Patriarka sy mpaminany

14/26

Ny nanaterana an’ Isaka ho fanatitra

Diboky ny hafaliana ny fon’ i abrahama rehefa nahazo ny teny fikasana fa hiteraka zazalahy. Kanefa, moa niandry tamim-paharetana ny hanatanterahan’ Andriamanitra ny teniny araka izay ora notinen- driny sy araka izay fomba nokasainy va izy ? Moa hahalavo azy va ny faharetan’ ny fanatanterahana izany mba ho fizahan-toetra azy ? Nihevitra i Saraha fa tsy azon’ Andriamanitra atao intsony ny hanome azy zaza eo amin’ ny fahanterany ka dia nanome hevitra ny vadiny izy haka ny mpanompovaviny ho vadiny faharoa. Niely patrana loatra ny fampirafesana tamin’ izany andro izany, dia tsy noheverina ho fahotana intsony na dia fandikana ny didin’ Andriamanitra sy tena fanimbana ny fahamasinana sy ny fahasambaran’ ny tokantrano aza. Ny nanambadian’ i Abrahama an’ i Hagara dia nitera-boka-dratsv, tsy ho an’ ny fianakaviany ihany, fa ho an’ ny taranany rehetra koa. PM 137.1

Feno fandokafan-tena i Hagara rehefa tonga vadin’ ny patriarka: nirehareha erý izy raha nisaintsaina fa ho tonga renin’ ny vahoaka maro izay tsy maintsy hipoitra avy amin’ ilay mpanompon’ Andriamanitra. Feno fiavonavonana sy fizahozahoana ny fony ka nanao tsinontsinona ilay tompovaviny izy. Fifampialonana no nameno ilay tokantrano feno fahasambarana teo aloha. Voatery tsy maintsy nihaino ny fitarainan’ ny andaniny sy ny ankilany avy Abrahama ; niezaka indrindra izy mba hisian’ ny filaminana, nefa tsy nahomby. Nanome tsiny azy i Saraha sady nitady handroaka ilay rafivaviny, anefa izy ihany no namporisika azy mafy mba haka an’ i Hagara ho vadiny. Nihevitra Abrahama fa i Hagara no renin’ ny zaza nampa- nantenain Andriamanitra azy, ka dia nandà ny handroaka azy izy. Kanefa, noho i Hagara mbola mpanompon’ i Saraha, dia navelany ho eo ambany fanapahan’ ny tompovaviny ihany izy Noho ny fiavonavonana sy ny hambompon’ ilay mpanompovavy egyptiana anefa, dia tsy nahazaka ny fitondrana tsy refesi-mandidy izay vokatry ny nataony izy, ka lasa nandositra. PM 137.2

Nizotra nankany an-efitra izy, ory sady manirery; ary raha niato teo anilan’ ny loharano anankiray izy, dia nisy anjely naka ny endrik’ olombelona niseho taminy ; ‘Ry Hagara, andevovavin’ i Saray’, hoy ilay anjely taminy, sady toa ta-hampahatsiaro azy ny toetrany sy ny adidiny izy, ‘miverena any amin’ ny tompo- vavinao ka miareta izay ataony aminao’. Dia hoy indray izy: ‘Efa nihaino ny fahorianao Jehovah. Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany’1. Ary mba ho fahatsiarovana mandrakariva ny famindrampon’ Andriamanitra, dia nanafatrafatra azy ilay anjely mba hanome ny zanany, ny anarana hoe Isimaela, izany hoe, raha adika ‘Andriamanitra mihaino”. PM 138.1

Rehefa sahabo ho zato taona Abrahama dia nahazo teny fikasana indray izy, fa ny ho mpandova azy dia ny zanak’ i Saraha. Tsy nazava taminy anefa izany teny fikasana izany. Lasa tany amin’ Isimaela izay efa notiaviny ny eritreriny, ka hoy izy: ‘Enga anie ka Isimaela no ho velona eo anatrehanao !’2 Niverina indray anefa ilay teny fampanantenana, sady nazava dia nazava: ‘Tsia, fa Saraha vadinao hiteraka zazalahy aminao, ary ny anarany hataonao hoe Isaka; ary ny fanekeko haoriko aminy..” Dia hoy indray Andriamanitra: ‘Ary ny amin’ Isimaela, dia efa nihaino anao Aho: indro, efa nitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra’2. PM 138.2

Nahafeno fifaliana ny fon’ i Abrahama sy Saraha ary ny toby rehetra ny nahaterahan’ Isaka izay efa nandrasana hatry ny ela, sady antoky ny fanantenany mafy indrindra. Nahafoana ny fanantenana be rehaka nananan’ i Hagara kosa anefa izany. Efa tonga tovolahy Isimaela tamin’ izany, ary efa noheverin’ ny olona rehetra, fa izy no ho mpandova ny haren’ i Abrahama sy ny fitahiana nampanantenaina ny taranany rehetra, kanjo izao nahataka izy. Ny fifaliana rehetra noho ny nahaterahan’ Isaka dia vao mainka koa nampitombo ny fahadisoam-panantenana sy ny fialonana ary ny fankahalan’ i Hagara sy ny zanany ; sahy naneso sy nanao tsinontsi- nona an-karihary ilay mpandova ny teny fikasana isimaela. Tsinjon’ i Saraha fa hiteraka fifanolanana tsy an-kijanona izany toetra vonon- kanao fitabatabana izany, ka dia nangataka an’ i Abrahama izy mba handroaka azy mianaka. Nahavery hevitra ilay patriarka mafy dia mafy io fangatahana io. Hataony ahoana no fandroaka an’ Isimaela, izay zanaka mbola lalainy ? Nangataka ny fitarihan’ Andriamanitra izy teo amin’ izany tebitebiny izany. Naniraka anjely ny Tompo mba hanoro hevitra azy hanaiky ny fangatahan’ ny vadiny, sy tsy ho voasakantsakan’ ny fitiavany an’ Isimaela sy Hagara, satria, izany ihany no fomba tokana hisian’ ny fiadanana sy ny fahasambarana indray ao an-tokantranony. Nanome azy teny fikasana fampiononana ilay anjely, ary nilaza fa na dia tafasaraka amin’ ny fianakavian- drainy aza Isimaela, dia tsy hafoin’ Andriamanitra tsy akory ; haro- vana ny ainy ary izy dia ho tonga rain’ ny firenena maro. Feno fangirifiriana ny fon’ ilay patriarka, nefa nankatò tamim-pahanginana ny tenin’ Andriamanitra izy, ka nandefa an’ i Hagara sy ny zanany PM 138.3

Lesona ho an’ ny taonjato mifandimby rehetra ny lesona nomena an’ i Abrahama. Maneho izany fa tokony hajaina sy lalaina mandra- kariva ay fanambadiana, na dia tsy maintsy itondrana fangirifiriana sy anaovana fandavan-tena aza. Saraha no hany tena vadin’ i Abrahama ara-dalàna, koa tsy misy na iza na iza tokony havela haka ny fahefany maha-vady sy maha-reny azy. Asehon’ ny Testa- menta Vaovao ho ohatra ho antsika ny fanajan’ i Saraha ny vadiny ; koa tsy manome tsiny azy Andriamanitra raha nandà ny hisian’ ny vehivavy hafa hizara ny fitiavan’ i Abrahama vadiny izy. Moa tsy noho ny tsy fahampian’ ny fuokisan’ izy mivady an’ Andriamanitra va no nahatonga ilay patriarka hikambana tamin’ i Hagara ? PM 139.1

Abrahama no efa nantsoin’ Andriamanitra ho rain’ ny mpino. Tsy maintsy ho tonga ohatra ho an’ ny taranaka mandimby rehetra ny fiainany. Tsy mbola tanteraka anefa ny finoany, tratran’ ny fahalemena izany raha nanafina ny maha-vadiny an’ i Saraha izy, sy raha nanaiky hanambady an’ i Hagara. Koa mba hampitombo bebe kokoa ny fahatokiany Ilay Rainy any an-danitra, dia nampan- dalovin’ Andriamanitra tamin’ ny fizahan-toetra vaovao indray izy. dia fizahan-toetra faran’ izay mafy indrindra, ka tsy mbola nisy olon-kafa na iza na iza nampandalovina tamin’ izany. Tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina, dia nahazo baiko ilay patriarka mba ho any amin’ ny tany Moria, ka hanolotra ny zanany ho fanatitra eo amin’ ny tendrombohitra izay mbola haseho azy. PM 139.2

Ny olona raha mbola eo amin’ ny heriny sy ny tanjany dia afaka hahazaka fahoriana sy fitsapana, dia fahoriana sy fitsapana izay tsy ho tantiny rehefa tratran’ ny fahanterana izy, ka mizotra mango zohozo manatona ny fasana. Teo amin’ ny fahatanorany, dia tsy nampaninona an’ i Abrahama ny niaritra tsy fahampiana sy nisetra ny loza. Ankehitriny kosa anefa, efa lasa ny heriny. Roapolo amby zato taona izy raha naharay ilay baiko mahatsiravina. Tena efa anti-dahy tokoa izany. na dia teo amin’ ny fotoana nahavelomany aza. Teo amin’ izany fotoana izany indrindra anefa, dia eo amin’ ny fotoana nilan’ ilay patriarka efa antitra sady torovan’ ny asa sy ny ahiahy, fitsaharana, no nofidin’ Andriamanitra hampiharana aminy ny fitsapana lehibe sy farany indrindra teo amin’ ny fiainany. PM 140.1

Tao Beri-Sheba no nitoetra Abrahama. Nanan-karena sy be voninahitra ary nohajain’ ny lehibem-bohitra toy ny fanaja andriam- baventy izy tao. Ny tany lemaka manodidina ny tobiny dia niparia- han’ ny omby aman’ ondriny an’ arivony ; etsy sy eroa dia nahitana ny lain’ ny mpiandry ondriny. Ilay zanaky ny teny fikasana izay nitombo teo anilan-drainy, dia efa tonga tovolahy. Novalian’ ny Ianitra soa ny faharetana sy ny fiainana lava feno fandavan-tenan’ ilay patriarka izay efa nandao mandrakizay ny tany sy ny fasan- drazany, noho ny fankatoavany an’ Andriamanitra. Nirenireny toy ny mpivahiny teo amin’ ny tany nampanantenaina azy izy, naniry indrindra nandritra ny elabe ny hahatongavan’ ilay zanaky ny teny fikasana. Noho ny baiko avy any ambony no nandroahany an’ Isimaela zanany. Koa ankehitriny indray, rehefa nitombo ho tovolahy mahafinaritra ilay zaza niriny sy nantenainy hahatanteraka ny fanantenany, dia nandre tamim-pangovitana izao teny izao izy, izay nanao taminy hoe: ‘Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ ny tany Moria ; ary atero any izy ho fanatitra odorana’3. PM 140.2

Tsy toy ny tanamasoandro teo amin’ ny fiainan’ i Abrahama fotsiny Isaka, na fiononany teo amin’ ny fahanterany ihany, fa izy koa no zanaky ny teny fikasana. Io zanany io, izay ho naharotidrotika ny fony ny fahafatesany, na fahafatesana tampoka izany, na fahafatesana vokatry ny aretina, io zanany io izao no anomezana baiko azy mba hovonoin’ ny tenany mihitsy. Tamin’ ny voalohany, dia noheveriny ho toy ny baiko mahatsiravina sy tsy azo ekena ilay baiko ; dodona erý koa i Satana tamin’ izay mba hampino azy fa diso fihaino izy, satria ny didin’ Andriamanitra dia manao hoe: ‘Aza mamono olona” ; tsy hampanao velively izay zavatra efa norarany Andriamanitra, hoy ilay mpaka fanahy. (3) Gen. 22: 2 PM 140.3

Nivoaka avy teo amin’ ny lainy ilay patriarka ary nitazana ny initra madio tsy nisy rahona ; tsaroany ny teny fikasana nomena azy efa ho dimampolo taona lasa izay, dia ilay teny fikasana nampa- nantenana azy taranaka tsy tambo isaina toy ny kintana. Izany teny fikasana izany dia ho tanteraka amin’ ny alalan’ Isaka, koa ataony ahoana no famono azy indray ? Nalaim-panahy tokoa Abrahama hino fa diso fihaino izy. Raha mbola very hevitra toy izany anefa izy sady feno horohoro, dia nipndrika tep amin’ ny tany, ka nivavaka mafy mihoatra noho ny tamin’ ny lasa rehetra. Niangavy an’ Andriamanitra izy mba hanamafy ny baikony raha tsy maintsy hanatanteraka izany zavatra mampihoron-koditra izany izy. Naha- tsiaro ireo anjely izay namangy azy ka naneho taminy izay hanjo an’ i Sodoma izy, dia ireo anjely telo izáy nanambara taminy ny hahaterahan’ ny zanany: lasa izy nankeo amin’ ilay toerana nifanka- hitany matetika tamin’ ny iraky ny Ianitra, nanantena ny hahita azy ireo indray ka hahazo fanazavana misimisy kokoa. Tsy nisy anefa na dia iray aza mba nanamaivana ny fahorian’ ny fony. Teo amin’ ny haizina izay nanodidina azy sady toa nandrakotra koa ny tanahiny. dia ilay baiko mahatsiravina ihany no hany nanakoako tao an-tsofiny: ‘Ento ny zanakao. ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka”. Hentitra sy mazava ilay baiko ; ny andro koa efa akaiky. koa tsy maintsy mandeha izy sady tsy sahy nitaredretra intsony. PM 141.1

Niverina teo amin’ ny lainy izy ary nankao amin’ ny toerana nisy an’ Isaka izay renoka natory tamin’ ny torimason’ ny tanora tsy manan-tsiny. Nibanjina ny tavgn’ ny zanany malalany izy, ka tsy nahajery ela fa nihodina toran-kovitra no sady nankeo amin’ i Saraha izay renoka natory koa. Hofohaziny va izy mba hahazo manoroka farany ny zanany ? Hambarany aminy va ny baikon’ i Jehovah ? Hataony ahoana koa no tsy fanokatra ny fony aminy ? Hataony ahoana no tsy fizara aminy izao adidy mahatsiravina izao ? Niahotra anefa izy: moa tsy Isaka ve no rehareha sy fifalian’ ny reniny ? Moa tsy mifaningotra va ny fiainan’ izy mianaka ? Moa tsy handà ny hanaovana ny zanany ho fanatitra va ny fitiavan’ ny reny ananany ? PM 141.2

Farany, dia ny zanany no nofohazin’ ilay lahi-antitra, ka nilazany fa nahazo baiko izy mba handeha nanao fanatitra any amin’ ny tendrombohitra lavitra anankiray. Isaka izay efa nanara- dia ny tainy teo amin’ ny alitara maro riaoriny nandritra ny fiva- hiniany, dia tsy gaga akory noho izao famohazana azy izao. Tsy ela dia vita ny fiomanana rehetra. Efa voaomana ny kitay sady efa napetraka ho entin’ ny ampondra iray. Dia roso izy mianaka narahin’ ny mpanompo roalahy. PM 141.3

Niara-nandeha izy, samy nangina. Day patriarka dia mbola nisaintsaina ny amin’ ilay tsiambaratelo mahatsiravina angatahina aminy ka tsy naharesaka. Nitopy tany amin’ ilay reny be fitiavana sy nanao ny zanany ho reharehany ny eritreriny ; toa hitany izany tenany miverina irery ao an-trano; toa tsinjony izany fahoriana mangidy hanjo ny vadiny ! PM 142.1

Nihariva ny andro. dia ilay andro toa lava indrindra tamin’ i Abrahama. Samy renoka natory avokoa na Isaka na ny mpanompo, fa ilay lehilahin’ Andriamanitra kosa dia nandany ny alina manon- tolo tamin’ ny fivavahana, nanantena hahita iraky ny lanitra hilaza aminy fa nofaranana ny fitsapana, ka azon’ ny zaza atao ny miverina indray any amin’ ny reniny. Tsy nahita na inona na inona anefa izy. Tonga ny andro faharoa nodimbiasan’ ny alina faharoa izay samy feno fahoriana sy fivavahana avokoa. Hay teny mampihorohoro izay nibaiko azy hamono ilay mpandova, dia injao reny mbola nanakoako tao an-tsofiny. Satana koa tsy nitsahatra nanisika fisalasalana sy tsy fankatoavana tao anatiny ; samy nolaviny tamin-kerimpo avokoa ireny fakam-panahy ireny. Ary tamin’ ny marainan’ ny andro fahatelo, raha nianga handeha izy, dia nanopy ny masony niana- varatra ka nahita ilay famantarana nampanantenaina azy, dia rahona feno voninahitra teo ambonin’ ny tendrombohitr’ i Moria ; izany dia vao mainka koa nanamafy taminy fa avy any an-danitra tokoa ny baiko izay nomena azy. PM 142.2

Tsy nimonomonona tamin’ Andriamanitra Abrahama, fa nampa- hery tena sady nisaintsaina ny hatsaram-panahy sy ny fahatokian’ Ilay Mpamorona azy. Moa tsy azony atao va ny haka aminy indray ilay zanaka malala izay fanomezana avy Aminy ihany ? Ary moa tsy mbola ao ihany koa va ilay fampanantenana izay nanao taminy hoe: ‘Avy amin’ Isaka no hantsoina izay taranaka ho anao’4, dia taranaka maro toy ny fasika eny amoron-dranomasina ? Isaka dia zanaky ny fahagagana. Ilay efa nanome azy aina, moa tsy mahay hamerina izany aminy indray va ? Dia nijery ny any ambadiky ny hita maso ilay patriarka ka nifikitra mafy tamin’ ny tenin’ Andriamanitra sady niteny anakampo fa ny Tsitoha ‘dia mahay manan- gana ny maty aza’5. Andriamanitra irery no hany mahatakatra ny halehiben’ ny fangirifiriana nahazo ilay ray nanolotra ny zanany ho faty. PM 142.3

Ny mason’ Andriamanitra irery ihany no sitrak’ i Abrahama hahita ny fiafaran’ izao toe-javatra izao, koa dia nanome baiko ny mpanompony izy mba hijanona. ‘Izaho sy ny zazalahy handeha hankerý ; ary hivavaka izahay, dia hiverina eto aminareo indray’6. Dia navela hoentin’ Isaka, ilay fanatitra hovonoina, ny kitay, fa ny rainy kosa no nitondra ny afo sy ny antsy ; niara-nizotra tamim- pahanginana izy mianaka nanatona ny tampon’ ilay tendrombohitra. Nanontany tena ilay zatovo ny amin’ izay hahitany fanatitra odorana eo amin’ ny tany lavitra ny andian’ ondry, ka tsy naharitra fa niteny hoe ? ‘Ry ikaky ò ! Indreto ny afo sy ny kitay , fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra odorana ?” Ilay teny hoe ‘Ry ikaky ò !” izay nitsatoka tao amin’ ny fon’ ilay lahiantitra, moa ve hampi- hambahamba azy eo amin’ ny fanapahan-keviny ? Moa hoborahiny ve ilay zava-tsarotra nasaina hataony ? Tsia. Fa hoy izy: ‘Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra odorana !” PM 143.1

Rehefa tonga teo amin’ ilay toerana voatondro izy mianaka, dia niara-nanorina ny alitara sy nandahatra ny kitay. Ary rehefa izany, dia tamin’ ny feo mangovitra no nilazan’ ilay mpanompon’ Andriamanitra tamin’ Isaka ny hafatra mitondra fahafatesana ho azy. Nivarahontsana sy tora-kovitra ilay zatovolahy raha nandre ny loza hanjo azy, kanefa tsy nanohitra izy na dia kely aza. Azony natao ny nandositra raha tiany izany ; tsy afaka hanohitra azy tovolahy feno hery, ilay lahiantitra reraky ny adim-panahy nandritra ny hateloana. Efa nianaran’ Isaka hatramin’ ny andron’ ny fahazazany anefa ny fankatoavana feno fahatokiana, koa raha vao nandre ny baikon’ Andriamanitra izy dia nanaiky. Noheveriny fa fanomezam- boninahitra azy izao fangatahana ny tenany mba hatao sorona ho an’ Ilay Mpamorona izao. Niombona tamin’ ny finoan-drainy izy, sady niezaka mba hanamaivana ny fijaliany, ka nanampy ny tanany feno hovitra, namatotra azy teo ambonin’ ny alitara. PM 143.2

Ary rehefa samy nampiseho ny mari-pitiavany farany izy mianaka, rehefa samy nikoriana ny ranomasony, rehefa vita ny fanorohana farany, dia nanainga ny antsy ilay lahiantitra mba hikapa ny tendan-janany Kanjo tsy afa-nihetsika ny tanany ; nisy feo avy tany an-danitra nanao taminy hoe: ‘ Ry Abrahama, ry Abrahama ó !” Ary hoy kosa izy: ‘Inty aho !” Dia hoy indray ny feon’ ny anjely: ‘Aza maninjitra ny tànanao amin’ ny zazalahy, ary aza maninona azy akory hianao ; fa hilako izao fa matahotra an’ Andriamanitra hianao, ka tsy narovana tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao’7. PM 143.3

‘Aiy Abrahama nìherika nijery, ka. indro, nisy ondrilahy tec ivohony, voasangazotry ny kirihitrala ny tandrony’. Dia nalainy izany ka nateriny ‘ho fanatitra odorana ho solon’ ny zanany’ Ary noho ny fifaliany sy ny fankasitrahany, dia nomeny anarans vaovao ilay toerana masina. Jehovah -jire, izany hoe, Jehovah no hahita. PM 144.1

Nohavaozin’ Andriamanitra indray tamin’ i Abrahama teo amin’ ny tendrombohitra Moria, tamin’ ny fomba be voninahitra, ny teny fikasana ho an’ ny taranany mandritra ny taonjato mifan- dimby: ‘Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao. dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina ; ary ny taranakao hahazo ny vava- hadin’ ny fahavalony ; ary amin’ ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao’7 PM 144.2

Ny asan’ ny finoana izay vao avy nasehon’ i Abrahama ho ohatra dia mijoro ho toy ny andry afo. manazava ny dian’ ny mpanompon’ Andriamanitra rehetra hatramin’ ny farany. Nandritra ny telo andro, teny am-pandehanana, dia nanana fotoana ampy izy mba hieritre- retana sy hisaiasalana na hanao na tsy hanao. Azo’ny natao tsara ny nihevitra fa raha mamono ny zanany lahy izy, dia hoheverina ho toy ny mpamono olona ka ho tonga Kaina faharoa ; ho tsira- tsiraina izy amin’ izay, hoheverina ho faikan’ olona, ka samy ho foana avokoa na ny fampianarany na ny asa nomena hataony eo amin’ ny mpiara-belona aminy. Nety ho fialan-tsiny koa ny fahan- ferany fatratra. Kanefa, na dia izany aza, tsy nitady fiolakolahana izy mba tsy hankatoavany an’ Andriamanitra. Olombelona mora azon’ ny fahalemena sy mitovy toetra amintsika ihany izy, kanefa, tsy niahotra izy, na nanontany izay fomba hafa indray hahatan- terahana ny teny fikasana, rehefa maty Isaka. Tsy niady hevitra akory tamin’ ny fony naratra izy. Natoky izy fa marina izay rehetra notadiavin’ Andriamanitra, ka dia nankató ara-bakiteny izy. PM 144.3

‘Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka nisaina ho faha- marinany izany, ary natao hoe Sakai/an’ Andriamanitra izy’ ‘Koa fantaro fa izay amin’ ny finoana no zanak’ i Abrahama’ Niseho teo amin’ ny asany ny finoan’ ilay patriarka. ‘Tsy noha- marinina tamin’ ny asa va Abrahama razantsika tamin’ ny nanaterany an’ Isaka zanany teo ambonin’ ny alitara ? Hitanao fa niara-niasa tamin’ ny finoana ny asany, ary ny finoana notanterahina tamin’ ny asa’8. Maro ny olona diso hevitra ny amin’ ny fifandraisan’ ny finoana sy ny asa, fa hoy izy ireny: ‘ Ampy ny finoana an’ i Jesosy, koa tsy tokony hisy hampitebiteby intsony ny amin’ izay fitandre- mana ny didy ’. Hadinony fa ny finoana marina dia miseho eo amin’ ny fankatoavana. Hoy Jesosy tamin’ ireo Jiosy tsy nety nino Azy: ‘Raha zanak’ i Abrahama hianareo, dia ny asan’ i Abrahama no hataonareo’ Raha niteny tamin’ Isaka momba an’ i Abrahama rainy Andriamanitra, dia nilaza hoe: ‘Efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko’11. ‘Ny finoana, hoy ny apostoly anankiray, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy’12. ‘Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra”, hoy indray i Jaona apostolin’ ny fitiavana, ‘dia ny hitandremantsika ny didiny’13. Tamin’ ny alalan’ ny fomba amam- panao tandindona sy tamin’ ny alalan’ ny teny fikasana, ‘dia nitory ny filazantsara tamin’ i Abrahama’ Andriamanitra.14 Tamin’ ny alalan’ ny mason’ ny finoana no nitazanan’ ilay patriarka ny Mpamonjy izay ho avy. Nolazain’ i Jesosy tamin’ ny Jiosy izany, fa hoy Izy: ‘Ravoravo Abrahama rainareo hahita ny androko ; ary nahita izy ka faly’15. Ny ondrilahy natolotra ho fanatitra odorana ho solon’ Isaka dia nampiseho ny Zanak’ Andriamanitra izay novonoina nisolo antsika. Rehefa voaheloka ho faty ny taranak’ olombelona noho ny tsy fankatoavany ny didin’ Andriamanitra, dia sady nijery ny Zanany Andriamanitra no nilaza tamin’ ny mpanota hoe: ‘Ho velona hianao, satria, efa nahita fanavotana ho anao Aho’. PM 145.1

Raha nanome baiko an’ i Abrahama Andriamanitra mba hamono ny zanany, dia tsy ho fizahan-toetra ny finoany fotsiny izany, fa mba hanehoana indrindra koa tamin’ ilay patriarka ny tena votoatin’ ny Filazantsara. Ireo andro manjombona feno tebiteby sy horohoro izay lalovany, dia nanampy azy hahatakatra, - dia araka izay zavatra tsapan’ ny tenany, — ny halehiben’ ny fahoriana izay niaretan’ PM 145.2

Andriamanitra ho fanavotana ny olombelona. Tsy nisy fizahan toetra nampangirifiry mafy ny fon’ i Abrahama toy ny fangatahana aminy hanolotra ny zanany ho fanatitra. Fa Andriamanitra, rehefa nanolotra ny Zanany ho amin’ ny fahafaham-baraka sy ny faha fatesana, dia tsy mba namela, na dia anjely iray akory aza. hisalovana toy izay efa natao tamin’ Isaka; tsy mba nisy feo nanao hoe ‘Aoka izay !” Eny, mba ho fanavotana ny taranak’ olombelona efa very, dia nilain’ Ilay Mpanjaka ny nanolotra ny ainy ho fanatitra. Porofo lehibe toy inona indray moa no mbola ilaina ho mariky ny famindrampo sy ny fitiavan’ Andriamanitra? ‘Izy Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy nomeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra ?’16. PM 146.1

Tsy izany ihany, fa ny fanatitra izay nangatahina mba hataon’ i Abrahama, dia tsy nikendry ny soa ho an’ ny tenany fotsiny, na ho an’ ny taranaka mandimby azy ihany, fa mba ho ohatra hampahery koa ireo mponina any an-danitra sy any amin’ ireo toerana hafa koa. PM 146.2

Ny toerana nifampitoloman’ i Jesosy Kristy sy Satana, ny saha izay nirehetan’ ilay ady nifamalezana mba hahatanteraka ny planan’ ny famonjena, no toy ny boky ianaran’ izao rehetra ary izao. Teb amin’ ny fotoana nahakely ny finoan’ i Abrahama ny amin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra, dia niampanga azy teo anatrehan’ ny anjely teo anatrehan’ ny Ray i Satana, ka nilaza azy ho tsy mendrikj ny soa ateraky ny fanekena izay nodikainy. Noho izany dia noheverin’ Andriamanitra fa mety ny hitsapana ny fahatokian’ ilay mpanom- pony indray eo anatrehan’ izao rehetra ary izao, mba ho fanehoana mazava tsara ny planan’ ny famonjena eo anatrehan’ ny mponina rehetra, sy ho fanambarana koa ta fankatoavana feno ihany no azony ekena. PM 146.3

Ny mponin’ ny lanitra no vavolombelon’ ny toe-javatra nampi- hovitrovitra, izay nampiharihary ny finoan’ i Abrahama sy ny fanka- toavan’ ny zanany. Mafy lavitra noho ny fitsapana nolalovan’ i Adama izany fizahan-toetra nolalovan’ i Abrahama izany. Ny fandrarana natao ho an’ ireo razambentsika (nefa tsy nankatoaviny) dia tsy mba nisy fangirifiriana, fa ny baiko nomena an’ i Abrahama kosa dia niteraka alahelom-panahy sy ady lehibe indrindra. Ny fankatoavana feno sy tony nasehon’ ilay patriarka dia nahagaga ny lanitra manontolo ; nisy hoby sy fiderana natao ho fankalazana izany. Niseho nihanjahanja ny maha-lainga ny fiampangan’ i Satana, ka dia niteny izao teny izao Andriamanitra: ‘Hitako izao (tsy araka ny fiampa- ngan’ Ilay ratsy) fa matahotra an’ Andriamanitra hianao, ka tsy narovanao tamiko ny zanakao,-dia ny lahitokanao”. Ny fanekena nifanaovan’ Andriamanitra tamin’ i Abrahama, izay ‘nohamafisina teo anatrehan’ ny mponin’ ny Ianitra sy izao rehetra izao, dia porofo fa azo ny valisoa ho an’ny ampankato. PM 146.4

Na dia ny anjely aza, dia tsy nahatakatia tsara ny zava-miafin ny famonjena, sy ny antony nilàna ny fahafatesan’ ny Zanak’ Andriamanitra Ilay Andiianan’ ny Ianitra, ho fanavotana ny mpanota. Koa, rehefa nahazo baiko ny hanolotra ny zanany ho fanatitra Abrahama ‘ dia nasaina niomana hanara-maso izany avokoa ny tany an-danitr; rehetra. Nanara-dia nijery tamim-pangitakitahana ny fihetsika tsirairay avy sy ny diangana tsirairay avy nataon’ ilay patriarka ny maso rehetra. Raha nanontany Isaka ka nanao hoe: ‘Aiza izay ondry hatao fanatiíra odofàíia ? ka namaly Abrahama nanao hoe: ‘Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra odorana”: rehefa nohazonina. ny ftrnan’ ijay patriarka raha hanainga azy fnamono ny zanany iny indrindra izy, ka ny ondrilahy izay efa voaoman’ Andriamanitra no nateriný ho solon’ ilay zatovo, tamin’ izay, eny, tamin’ izay, dia namirapiratra fatratra itidray ny zava-miafin’ ny famonjena, ka takatry ny anjely, mihoatra noho ny tamin” ny lasa rehetra, ny planan’ ny famonjena mahagaga izay efa nomanin’ i Jehovah ho famonjena ny olombelona.17 PM 147.1