Patriarka sy mpaminany

9/26

Taorian’ ny safo-drano

Nisondrotra dimy ambin’ ny folo hakiho tambonin’ ny tendrombohitra avo indrindra ny rano. Nandritra ny dimy volana dia natopa- topan’ ny alon-drano sy ny tafio-drivotra fatratra ny sambo-fiara, ka matetika ireo olona tao anatiny no nihevitra fa hatelin’ ny fisa- foakan’ ny onja vaventy. Tao anatin’ ireny ora feno tahotra ireny anefa dia tsy ketraka ny finoan’ i Noa. Natoky izy fa ny tanan’ Andriamanitra no nitana ny familian-tsambo. PM 89.1

Rehefa nanomboka nihena ny rano, dia natodik’ i Jehovah hiantsona teo amin’ ny fitodiana iray voaron’ ny tendrombohitra maromaro, izay efa voaomana ho amin’ izany ny sambo-fiara. Teo izy dia voaro tamin’ ny onja mahery sy tafasaraka tamin’ ny ranobe mangeniheny. Endrey ny fahamaivanana tsaroan’ ireo mpandeha efa reraka sy sasatra taorian’ ilay dia notataovan-doza maro ! Naniry indrindra ny handia tany maina i Noa sy ny fianakaviany, ka niandrandra fatratra ilay fotoana izay haharitra ny rano. Rehefa alaka efapolo andro, dia niseho ny tampon-tendrombohitra, ka dia nandefa goaika i Noa mba hahalalany raha efa maina ny tany na tsia. Rehefa tsy nahita afa-tsy rano ilay vorona matanjaka, dia nivezivezy foana nanodidina ny sambo-fiara. Nony afaka fito andro, dia voromailala indray no nalefan’ i Noa ; tafaverina ihany koa tao amin’ izay toerana nialany ilay izy rehefa tsy nahita na inona na inona hitoerany. Dia niandry hafitoana i Noa vao nandefa ilay vorona indray. Akory ny hafalian’ ireo mpandeha raha nahita azy tafaverina mitondra ravin’ oliva teny am-bavany. Rehefa afaka fotoana vitsivitsy, dia ‘nanaisotra ny taíon’ ny sambo-fiara Noa ka nijery, ary. indro, efa maina ny tany’1. Nefa, na dia izany aza, dia mbola niandry tamim-paharetana ihany ilay patriarka; baikon Andriamanitra no nidirany tao amin’ ny sambo-fiara, ka dia mbola izany baiko izany koa no nandrasany hivoahany avy tao. PM 89.2

Farany, nisy anjely iray nidina avy tany an-danitra, ka nano- katra ny varavarana makadirin’ ilay sambo, sady nanasa an i Noa mianakavy mba hivoaka sy harnela ny biby samihafa mba handeha. Tsy nanadino an’ Ilay Mpikarakara sy Mpiaro azy i Noa, raha feno fifaliana noho ny fahafahana. Ny zavatra voalohany nataony raha vao niala avy tao amin’ ny sambo-fiara izy dia ny nanorina alitara. Mba ho mariky ny fisaorany an’ Andriamanitra noho ny fiarovany, sy mba ho mariky ny finoany ny fanatitr’ Ilay Mpanavotra ho avy, dia nanatitra fanatitra ho an’ i Jehovah izy, dia fanatitra nalainy avy tamin’ ny biby madio rehetra. Izany fanatitra izany izay nankasi- trahan’ Andriamanitra, dia nahazoana tso-drano, tsy ho an’ ilay patriarka ihany, fa ho an’ ny taranak’ olombelona vaovao koa. ‘ Dia nandre ny hanitra ankasitrahana Jehovah, ka hoy Izy tam-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ ny olona Aho ... Raha mbola maharitra koa ny tany, dia tsy hanam-pitsaharana ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana. ary ny hatsiaka sy ny hafanana ary ny fahavaratra sy ny ririnina, ary ny andro sy ny alina ’2. PM 90.1

F.to i Noa dia manome lesona lehibe ho an’ ny taranaka rehetra hifandimby. Rehefa nandia indray ilay tany mahantra izy, dia tsy hanao trano ho azy no hevitra tonga tao an-tsainy voalohany, fa ny hanorina alitara. Ireo biby vitsy nananany tao amin’ ny sambo- fiara, izay nandaniany betsaka tokoa, dia nakany tamim-pifaliana mba hankalazany an’ Andriamanitra Izay nanome azy ny zavatra rehetra. Tokony hanao toa azy koa isika. ka hanolotra ho an’ Andriamanitra fanomezana an-tsitrapo sy vokatry ny fo. Tokony hanetsika antsika haneho mari-pankasitrahana ny famindrampo sy ny hatsaram- panahy rehetra nasehony antsika, dia mari-pankasitrahana hiseho eo amin’ ny fanomezana hatolotsika ho fiantrana sy hampandrosoana ny asany. PM 90.2

Mba hahatonga ny olona tsy ho feno tahotra isaka ny miangona indray ny rahona, na isaka ny mirotsaka ny orana, dia nanome izao toky izao ny fianakavian’ i Noa Andriamanitra: ‘ Aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin’ ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony ... Ny avako efa napetrako eo amin’ ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin’ ny tany. Ary raha mampiangona rahona eo ambonin’ ny tany Aho, ka hita eo amin’ ny rahona ny avana, dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin’ ny zava-manan-aina, dia ny nofo rehetra’3. PM 90.3

Koa rehefa nahita izany famantarana mahafinaritra izany eny amin’ ny rahona isika, dia aoka hahatsiaro ny fitiavana sy ny fango- rahan’ Andriamanitra ny zavaboariny malemy. Raha milaza Izy fa hahatsiaro ny fanekeny raha mahita ny avana, dia tsy manambara izany tsy akory fa mety hanadino ny teny fikasany Izy ; fomba fitenintsika olombelona io ampiasainy io mba hahazoantsika maha- takatra tsara izay tiany hambara. Izay nokendreny dia ny hanome ireto olona izay ho loharano hipoiran’ ny taranaka aoriana, ny fahalalana momba ny avana, mba hahazoan’ izy ireo hanambara izany amin’ ny zanany sy hampahatsiaro azy ny tantaran’ ny safo- drano, ka hampiredareda indray ny finoany ny fitiavan’ Andriamanitra ny olona. PM 91.1

Voahodidina avana ny seza fiandrianan’ Andriamanitra, dia avana izay manodidina koa ny lohan’ ny Zanany. ‘Toy ny tarehin’ avana amin’ ny rahona amin’ ny andro misy ranonorana’ no tarehin’ ny namirapiratra manodidina ny (seza fiandrianana). Izany fahitana izany, hoy ny mpaminany, dia mampiseho ny endriky ny voninahitr’ i Jehovah.4 Nahita ‘seza fiandrianana nipetraka tany an-danitra’ aho, hoy ny apostoly Jaona, ‘ary nisy Anankiray nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianana.. ary avana mitarehin’ emeralda no nanodidina ny seza fiandrianana’5. PM 91.2

Ilay Mpisolovava sy Mpamonjy antsika dia mampahatsiahy ny Rainy ny teny fikasana feno famindrampo efa nataony ho an’ ny mpanota, isaka ny mila hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra ny olona noho ny ratsy izay ataony. Asehony azy ny avana izay mamiratra eny amin’ ny rahona, sy ilay iray manodidina ny seza fiandrianana sy mandravaka ny lohany. PM 91.3

Andriamanitra mihitsy no efa nametraka teny fikasana isan’ izay sarobidy indrindra tao amin’ ilay teny efa natolony an’ i Noa tatý aorian’ ny safo-drano. ‘Fa amiko izany dia tahaka ilay ranon’ i Noa, ka toy ny nianianako fa tsy hanafotra ny tany intsony ilay ranon’ i Noa, dia toy izany no ianianako fa tsy ho tezitra aminao na hiteny mafy anao intsony Aho. Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao’6. PM 91.4

Raha nahita ireo biby goavana sy masiaka nivoaka avy tao amin’ ny sambo-fiara i Noa, dia natahotra izy fandrao hamiravira azy sy ny fianakaviany ireny. Nalefan Andriamanitra ho azy tamin ny alalan’ ny anjely izao hafatra izao: ‘Ary ny tahotra sy ny horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin’ izay rehetra mandady na mikisaka amin ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin’ ny ranomasina dia efa natolotro eo an-tànanareo. Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo ; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra’7. Hatramin’ izao dia tsy mbola nanome alalana ny olona hihinana nofom-biby Andriamanitra ; ny vokatry ny tany no nokasainy hiveloman’ ny olona. Noho ny zava-maitso rehetra efa simba anefa, dia nekeny ho fihinana ireo biby madio tao amin’ ny sambo-fiara. PM 92.1

Ozona fahatelo sady mahatsiravina tokoa no nafafin’ ny ota, dia ny nahatonga ny vohon’ ny tany manontolo hikorontana. Efa nihena ny rano ; ary ny havoana sy ny tendrombohitra dia mbola voahodidin’ ny ranomasina mamoa-potaka ; fatin’ olona sy fatim-biby no nitsitsitra teny rehetra teny. Mba tsy hahatonga ny fahalovan’ ireny handoto rivotra, dia nataon’ Andriamanitra ho toy ny fasana makadiry ny tany. Nisy rivotra nampanonja mafy dia mafy ny rano, ka na hazo, na harambato, na tendron-kavoana, dia samy voahilan- gilana mafy ka nivangongo nanarona ny faty rehetra. Dia toy izany koa no nanafenana ny volafotsy, ny volamena, ny vatosoa mbamin’ ny hazo sarobidy izay nandravaka ny tany fahizay, izay tsy mba nentin’ ny olona nanomezam-boninahitra an’ Andriamanitra, fa nampiasainy kosa ho amin’ ny fanompoan-tsampy sy ny faharatsiana. PM 92.2

Feno faharavana tsy hay ambara ny tany. Ny tendrombohitra izay nahate-hijery noho ny firindrany mahafinaritra, dia vakivaky sy rotidrotika. Vato sy bolongambato no nameno ny tany. Teo amin’ ny toerana maro dia nisy havoana levona sy tsy hita, ary teo amin’ ny toerana sasany kosa, dia tendrombohitra no hita teo amin’ izay nisy tany lemaka. Hita miharihary erý izany fiovana izany teo amin’ ny faritany maro. Ireo toerana nalaza noho ny fahabetsahan’ ny volamena mbamin’ ny volafotsy sy ny vatosoa teo aminy, dia nanjary rakotry ny mariky ny fanozonana mibaribary fatratra. PM 92.3

Ireo ala midadasika voatototry ny tany dia niova ho arintany sy solitany betsaka tokoa. Matetika no mirehitra ireny arintany sy solitany ireny, ary ny afony dia misoko ao anaty tany ao. Mirehitra ny vato sokay, midedaka ny vatolampy, mitsonika ny vy. Ny firaisan’ ny rano sy ny sokay dia vao mainka koa mampiredareda ny afo ka miteraka fipoahana any anaty tany any, ary mahatonga ny horohorontany sy ny volkano. Rehefa tsy ampy intsony hivoahan’ ny herin’ ireny zava-maro mitsonika ao anaty tany ireny ny vavam- bolkano, dia mihovitrovitra ny tany ka misondrotra sy mibontsina toy ny onjan-dranomasina. Dia mivava ny tany ary matetika mitelina vohitra sy tanàna ary tendrombohitra mirehitra. Ireny toe-javatra manaitra ireny, izay isan’ ny famantarana mialoha ny handravana izao tontolo izao, dia hihamaro sy hihamafy hatrany hatrany, arakaraka ny fahantomoran’ ilay fotoana hiverenan’ ny Tompo. PM 93.1

Avy tany anaty tany lalina tany no nakan’ ny Tompo ny loza nentiny nandravana ny tany fahizay. Ny rano izay niboiboika avy tamin’ ny lalina dia niharo tamin’ izay nirotsaka avy tany an-danitra. Fa hatramin’ ny safo-drano kosa, ny afo niampy ny rano no tonga fandravana ireo tanàna lehibe feno ota. Ireny famaizana ireny dia ny mba hahatonga ireo olona nanao tsinontsinona ny didy sy ny fahefan’ Andriamanitra hiondrika teo anatrehan’ ny heriny. Rehefa hitan’ ireny olona ireny fa nirehitra sy namoaka afo ny tendrombohitra, ka nandritra renirano ny onjam-by nitsonika avy tamin’ ireny, rehefa tazany fa namely ny tanàn-dehibe izany ka namafy fandringanana sy fahasimbana ombieny ombieny, tamin’ izay, na dia ny mafy fo indrindra aza, dia nangorohoro sy feno tahotra, ary ny mpiieny ratsy dia voatery niondrika tamim-panentren-tena teo anoloan’ ny fiandrianan’ Andriamanitra. PM 93.2

Izany loza izany no nahatonga ny mpaminany ho loa-bolana hoe: ‘Fnga anie ka hotriarinao ny lanitra mba hidinanao, ka hihorohoro eo anoloanao ny tendrombohitra — dia tahaka ny fandevon’ ny afo ny tapa-kazo maina sy ny fampangotraky ny afo ny rano — mba hampahafantatra ny fahavalonao ny anaranao ka hangovitra eo anoloanao ny jentilisa’8. ‘Amin’ ny tadio sy ny tafio-drivotra no làlan’ i Jehovah. Ary rahona no vovoky ny tongony. Mi teny mafy ny ranomasina Izy ka mahatankina azy ary mandritra ny ony rehetra’ PM 93.3

Toe-javatra mahatsiravina tsy mbola nisy hatrizay hatrizay no hiseho amin’ ny tiavian’ i Jesosy Kristy fanindroany. ‘Mihoro horo eo anatrehany ny tendrombohitra sady miempo ny havoana ary mientanentana eo anatrehany ny tany, dia ny tany onenani sy ny mponina rehetra ao aminy. Iza no mahatoetra eo anoloan ny fahavinirany ? Ary iza no mahatanty ny firehitry ny faha- tezerany ?’10 ‘Jehovah o, aondreho ny lanitrao. ka midina ;tendreo ny tendrombohitra dia hidonaka ireny. Ampitselatselaro ny helatra, ka ampielezo ireo ; alefaso ny zana-tsipikanao, ka ampifanaritaho ireo ’11. PM 94.1

‘Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon’ ny setroka’12. ‘Dia nisy helatra sy feo sy kotrokorana, ary nisy horo- horontany mafy, izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ ny olona tetý ambonin’ ny tany, eny tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany Ary ny nosy rehetra nandositra, ary ny tendrombohitra tsy hita intsony. Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ ny olona, tokony ho lanjan- talenta iray avy ; ary niteny ratsy an’ Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ ny havandra , fa lehibe loatra izany loza izany’13. PM 94.2

Hirehitra toy ny lafaoro lehibe sy hamoaka vato sy vy mitsonika izay handrakotra saha, zaridaina, vohitra sy tanàna ny tendrombohitra, noho ny asan’ ny varatra avy eny ambony sy ny afo avy ao anaty tany. Hirotsaka ao anaty ony ireny zava-mitsonika ireny, ka hampangotrakotraka fatratra ny ranony, ary hamoaka hery tsy hay laz.aina izay hampisamboaravoara ny vatolampy sy hamakivaky azy ; ary ny silatsilany dia hiparitaka manodidina. Ho ritra ny rano an ony, ary ny tany dia hientanentana mafy noho ny fipoaky ny volkano sy noho ny horohorontany. PM 94.3

Amin ny fomba toy izany no hamongoran’ Andriamanitra ny ratsy fanahy tsy ho etý ambonin’ ny tany. Nefa kosa, toa an’ i i Noa tao anatin ny sambo-fiarany, dia ho toy izany koa ny marina, ho voaro eo anivon izany zava-mampidi-doza rehetra izany izy Eo ambanin’ ny elany no hahitan’ izy ireo fialofana azo antoka araka ny toky nampilazain’ ny mpanao Salamo antsika hoe: PM 94.4

‘ Jehovah 6, Hianao no aroko,
Sady nataonao ho fonenanao ny Avo Indrindra,
Dia tsy hisy loza hanjo anao,
Na aretina hanakaiky ny lainao.
Satria Izaho no r.iraiketan’ ny fitiavany,
Dia hamoniy azy Aho ;
Fa hanafina ahy ao an-trano fialofany amin’ ny
andro fahoriana Izy ;
Hampiery ahy amin’ ny fierena ao an-dainy Izy;
Hanandratra ahy ho eny ambony vatolampy Izy ’14,
PM 95.1