Patriarka sy mpaminany

12/26

Ny niantsoana an’ i Abrahama

Rehefa nipariaka niala tao Babela ny olona, dia nahenika ny tany koa ny fanompoan-tsampy. Navelan’ Andriamanitra hanaraka ny lalan-dratsiny ireo mpanota mafy fo nony farany, fa nifidy anankiray tamin’ ny taranak’ i Sema kosa Izy, dia Abrama, mba hitahiry ny didiny ho an’ ny taranaka mandimby. Teo afovoan’ ny fanompoan-tsampy sy ny finoanoam-poana no nitomboan’ i Abrama. Ny fianakavian-drainy aza, izay nitahiry ny fahalalana an’ Andriamanitra, dia efa nanomboka azon’ ny hery mpandrendrika izay nanodidina azy ka ‘nanompo andriamani-kafa’1. Ary satria tsy tokony ho levona ny finoana marina, dia nanomana olona mahatoky mandrakariva Andriamanitra, izay nifamindra hatrany hatrany ny haren-tsarobidin’ ny fanambarany. Avy tamin’ ny taonjato iray ho amin’ ny taonjato manaraka dia nisy mandrakariva olona mahatoky, toa an’ i Adama, Seta, Enoka, Metosela. Noa ary Sema, ary izao ambarantsika izao dia ny taranak’ i Tera, izay tonga nitahiry ilay lova masina. ‘Jehovah dia eo akaikin’ izay rehetra miantso Azy, dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa’2. PM 113.1

Na dia velona teo afovoan’ ny fanompoan-tsampy aza Abrahama, ka voahodidin’ ny hery ratsy, dia nijoro mafy ho mahatoky kosa izy teo ariivon’ ny ratsy fanahy. sy teo anatrehan’ ny fihemorana nahazo ny besinimaro. Tsy ela dia nahazo filazana hentitra sy mazava tsara momba ny didin’ Andriamanitra sy ny fepetra rehetra momba ny famonjena izay ho entin’ Ilay Mpanavotra izy. Ny fampanantenana taranaka maro, izay fampanantenana sarobidy tokoa teo amin’ ny olona fahizay, dia nomena azy: ‘Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao ; ary ho fitahiana tokoa hianao”. Izany teny fikasana izany dia mbola nampiana anankiray hafa indray, izay sarobidy indrindra teo amin’ ilay mpandova ny finoana, dia ilay manambara fa avy amin’ ny taranany no hiavian’ ny Mpamonjy: ‘Ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany ’3. PM 113.2

Ny’ fepetra voalohany iankinan’ ny fanatanterahana izany teny fikasana izany, dia ny fizahan-toetra ny finoan’ i Abrahama. Hisy fandavan-tena hangatahina hataony. Nahazo izao baiko izao izy: ‘Mandehana miala amin’ ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ ny rainao hankany amin’ ny tany izay hasehoko anao’ Ny havana aman-tsakaizany dia mety hanohitra ny planan’ Andriamanitra momba ilay mpanompony, ka dia tsy maintsy nandao ilay toeranà nahabe azy Abrama mba hahatonga azy ho mendrika ny adidy lehibe izay natolotra azy, dia ny fitandremana ny sitrapon’ Andriamanitra. Tsy maintsy hanana toetra miavaka izy sy fomba amam-panao hafa noho ny an’ ny besinimaro. Izay zavatra hataony dia tsy ho takatry ny sakaizany. ‘Ny zavatra ara-panahy dia tsy maintsy heverina amin’ ny fomba ara-panahy’. Ary na dia ny fianakaviany mpanompo sampy aza dia tsy hahafantatra izay anton’ ny ataony. Hanana firaisana manokana amin’ ny lanitra izy, ka honina any an-tanin’ olon-kafa. PM 114.1

‘Finoana no naneken’ i Abrahama, rehefa nantsoina, hiainga hankany amin’ izany tany ho azony ho lova; ka dia niainga izy, nefa tsy fantany izay halehany’5 - Ny fankatoavana feno sady dodona nasehon’ i Abrama no anankiray amin’ ny ohatra tsara indrindra ao amin’ ny Baiboly maneho ny tena finoana marina. PM 114.2

Taminy, ny finoana dia tena ‘fahatokiana ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita’. Niantehitra tamin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra izy, ka na tsy nahita porofo ivelany mampiseho ny ho fahatanterahan’ izany aza, dia niainga nandao ny fonenany, ny havany, ary ny tanindrazany, sady tsy nahalala akory izay lalana hitondran’ Andriamanitra azy. ‘Finoana no nivahiniany tany amin’ ny tany nolazain’ ny teny fikasana, toy ny any an-tanin’ olona, mitoetra an-day, mbamin Isaka sy Jakoba, mpiara-mandova izany teny fikasana izany aminy ’6. PM 114.3

Izay nangatahina hataon’ i Abrama dia tsy mba fizahan-toetra moramora na fandavan-tena maivamaivana. Nisy fatorana mafy izay namatotra azy tamin’ ny tanindrazany, sy ny havany ary ny anko- honany. Kanefa na dia izany aza dia tsy nisalasala izy. Tsy mba nanontany akory izy na ho tsara sy mahavokatra. na hahasalama sy be harena ny tany izay halehany. Niteny Andriamanitra ary vonona izy mpanompony hankatò Azy. Aminy, ny tany tsara indrindra dia ny tany izay ibaikoan’ Andriamanitra azy halehany. PM 115.1

Mbola maro koa ny kristiana ankehitriny izay zahàna toetra toy ilay patriarka. Tsy feo mivantana avy any an-danitra no miteny aminy, fa feo avy ao amin’ ny Tenin’ Andriamanitra sy avy amin’ ny toe-javatra miseho, noho ny fitondrana avy any ambony. Antsoina izy mba hiala amin’ ny asa izay mety hahazoany harena sy voninahitra, handao ny havany sy ny fonenana mahafinaritra nahazatra azy, mba handia kosa lalana feno zava-tsarotra sy fandavan-tena.Ny fiainana feno fiadanana: mpifanolobodirindrina mahate-ho tia dia samy hisakantsakana ny fitaizana ara-panahy ilainy mba hahatonga azy ho vonona hanao ny asa iantsoan’ Andriamanitra azy. Dia esorin’ Andriamanitra izy ka entiny lavitra, eo amin’ ny toerana tsy hahitany intsony saina na hevitra avy amin’ olombelona, mba hiankinany sy hahalalany tsara an’ Andriamanitra irery. Sambatra ny olona toy izany, dia izay manaiky hiantsoroka adidy vaovao, eo amin’ ny toerana vaovao, vonona hiasa ho an’ Andriamanitra amin’ ny fo faly ka manao ny fatiantoka ho tombontsoa noho ny fitiavan’ ny Mpamonjy. Na iza na iza manaiky hanao toy izany dia manana ny finoan’ i Abrahama, ka hanana anjara miaraka aminy, dia ‘voninahitra mavesatra maharitra mandrakizay ’, izay tsy azo ampitahaina velively amin’ ny ‘fahoriana amin’ izao andro ankehitriny izao’7 PM 115.2

Rehefa nankatò ny antson’ Andriamanitra Abrama, dia nandao an’ i ‘Oran’ ny Kaldeana’8 izay toerana nonenany, ka iasa nankany Harana. Ny fianakavian-drainy, izay nampifangaroharo ny fanompoan- tsampy sy ny fanompoana an’ Andriamanitra, dia mbola nanaraka azy ihany hatreo. Nitoetra teo izy ambara-pahafatin’ i Tera rainy.Tamin’ izay, dia reny indray ny feon’ Andriamanitra niantso azy hanohy ny diany, nankatò izy ka dia nandao an’ i Nahora rahalahiny sy ny fianakaviany ary ny sampin’ ireo. Afa-tsy i Saray vadiny. dia i Lota zanak’ i Harana rahalahiny izay efa maty ela, no nanaraka azy tamin’ ny lalana nalehany. Na dia izany aza anefa, dia maro tokoa irco mpandeha niara-niala taminy tany Mesopotamia, satria efa panan-karena sy nanana biby fiompy marobe izy , ta izany no haren’ ny Tatsinanana, nisy koa mpanompo maro izay niaraka taminy. Dia samy nandao ny tanindrazany avy izy rehetra ary tsy nisy tafaverina tany intsony; nentiny avokoa ny ‘fananan’ izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana’ Nisy tamin’ ireo olona ireo no voataonan’ i Abrama na Saray ho amin’ ny fanompoana an” Andriamanitra marina ; ny zavatra maharitra mandra- kizay no nataony ho ambony kokoa noho ny tombontsoa ho an’ ny tenany. koa dia niara-nandeha tamin’ ilay patriarka ho any amin’ ny tany Kanana izy ary niara-tonga taminy tany. PM 115.3

Tao Sekema no nijanonana voalohany ary tao no nanorenan’ i Abrama ny tobiny, dia teo anelanelan’ ny tendrombohitr’ i Ebaia sy ny tendrombohitr’ i Gerizima, teo an-kazo terebintan’ i More, teo amin’ ny lohasaha maitso mavana. Toerana nahafinaritra izany toerana izany, ‘tany soa, dia tany misy renirano sy loharano ary rano lalina eny amin’ ny lohasaha sy ny tendrombohitra, tany misy vary tritika sy vary hordea sy voaloboka sy aviavy ary amponga- bendanitra, tany misy oliva sy tantely’ Teo anatrehan’ ilay patriarka anefa, dia nisy aloka nampanjombona izany lohasaha sy havoana mahavokatra izany, dia ny Kananita izay nonina tao amin’ ny tany. Taranaka vahiny mpanompo sampy, no nanapaka ny tany mahafinaritra izay nampanantenaina azy. Teny ambany hazo maitsony no nisy alitaran-tsampy ho an’ ny andriamani-tsy jzy, ary teny amin’ ny havoanany no nidonaka ny afo nandoroana olona ho fanatitra. PM 116.1

Na dia zava-manahirana aza no tsinjoh’ i Abrama, dia nifikitra mafy ihany tamin’ ny teny fikasan’ Andriamanitra izy. Raha nanan- gana ny lainy izy, dia niseho taminy Jehovah ka nanao taminy hoe: ‘Ny taranakao no homeko ity tany ity’11. Nahazo hery noho izany teny izany izy, izay nanaporofo taminy fa manatrika sy momba azy Andriamanitra, ka ‘ dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy”. Ary rehefa nahazo baiko indray hanohy ny liany izy. dia niainga ka nifindra tao Betela, ary tao no nanorenany ailitara indray sy niantsoany ny anaran’ i Jehovah. PM 116.2

Abrama, izay antsoina hoe ‘sakaizan’ Andriamanitra’, dia nametraka ohatra lehibe ho antsika. Fiainana feno fivavahana ny fiainany. Ary na taiza na taiza no nananganany ny lainy, dia teo koa no nanorenany alitara izay nanangonany ny ankohonany ho amin’ ny fanatitra maraina sy hariva. Rehefa nandao ireny toerana ireny izy, dia mbola nitoetra teo ihany kosa ny alitara. Taona maro tatý aoriana, rehefa nandalo teny amin’ ireny toerana ireny ireo Kahanita mpitoetra an-day, izay efa nampianarin’ i Abrama, ka nahita ireny alitara ireny sady nahafantatra fa teo no nitoby ilay pairiarka, dia mba nitoby teo koa. ka nanemboatra ny alitara ary nivavaka tamin’ Andriamanitra velona teo. PM 116.3

Mbola nanohy ny diany nianatsimo Abrama ary nozahana toetra indray ny finoany. Tsy nampilatsaka orana ny lanitra, tankina ny renirano izay nanondraka ny lohasaha, maina ny ahitra teny amin’ ny tany lemaka, tsy nahita vilona nivelomana intsony ny biby, ary nanandindona ny toby manontolo ny mosary. Inona àry izao no hataon’ i Abrama ? Hisalasala ny amin’ ny fitondran’ Andriamanitra va izy, ka hanenina noho ny amin’ ny saha mahavokatr’ i Kaldea izay nilaozany ? Velom-panontaniana toy izany ireo olona manodidina azy raha nahita ny loza izay efa nihatra aminy ; ny finoany an’ Andriamanitra sisa no azo ianteherana , satria Izy no Sakaizany sy Mpitarika azy. PM 117.1

Raha nanoloana toe-javatra nanahirana toy izany ilay mpanompon’ Andriamanitra, ka tsy nahalala izay tena antony, dia nitoetra ho tony mandrakariva, notohanan’ ilay teny fikasana manao hoe: ‘Hitahy anao Aho; hahatonga anao ho firenena lehibe Aho; haha- lehibe ny anaranao Aho ; aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany’. Tsy voahozongozon’ ny zava-niseho izy, fa vao mainka koa nanolo-tena ho amin’ ny fivavahana mafana, sady nieritreritra izay fomba hamonjena ny tobiny sy ny andian’ ondriny. Tsy nisaintsaina ny handao ny tany Kanana izy, na hiverina any Kaldea izay efa nilaozany sady be hanina. Nitady fialofana vonjy maika teo amin’ ny tany izay akaiky indrindra ilay tany nampanantenaina efa nametrahan’ Andriamanitra azy izy, dia ny tany Egypta. PM 117.2

Navelan’ Andriamanitra handalo izany fizahan-toetra izany ny mpanompony mba hampianarany azy hahay hilefitra, hahay haharitra, hahay hino ; ireo lesona ireo dia azon’ izay rehetra handalo fahoriana hianarana koa. Raha eo amin’ ny lalana saro-pantarina indraindray no itondran’ Andriamanitra ny zanany, dia tsy manadino velively izay rehetra matoky Azy Izy. Navelany hatao sesi-tany tany Patmo i Jaona, ilay mpianatra malala ; kanefa tsy nafoiny izy fa tonga tao aminy ny Zanak’ Andriamanitra, ka naneho azy ireo fahitana be voninahitra mandrakizay. Rehefa avelan’ Andriamanitra hiharan’ ny fitsapana ny vahoakany. dia ny mba hahatonga azy, rehefa avy mankatò sy maharitra, hahazo soa ara-panahy be dia be. ka ho tonga loharanon-kery sy loharanom-pinoana ho an’ ny hafa. ‘Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana. “fa tsy loza’12. Ny fahoriana mafy izay tsaroantsika fa mampangirifiry antsika indrindra, ka iheverantsika fa nahafoy antsika Andriamanitra, dia mikendry ny mba hanato- nantsika akaikikaiky kokoa an’ i Jesosy, ka hametrahantsika eo an-tongony ny tebitebintsika sy mba hanandramantsika koa ny fiadanana izay atolony ho valin’ izany. PM 117.3

Hatrany hatrany, dia nampandalovin’ Andriamanitra tao amin’ ny memy fahoriana ny olony. Izany no fomba isarahan’ ny loto sy ny tena volamena eo amin’ ny toetra kristiana. Jesosy, izay manara- maso ny toe-javatra, dia mahalala izay hafanana ilaina mba hahatonga ny tena volamena hamirapiratry ny fitiavany. Amin’ ny alalan’ ny fitsapana mahery, nefa mahasoa, no anamboaran’ Andriamanitra ny mpanompony. Izay rehetra manana talenta tokony hampiasaina hampandrosoana ny asany, dia avelany hiharan-javatra maro, mba hahalala sy hahatsapa ny kilema sy ny fahalemena ananany, mba hiala amin’ izany ka hianatra hiantehitra Aminy kosa, izay hany Mpamonjy sy Mpanavotra. Amin’ izay dia ho tratrany izay zavatra kendreny, fa rehefa nampianariny, namboariny, novolavolainy ireo mpanompony, dia ho vonona, rehefa mipaika ny fotoana, hanefa eo ambanin’ ny fanampian’ ny anjely, ny asa izay efa niantsoany azy hefaina etý an-tany. PM 118.1

Nandritra ny nitoerany tany Egypta, dia hita fa voan’ ny fakam- panahy sy tratran’ ny fahaiemena mpahazo olombelona Abrama. Nampiseho ny tsy fahampian’ ny fahatokiany izy tamin’ ny nata- horany hilaza an’ i Saray hoe vadiny ; semban-drahona ny finoana sy ny herim-panahy hita teo amin’ ny fiainany. Tsara tarehy indrindra i Saray. ary natahotra Abrama fa sao dia halain’ ny Egyptiana ho vady ilay vahiny tsara tarehy fatratra, ary izy kosa hovonoiny. Nieritreritra izy fa raha milaza ny vadiny hoe anabaviny dia tsy mandainga, satria i Saray dia zanakavavin’ ny rainy fa tsy zanaka- vavin’ ny reniny. Tsy sitrak’ Andriamanitra ny fialana amin’ ny. tena marina. Izany tsy fahampiam-pinoana izany dia saika nampidi- doza an i Saray, fa rehefa nahare ny amin’ ny hatsaran-tarehiny ny mpanjakan’ i Egypta, dia nampaka azy, ary nikasa haka azy ho vadiny. Fa Andriamanitra namely ny ankohonan’ i Farao ka niaro ny vadin’ ilay patriarka. Ary rehefa ren’ ny mpanjaka ny fitaka nataon’ i Abrama, dia tezitra izy ka niteny taminy hoe: ‘Inona izao nataonao tamiko izao ? Nahoana hianao no nanao hoe: anabaviko izy ka nalaiko ho vady izy ? Koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana’13. PM 118.2

Tsy tian’ ilay mpanjaka, izay efa nanao soa betsaka tamin’ i Abrama, raha hiharan-doza ilay patriarka sy ny ankohonany. Koa noho izany, na dia fady tamin’ ny Egyptiana aza ny miara-mihinana na miara-misotro amin’ ny mpiandry ondry vahiny, dia nandefa an’ i Abrama tamim-panajana sy fahatsaram-panahy i Farao, ka nampanatitra azy hatreo amin’ ny sisin-taniny. Nieritreritra izy fa raha mbola mitoetra eo aminy ihany ity vahiny narovana sy nonajain’ ny lanitra ity, izay saika nanaovany fahadisoana lehibe, dia hitombo hahatsiriritra ny hareny sy ny voninahiny, ka hitera-doza ho an’ ny fianakavian’ ny mpanjaka izany. PM 119.1

Ny fomba niarovan’ Andriamanitra an’ i Abrama nandritra ny nitoerany tany Egypta, dia fiarovana ho azy koa tatý aoriana rehefa nivelona teo anivon’ ny jentilisa izy; nazava tamin’ izy ireo fa mampidi-doza ny fanisian-dratsy ny zanak’ Ilay Mpanapaky ny lanitra. Izany toe-javatra nitranga teo amin’ ny fiainan’ i Abrama izany indrindra no antony nilazan’ ny mpaminany hoe: ‘Tsy nisy navelany hampahory azy ; ary nananatra mpanjaka Izy hoe: Aza manendry ireo voahosotro ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko’14. PM 119.2

. Misy fifandraisan-javatra manaitra ny saina, izay nanjo an’ i Abrama sy izay nanjo ny taranany taonjato maro tatý aoriana. Hidina any Egypta toa azy koa noho ny mosary ny taranany; hitoetra any izy ary hivoaka avy any hitondra harem-bevava avy amin’ ny firenena mpanompo sampy, noho ny fiarovan’ Andriamanitra azy. PM 119.3