Ilay Fitiavana Mandresy
Toko 61—Zakaiosy
Raha teny an-dalana ho any Jerosalema «Jesosy dia niditra ka nandeha namaky an’ i Jeriko». Maily vitsivitsy avy eo Jordana eo amin’ ny morony andrefan’ ny lohasaha izay mivelatra ho tanety midadasika, no misy ny tanàna eo anivon’ ny zava-maitson’ ny tany mafana, miroborobo sy kanto dia kanto. Ny hazo rofia sy ireo zaridaina tsara tarehy notondrahin’ ny loharano velona dia nahatonga azy hamirapiratra toy ny vato emeralda mipetraka eo amin’ ny havoana vato sokay sy hady mangetana izay nanelanelana an’ i Jerosalema sy ilay tanàna tao amin’ ny lohasaha.1 IFM 587.1
Betsaka ny mpivahiny miray dia no mandalo an’ i Jeriko raha handeha hanatrika ny andro firavoravoana. Fotoana niravoravoana hatrany ny fahatongavan’ izy ireny, nefa ankehitriny nisy zavatra nahaliana lalina kokoa nanaitra ny vahoaka. Fantatra fa tao amin’ ny vahoaka Ilay raby galiliana izay vao namerina an’ i Lazarosy amin’ ny fiainana ; ary na dia niparitaka aza ny siosio momba ny fiokoana ataon’ ny mpisorona, dia naniry mafy ny hanome voninahitra Azy ny vahoaka marobe. IFM 587.2
Jeriko dia anankiray amin’ ireo tanàna natokana fahiny ho an’ ny mpisorona, ary tamin’ izany fotoana izany dia betsaka ny mpisorona no nonina tao. Nanana toetra amam-panahy hafa tanteraka koa ny mponina tao. Foibe fifanakalozam-barotra lehibe izany ka hita tao ny manam-boninahitra sy ny miaramila Romana, ny vahiny avy tamin’ ny faritra samihafa, ary ny fanangonan-ketra dia nahatonga azy ho toeran’ ny mpamory hetra betsaka. IFM 587.3
Zakaiosy «ilay lehiben’ ny mpamory hetra», dia Jiosy, ary nankahalain’ ny mpiray tanindrazana taminy. Ny toerany sy ny harenany dia vidin’ ny asa izay naharikoriko azy ireo, sy izay noheverina ho anarana hafa azo ilazana ny tsy fahamarinana sy fanaovana an-keriny. Ilay manamboninahitra nanankarena tao amin’ ny fanangonan-ketra anefa dia tsy olon’ izao tontolo izao mafy fo araka izay fijery azy tsy akory. Nosaronan’ ny endrika araka izao tontolo izao sy ny avonavona ny fo azon’ ny herin’ Andriamanitra niasana. Efa nandre ny amin’ i Jesosy i Zakaiosy. Efa niparitaka lavitra sy hatraiza hatraiza ny tatitra momba Ilay nampiseho fahalemem-panahy sy fanajana ireo sarangan’ olona natao tsinontsinona. Nitsiry tao am-pon’ ity lehiben’ ny mpamory hetra ity ny faniriana mafy hanana fiainana tsaratsara kokoa. Maily vitsivitsy avy tao Jeriko fotsiny no nitorian’ i Jaona Mpanao batisa teo amoron’ i Jordana, ary efa nandre ny antso ho amin’ ny fibebahana i Zakaiosy. Latsaka lalina tao am-pony ny toromarika nomena ny mpamory hetra : «Aza mampandoa mihoatra noho izay notendrena halainareo»2 ; na dia tsy nankatò izany teo ivelany aza izy, dia namela soritra tao an-tsainy kosa izany toromarika izany. Nahalala Soratra Masina izy, ary resy lahatra fa tsy mety ny fanaony. Ankehitriny, raha nahare ny teny izay nolazaina fa avy tamin’ Ilay Mpampianatra lehibe izy, dia tsapany fa mpanota izy teo imason’ Andriamanitra. Nefa namelona fanantenana tao am-pony izay efa reny ny amin’ i Jesosy. Mety ho tanteraka na dia ho azy aza ny fibebahana, ny fanovam-piainana ; moa ve ny anankiray amin’ ny mpianatra mahatokin’ Ilay Mpampianatra vaovao tsy mpamory hetra ? Avy hatrany i Zakaiosy dia nanomboka nanaraka ny hevitra nandresy lahatra azy sy namikitra azy mafy, ka nanonitra izay nanaovany ny tsy mety. IFM 588.1
Efa nanomboka sahady ny hanoritra ny diany toy izany indray izy, raha nanakoako nanerana an’ i Jeriko ny vaovao nilaza fa niditra ny tanàna Jesosy. Tapa-kevitra ny hahita azy i Zakaiosy. Nanomboka nahatsapa izany ngidin’ ny vokatry ny fahotana izy, sy ny fahasarotan’ ny dian’ izay miezaka hiala amin’ ny ratsy fanaony. Mafy taminy ny tsy fahazoan’ ny olona ny faniriany ary ny fahitany fa ahiahy sy tsy fahatokisana no nasetrin’ ny olona ny fiezahany hanarina ny fahadisoany. Naniry mafy ny hahita ny endrik’ Ilay nitondra fanantenana tao am-pony tamin’ ny teny nataony ilay lehiben’ ny mpamory hetra. IFM 588.2
Nifanizina ny olona teny amin’ ny arabe ; Zakaiosy izay fohy kosa, dia tsy afaka nahita na inona na inona ankoatra ny lohan’ ny olona. Tsy nisy nety nanome lalana azy ; hany ka nihazakazaka hialoha kely ny vahoaka izy, nankeo amin’ ny toerana nisy aviavy nisampantsampana teo ambonin’ ny lalana, dia nianika hazo ilay mpamory hetra manan-karena ho eo amin’ ny toerana anatin’ ny sampan-kazo, izay ahazoany mahita avy eny ambony eny ny olona rehetra mitanjozotra mandalo eo ambaniny. Nanakaiky ny vahoaka marobe, nizotra hatrany, koa nandinika fatratra i Zakaiosy, ny masony liana ta-hahita ilay endrika niriny mafy ho hita. IFM 589.1
Nihoatra ny horakoraky ny mpisorona sy ny raby ny antsoantson’ ny vahoaka niarahaba Azy tonga soa, dia niteny tao am-pon’ i Jesosy ny faniriana tsy niloaka tao ampon’ ilay lehiben’ ny mpamory hetra. Tsitapitapitr’ izay, teo ambanin’ ilay aviavy indrindra, dia niato ny antokon’ olona iray, izay nandeha teo aloha sy tao aoriana, ary nibanjina niakatra Ilay manana fijery toa mamaky ny ao anatin’ ny fanahy. Saika tsy hino ny sofiny ilay lehilahy teo ambonin’ ny hazo nandre ny teny hoe : «Ry Zakaiosy, midìna faingana : fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao Aho anio». IFM 589.2
Nanome lalana azy ny vahoaka, ary toa nanonofy i Zakaiosy nitarika ny lalana ho any amin’ ny tranony. Niketron’ ny hatezerana anefa ny endriky ny raby raha nahita izany, ka nimonomonona nampiseho ny fahasorenany sy nanevateva nilaza fa «lasa nandeha hiantrano amin’ izay lehilahy mpanota Izy». IFM 589.3
Nanafotra an’ i Zakaiosy, ary nahagaga sy nampangina azy ny fitiavana sy ny fanetren-tenan’ I Kristy tamin’ ny niondrehany taminy, dia izy izay tsy mendrika indrindra. Nanokatra ny molony izao ny fitiavana sy ny toetra mahatoky ho an’ ity Tompo vao hitany ity. Hataony ampahibemaso ny fiaiken-kelony sy ny fibebahany. IFM 589.4
Teo anatrehan’ ny vahoaka betsaka i Zakaiosy no «nitsangana ka nanao tamin’ ny Tompo hoe : Indro Tompo, ny antsasaky ny fananako homeko ho an’ ny malahelo ; ary raha misy zavatr’ olona nalaiko tamin’ ny fanambakana,dia honerako efatra heny izany». IFM 589.5
«Ary hoy Jesosy taminy : Anio no tonga eto amin’ ity trano ity ny famonjena, fa izy dia zanak’ i Abrahama koa». IFM 589.6
Fony nihodina niala tamin’ i Jesosy ilay tovolahy mpanankarena dia gaga ny mpianatra tamin’ ny tenin’ ny Tompony hoe : «Manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny matoky ny harena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra !» Dia niloa-bava tamin’ izy samy izy ireo hoe: «Iza indray no hovonjena?» Ankehitriny dia nahita ny fanehoana ny fahamarinan’ ny tenin’ i Kristy manao hoe izy : «Izay zavatra tsy hain’ ny olona dia hain’ Andriamanitra»3. Nahita izy, fa noho ny fahasoavan’ Andriamanitra dia azon’ ny mpanankarena atao ny miditra ao amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra. IFM 589.7
Talohan’ ny nibanjinan’ i Zakaiosy ny tavan’ i Kristy, dia efa nanomboka ny asa izay nanehoany ny porofon’ ny tena fibebahana marina izy. Talohan’ ny fiampangan’ ny olona azy, dia efa niaiky ny fahotany izy. Nilefitra teo ambanin’ ny fandresen-dahatry ny Fanahy Masina izy, ka nanomboka nanatanteraka ny fampianarana ho an’ ny Isiraely fahizay sy ho antsika koa. Efa ela talohan’ izao Jehovah no nilaza hoe : «Ary raha mihamalahelo ny rahalahinao izay miara-monina aminao ka reraka, dia vonjeo izy ka aoka mba ho velona eo aminao tahaka ny vahiny sy ny mpivahiny izy. Aza maka zana-bola na tombony aminy : fa matahora an’ Andriamanitrao, — mba ho velona eo aminao ny rahalahinao. Aza mampananà vola aminy, ary aza mampisambotra hanina hahazoana tombony». «Ary aza misy manao sarotra hianareo, fa matahora an’ Andriamanitrareo»4. Kristy mihitsy no nanao ireo teny ireo raha voasarona teo amin’ ny andri-rahona Izy, ary ny fankasitrahan’ i Zakaiosy voalohany indrindra ny fitiavan’ i Kristy, dia fanehoana fangorahana ny mahantra sy ny mijaly. IFM 590.1
Nisy firaisana teo amin’ ny mpamory hetra, hany ka azon’ izy ireo natao ny nampahory ny vahoaka, sy ny nifanohana teo amin’ ny halatra fanaony. Tamin’ izy naka an-keriny dia nanatanteraka fotsiny izay efa saika nanjary fanao hatrizay hatrizay izy. Na dia ny mpisorona sy ny raby aza, izay nanamavo azy ireo, dia meloka tamin’ ny harena avy tamin’ ny fanao tsy marina izay nosaronan’ ny asa masina nataony. Nefa raha vantany vao nilefitra tamin’ ny herin’ ny Fanahy Masina miasa mangina i Zakaiosy, dia nariany ny fomba fanao rehetra nifanohitra tamin’ ny toetra mahatoky sy marina. IFM 590.2
Tsy misy fibebahana tena izy ka tsy arahin’ ny asa fanavaozana. Ny fahamarinan’ i Kristy akory tsy fitafiana fanao ivelany hanaronana ny fahotana izay tsy tiana ny hiaiky azy sy hiala aminy ; foto-kevitry ny fiainana izay manova ny toetra amam-panahy sy mifehy ny fitondrantena izany. Ny fahamasinana dia fanoloran-tena manontolo ho an’ Andriamanitra; fileferana tanteraky ny fo sy ny fiainana amin’ ny foto-kevitry ny lanitra izany. IFM 590.3
Eo amin’ ny asa aman-draharaha ataony eo amin’ ny fiainana, ny kristiana dia tokony haneho amin’ izao tontolo izao ny fomba izay itondran’ i Jehovah ny asa aman-draharana sahaniny. Ny fanaovany raharaha rehetra dia tokony hanehoany fa Andriamanitra no mampianatra azy. «Masina ho an’ i Jehovah», no tokony hosoratana eo amin’ ny boky misy ny tatitra isan’ andro sy ny kaontimbola, eo amin’ ny taratasy fanamarihana, ny rosia, sy ny taratasy fitakiana vidin’ entana. Izay misora-tena ho mpanaraka an’ i Kristy, ka mifandray aman’ olona amin’ ny fomba tsy marina, dia vavolombelona mandainga amin’ ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra masina sy marina ary mamindra fo. Ny fanahy mibebaka rehetra, tahaka an’ i Zakaiosy, dia hanamarika ny fidiran’ i Kristy ao am-pony amin’ ny fialana amin’ ny fomba tsy mety rehetra izay nanamarika ny fiainany. Tahaka ilay lehiben’ ny mpamory hetra, dia hanome porofon’ ny fony madio izy amin’ ny fanonerana izay ataony. Hoy ny Tompo : Raha ny ratsy fanahy no «mamerina ny natao tsatòka sady mampody izay nangalariny ary mandeha araka ny didy mahavelona ka tsy manao meloka . .. Ny fahotana rehetra izay nataony dia tsy hotsarovana aminy intsony ... ka ho velona tokoa»5 izy. IFM 591.1
Raha nandratra ny hafa isika tamin’ ny raharaha nifanaovana, raha nisy tafahoatra nataontsika teo amin’ ny varotra, na namitaka olona isika, na dia ao anatin’ ny fefin’ ny lalàna tsy tokony hihoarana aza izany, dia tokony hiaiky ny fahadisoana nataontsika isika, ka hamerina izay tafahoatra nalaintsika araka izay azontsika atao. Rariny raha tsy izay nalaintsika ihany no averintsika,’ fa izay tombony mety ho voangon’ izany raha nampiasaina tsara tamim-pahendrena nandritra ny fotoana naha-teo am-pelatanantsika azy. IFM 591.2
Hoy ny Mpamonjy tamin’ i Zakaiosy : «Anio no tonga eto amin’ ity trano ity ny famonjena». Tsy i Zakaiosy ihany no nahazo fitahiana avy aminy, fa ny ankohonany rehetra miaraka aminy. Nankao an-tokantranony Kristy mba hanome azy leson’ ny fahamarinana, sy hampianatra ny ankohonany amin’ ny zavatra mikasika ny fanjakana. Nikatona ho azy ny synagoga noho ny fanivaivana nataon’ ny raby sy ny mpivavaka ; izao anefa dia izy no ankohonana nahazo tombo-pitia be indrindra eran’ i Jeriko manontolo, ary mivory ao an-tokantranony ihany izy manodidina Ilay Andriamanitra mpampianatra, ka mandre ny tenin’ ny fiainana ho an’ ny tenany. IFM 591.3
Rehefa mandray an’ i Kristy ho Mpamonjy azy manokana ny fanahy vao tonga ao amin’ ny famonjena. Efa nandray an’ i Jesosy i Zakaiosy, tsy tamin’ ny maha-vahiny mandalo Azy tao an-tokantranony fotsiny, fa amin’ ny maha-Ilay mitoetra ao amin’ ny tempolin’ ny fanahy Azy. Niampanga azy ho mpanota ny mpanoradalàna sy ny Fariseo, ka nimonomonona tamin’ i Kristy ireo satria niantrano tao aminy Izy, nefa neken’ ny Tompo ho zanak’ i Abrahama izy. «Fa izay amin’ ny finoana no zanak’ i Abrahama»6. IFM 592.1