olona, miady ny toerana ambony indrindra. Mbola mifanizina any amin’ ny fampisehoana an-dampihazo, any amin’ ny hazakaza-tsoavaly, any amin’ ny helo-dalaon’ ny tia fahafinaretana. Manjaka ny fahataitairana mafy indrindra, nefa mihazakazaka ny fiafaran’ ny oran’ ny fahasoavana, ary efa ho tapaka ho mandrakizay ny momba ny tsirairay. Hitan’ i Satana fa fohy ny androny. Narotsany eo amin’ ny asa ny fiasany rehetra mba ahazoany mamitaka, mandrebireby, mahasahirana sy maharevo ny olona, mandra-pifaran’ ny andrompahasoavana, ka hikatona mandrakizay ny varavaran’ ny famindrampo. IFM 683.3
Tonga amintsika amin’ ny fomba manetriketrika avy amin’ ireo taonjato mifandimby ny teny fampitandremana nataon’ ny Tompontsika avy eo amin’ ny Tendrombohitra Oliva : «Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka. sy ny fahamamoana ary ny fìahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany. Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ ny Zanak’ olona». IFM 684.1