Patriarka sy mpaminany
Ilay tolona mamatonalina
Baikon’ Andriamanitra no nandaozan’ i Jakoba an’ i Padan- vrama. Raha nizotra indray nahazo ilay lalana nombany roa-polo taona lasa izy, dia nisy tahotra nifangaro alahelo nameno ny fony. Mbola nihanjahanja teo anatrehany mandrakariva ny fahadisoana vitany teo anatrehan-drainy. Tsy hadinony fa noho ny fahotany no nahatonga azy ho sesi-tany ; ny fisainana izany dia nangia azy andro aman’ alina; ny eritreriny nanome tsiny azy, ka dia feno aloka sy alahelohelo ny diany. PM 191.1
Ontsa dia ontsa erý ny fon’ ilay patriarka raha nahatsinjo ny havoanan’ ny tanindrazany izy. Indray nirongatra nameno ny sainy ny fahatsiarovana ny lasa rehetra. Niaraka tamin’ ny fahatsiarovana ny fahotany ny fiheverana ny famindrampon’ Andriamanitra aminy sy ny fampanantenana fanampiana sy fitarihana avy any an-danitra. Arakaraka ny nanatonany ilay toerana nalehany, dia arakarak’ izany koa no nampitombo ny tebitebiny sy ny ahiahiny ny amin’ i Esao. Taorian’ ny fandosiran’ i Jakoba dia nihevitra ny tenany ho hany mpandova ny fananan-drainy i Esao. Ny fandrenesana ny fiverenako hoy izy anakam-po, dia hampifoha indray ao am-pon’ i Esao ny fitiavan-kamali-faty ; vao mainka hitombo izany, hoy indray izy. noho ny fiheverany fa tonga aho haka ny lova navelan’ ny ray aman- dreny, dia ilay lova nifalian’ izy irery hatramin’ izao. Raha tiany dia afaka hanisy ratsy maro ahy izy. no antony tsy nahareseny azy na dia mafy indrindra aza ny famele- zany. Niseho taminy Jesosy Kristy, ‘Ilay Anjelin’ ny fanekena’. Na dia mpanota sy efa trotraka aza i Jakoba, dia tsy niala taminy fa vao mainka koa nifikitra sy ‘nitomany izy sady nifona taminy ’2, nitady porofo izy fa efa navela ny fahotany. Na dia teo aza ny fanaintainana ara-nofo nanjo azy. dia tsy nety niala tamin’ ilay anton- javatra tokana niriny ny eritreriny, ka dia nitombo ny finoany. Nitady handeha Ilay Anjely ka nanao taminy hoe: ‘Avelao Aho handeha fa efa mazava ratsy ny andro ’. Fa hoy kosa Jakoba: ‘Tsy havelako handeha Hianao, raha tsy tahinao aho’. Raha fizahoza- hoana no nitenenany izany, dia ho ringana niaraka tamin’ izay izy. Tsy izany anefa no izy, fa teny vokatry ny fahatokiany be dia be nentanim-po mafana izany. Jakoba, izay efa niaiky ny tsy fahamen- drehany, dia niantehitra tamin’ ny fahatokiany an’ Andriamanitra, dia Ilay Andriamanitra mahatoky ka manatanteraka ny teny fikasany. PM 191.2
‘Nitolona tamin’ Ilay Anjely izy ka nahery’3. Tamin’ ny alalan’. ny fanetren-tena sy ny fanoloran-tena tanteraka dia nandresy ny Mpanjakan’ ny lanitra ilay olona mety maty, mpanota mahantra sy mangozohozo. Tamin’ ny tanany feno hovitra no nifikirany tamin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra ; tsy afaka nandà ny antson’ ilay nitaraina ny fon’ Ilay Fitiavana tsy hita polopolorina. PM 194.1
Niharihary teo anatrehan’ i Jakoba izao ny haratsian’ ny fitaka nataony mba hahazoany ny fizokiana. Tsy ampy ny fahatokiany an’ Andriamanitra ka niezaka izy hanatratra samirery ny teny fikasana izay nokendren’ ny Tompo ho tanterahina amin’ ny ora sy fomba mahamety azy. Mba ho porofo fa navela ny helony, ny anarany izay nampahatsiahy ny fahotany, dia nosoloana anarana hafa izay hahatsiarovana mandrakizay ny fandreseny: ‘Tsy atao hoe Jakoba (ilay mpamingana) intsony ny anaranao, hoy Ilay Anjely, fa Isiraely (Mpitolona amin’ Andriamanitra); satria efa nitolona tamin’ Andriamanitra sy ny olona hianao ka nahery’4. PM 194.2
Dia nahazo ny fitahiana niriny fatratra i Jakoba. Ny ota izay nilazana azy hoe mpamingana sy mpamitaka dia voavela. Lasa ny zava-tsarotra teo amin’ ny fiainany. Ny fisalasalana, ny tebiteby sy ny nenina izay nampanjombona ny fiainany dia nisolo fiadanana mamy vokatry ny fihavanana amin’ Andriamanitra. Tsy natahotra ny hihaona amin’ ny rahalahiny intsony izy, satria, Ilay Andriamanitra Izay efa namela ny helony, dia afaka hanohina koa ny fon’ 1 Esao mba hahatonga azy hanaiky ny fibebahany. PM 194.3
Raha mbola nitolona tamin’ Ilay Anjely i Jakoba, dia nisy iraka avy any an-danitra hafa koa nalefa tany amin’ i Esao. Nahita ny rahalahiny tamin’ ny nofy Esao, mody rehefa avy sesi-tany nandritra ny roa-polo taona, mitánondrika, ory dia ory manoloana ny fasan- dreniny. Tamin’ io nofy io ihany koa dia nahita ny tobin’ i Jakoba izy, voahodidin’ ny tafiky ny Ianitra. Notantarainy tamin’ ny efa- jato lahiny izany nofiny izany, sady nanome baiko hentitra azy izy mba tsy hisy hanao na inona na inona amin’ ny rahalahiny, satria, Andriamanitra no miaro azy. PM 195.1
Nifanena ny tobin’ izy mirahalahy. Eo an-kilany dia Esao, ilay mpihaza tany an-efitra, mizotra eo alohan’ ny tafiny. Eo an-daniny indray kosa, dia i Jakoba miaraka amin’ ny vady aman-janany mbamin’ ny mpiandry ondriny sy ny mpanompovaviny ary ny andian’ ondriny betsaka ; ilay patriarka no nialoha ireo rehetra ireo, mandeha mitolitsika, mitondra tehina. sahiram-pamindra ; misoritra eny amin’ ny endriny izay mbola rerak’ ilay tolona lehibe ny fiadanany sy ny fifaliany. PM 195.2
Raha nahita azy toy izany Esao, dia ‘nihazakazaka hitsena azy, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy ; ary samy nitomany izy mirahalahy’5. Raha nahita izany ireo mpiady maherin’ i Esao, dia yoatohina ny fony ; tsy fantatr’ izy ireo ny tena anton’ ny fiovan-kevitr’ ilay kapiteniny ; tsy noheveriny velively, raha nahita an’ i Jakoba manan-kilema izy. fa ny fahalemeny no nahatonga ny heriny. PM 195.3
Tsapan’ i Jakoba nandritra ilay alina nitolomany tao amin’ ny rian-dranon’ i Jaboka, ny maha-tsinontsinona ny famonjena avy amin’ olombelona sy ny toky izay omeny. Hitany fa ny hany fanam- piana ho azy dia tokony ho avy amin’ Ilay nahavitany fahotana lehibe ihany. Tsy nanan-kery sy nahatsiaro tena ho tsy mendrika izy, ka nitaky ny teny fampanantenan’ Andriamanitra ho an’ ny mpanota mibebaka. Izany teny fikasana izany no antoka ho azy fa hamela sy hanaiky azy Andriamanitra. Nino izy fa moramora kokoa ny hahafoana ny lanitra sy ny tany toy izay ny hahafoana izany fampanantenana izany. Izany no hery nanohana azy nandritra iny fitolomana mendri-kotsarovana iny. PM 195.4
(5) Gen. 33: 4 PM 195.5
Tandindon’ ny fitsapana izay tsy maintsy holalovan’ ny vahoa- kan’ Andriamanitra aloha kelin’ ny fiverenan’ i Jesosy Kristy fanin- droany ny alin-tebiteby sy feno ady nolalovan’ i Jakoba. Toy izao no voalazan’ ny mpaminany Jeremia raha nahatsinjo izany, taonjato maro mialoha izy: ‘Feo mampangovitra no renay ; misy tahotra, fa tsy fiadanana Nahoana ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa ? Indrisy ! fa Jehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy ; andro fahoriana ho an’ i Jakoba izaný, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy ’6. PM 196.1
Izany andro fahoriana izany dia hiantomboka rehefa mahavita ny asa maha-Mpanelanelana Azy amin’ olona sy amin’ Andriamanitra Kristy. Amin’ izay fotoana izay, dia efa voafetra izay ho anjaran’ ny olona tsirairay avy, ka tsy hifona ho an’ ny mpanota intsony ilay ra manadio. ‘Izay manao ny tsy marina, aoka mbola hanao ny tsy marina ihany izy ; ary izay maloto, aoka mbola hihaloto ihany izy ; ary izay marina kosa, aoka mbola hanao ny marina ihany izy ; ary izay masina, aoka mbola hihamasina ihany izy’7. Amin’ izay, dia hitsahatra amin’ ny asany ny Fanahy Masina Izay misakana ny faharatsiana tsy hitosaka. Ary tahaka an’ i Jakoba nofofoin’ ny rahalahiny ho faty, dia ho toy izany koa ny vahoakan’ Andriamanitra, ho tandindomin-doza noho ny amin’ ny ratsy fanahy mitady handringana azy. Ary toy ny nitoloman’ ilay patriarka nandritra ny alina mba ho afaka amin’ ny tanan’ i Esao, dia ho toy izany koa no hitarainan’ ny marina andro aman” alina amin’ Andriamanitra mba hanafahana azy amin’ ny fahavalo manodidina azy. PM 196.2
Niampanga an’ i Jakoba teo anatrehan’ ny anjely i Satana nitaky fa rariny ny hamongorana azy noho ny fahotany ; rehefa izany, dia Esao indray no natosiny mba hiady aminy. Nandritra ilay alina feno tolona, dia niezaka mafy indrindra ilay fahavalo hampisaraka azy tamin’ Andriamanitra tamin’ ny alalan’ ny fahakiviana noho ny fampahatsiarovany azy ny fahotany. Ilay iraky ny lanitra koa, mba ho fizahan-toetra ny finoany, dia nitady handao azy sady nampa- hatsiahy azy ny fahadisoany. Kanefa, na teo ihany aza ny tebitebiny sy ny ranomasony, dia nijoro ho mahery tsara hatrany ilay patriarka. Natoky ny hatsaram-panahin’ Andriamanitra izy, ka dia niantoraka teo amin’ ny sandriny feno famindrampo. Saiky azon’ ny famoizany po izy noho ny fahatsiarovana ny fiainany tamin’ ny lasa ka dia nifikitra mafy dia mafy tamim-pitarainana lehibe tamin’ Ilay Anjely mandra-pahazony ny fandresena. PM 196.3
Ho. toy izany koa ny hanjo ny olon’ Andriamanitra eo amin’ ny ady farany hifanaovany amin’ ny ratsy. Hizaha toetra ny finoany sy ny faharetany ary ny fahatokiany amin’ ny heriny hanafaka azy ireny Andriamanitra. Satana kosa indray, dia hiezaka hampihorohoro azy noho ny fampiheverany azy fa tsy laitram-panafody ny toe- javatra mahazo azy sady lehibe sy ratsy loatra ny helony ka tsy azo avela. Ho mafy dia mafy ny fahatsiarovany ny tsy fahampiana ka ho safotra tsindraindray ny fanantenany. Noho ny fahatsiarovany ny famindrampon’ Andriamanitra tsy manam-petra anefa, sy noho ny fibebahany marina, dia hitaky ny teny fikasana natao tamin’ ny alalan’ i Kristy ho an’ ny mpanota mibebaka izy. Tsy ho valiana miaraka amin’ izay ny fivavahany ; ny finoany anefa tsy hihena, fa hifikitra amin’ Andriamanitra amin’ ny fanahiny rehetra izy ka hiteny toa an’ i Jakoba hoe: ‘Tsy havelako handeha Hianao raha tsy tahinao aho”. PM 197.1
Raha tsy nibebaka nialoha tamin’ ny nisolokiany ny nahazoany ny fizokiana i Jakoba, dia tsy ho nohenoin’ Andriamanitra ny fitarainany ary tsy ho novonjena ny ainy. Ho toy izany koa amin’ ny andro mahory, raha ampijalian’ ny tebiteby sy ny tahotra ny zanak’ Andriamanitra, raha misy ota tsaroany fa tsy nifonany, dia ho levona izy ; ny famoizam-po dia hahafaty ny finoany ka tsy ho ampy intsony ny fahatokiany mba hangataka amin’ Andriamanitra ny fanafahany. Tsy ho toy izany anefa no hiseho. Fa na dia hahatsiaro fatratra ny tsy fahamendrehany aza izy, dia tsy hanana ota miafina haseho. Efa ho voakosoky ny ra mahadion’ i Jesosy Kristy ny fahotany ary ny fahadisoany tsy ho tsaroana intsony. PM 197.2
Satana dia miezaka hampino ny olona fa tsy mampaninona an’ Andriamanitra ny ota madinika. Ny nataon’ Andriamanitra tamin’ i Jakoba anefa dia mampiseho fa tsy misy faharatsiana, na lehibe izany na kely, hodiany tsy hita. Fa na iza na iza no mitady hanatina na hanala tsiny ny fahotany fa tsy niaiky izany mba tsy ho tsarovana eo amin’ ny bokin’ ny Ianitra, dia ho resin’ i Satana. Fa arakaraka ny fahatsaran’ ny fanekem-pinoany, arakaraka ny fahamboniany, dia arakaraka izany koa no azo aniniana ny toetrany eo anatrehan’ Andriamanitra sy ho fahombiazan’ ny fahavalo. PM 197.3
Ny tantaran’ i Jakoba dia maneho amintsika koa fa tsy mandà izay manatona Azy amin’ ny fiovam-po marina Andriamanitra na dia efa nizotra teo amin’ ny lalan’ ny faharatsiana aza izany olona izany. Tamin’ ny fiantorahany teo an-tratran’ Andriamanitra, feno fahatokiana toy ny zaza, no nahazoan’ i Jakoba izay tsy azony tamin’ ny herin’ ny tenany. Nampianarin’ Andriamapitra azy fa ny hery sy ny fahasoavan’ ny Ianitra ihany no afaka hanome azy ny fitahiana aman-tsodrano nirin’ ny fanahiny. PM 197.4
Ho toy izany koa ny amin’ ireo izay ho velona amin’ ny andro farany. Rehefa voahodidin-doza izy, rehefa tsaroan’ ny fanahiny ny kaikitry ny famoizam-po. dia tsy tokony hiantehitra afa-tsy amin’ ilay fanatitra mahavonjy naterina tao Kalvary izy. Isika dia tsy mahay manao na inona na inona ho an’ ny tenantsika. Eo amin’ ny tsy fahamendrehantsika sy eo amin’ ny tsy fananantsika hery. dia tokony tsy hikatsaka vonjy afa-tsy eo amin’ ny fahamen- drehan’ Ilay Mpamonjy voafantsika teo amin’ ny hazo fijaliana sy nitsangna tamin’ ny maty isika. Tsy ho faty izay rehetra manao toy izany. Misy fandinihana lehibe atao eo imason’ Ilay tsy manam- petra ; tsy hisy hohadinoina na dia iray akory aza amin’ ny fahadiso- antsika. Ary Ilay efa nanongilan-tsofina nihaino ny fitarainan’ ny mpanompony fahizay anefa, dia handre koa ny fitarainantsika rehetra hatao amim-pinoana ka hameia izany. Efa nampanantena Izy ka hanatanteraka ny teniny. PM 198.1
Naharesy i Jakoba satria tsy niova fenitra izy sady naharitra. Ny fendreseny dia maneho amintsika ny herin’ ny fivavahana atao amim-paharetana. Izao no fotoana tokony hianarantsika ny atao hoe fivavahana mandresy sy ny atao hoe finoana tsy azo resena. Ny fandresena lehibe azon’ ny Fiangonana, na azon’ ny Kristiana tsirairay avy. dia tsy mba vokatry ny talenta, na ny fitaizana, na ny harena, na ny tombontsoa avy amin’ olombelona tsy akory, fa vokatry ny fivavahana mangina izay natao teo anatrehan’ Andriamanitra, tamim-pinoana miredareda sady tsy azo hozongozonina izay mamihina mafy ny herin’ ny Tsitoha. PM 198.2
Tsy mba hahazo izany izay rehetra mandà tsy hankatò sy izay rehetra tsy mitaky mafy dia mafy ny fitahian’ Andriamanitra. Fa na zovy na zovy no manao toa an’ i Jakoba, mihazona ny teny fikasan’ Andriamanitra sy manana hafanam-po sy faharetana toa azy, dia hahomby koa toy izay efa nahombiazany. ‘Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy ? Lazaiko aminareo fa homeny rariny faingana izy’8. PM 198.3